Genesis 18

Genesis 18:1

Mamre

Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ny Hazo Terebinta izany.

teo an-tokanam-baravaran'ny lay

"teo amin'ny fisokafan'ny lay" na "teo amin'ny fidiranan'ny lay"

tamin'ny misandratr'andro

"fotoana mafana indrindra ao anatin'ny andro"

Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana

"Niandrandra izy ary, indro, nisy lehilahy telo teo amin'ny tandrifiny."

indro

"tampoka teo." Ny teny hoe : "indro" eto dia maneho amintsika fa nanaitra an'i Abrahama izay niseho manaraka.

teo amin'ny tandrifiny

"teo akaiky teo" na "teo". Teo akaikiny izy ireo, kanefa ampy hihazakazahany hankeny amin'izy ireo.

niankohoka

Miondrika amin'ny fanetre-tena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray.

Genesis 18:3

Tompo

Fanehoam-panajana izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Fantatr'Abrahama fa ny iray amin'ireo lehilahy ireo dia Andriamanitra na 2) Fantatr'Abrahama fa ireo lehilahy ireo dia tonga ho an'Andriamanitra.

teo imasonao

Niresaka tamin'ny iray tamin'ireo lehilahy i Abrahama.

aza mandalo

"aza manohy mandeha intsony re"

ity mpanomponao

"izaho". Izany fomba izany no ilazan'i Abrahama ny tenany mba hanehoany fanajana an'ireto vahininy.

Aoka hisy rano kely ho entina

Afaka atao izany hoe: DH: "aoka aho hitondra rano" na "Hitondra rano ireo mpanompoko"

rano kely ... sakafo kely

"rano ...sakafo." Ny fiteny hoe "kely" dia fomba mihaja hanehoana ny fahalalan-tanana . Hanome azy ireo sakafo sy rano mihoatra noho izay ampy aza i Abrahama.

sasao ny tongotrareo

Izany fomba izany dia manampy ireo vizakin'ny dia amin'ny famelombelomana ny tenan'izy ireo tao aorian'ny dia an-tongotra lavitra.

anareo ... ianareo

Niresaka tamin'ireo telo lahy Abrahama, noho izany dia ampiasaina ny "anareo" sy ianareo"

Genesis 18:6

in-telon'ny Sea

sahabo 22 litatra

mofo

Izany mofo izany dia azo antoka tokoa fa nandrahoina haingana tamin'ny vato mahamay. Mety ho fisaka na boribory toy ny mofo kely na horonana.

nikoropaka izy

"nikoropaka ilay mpanompo"

hikarakara izany

"hitetika sy hanatono izany"

vainga / vongana

Ilazana ny faritra mivaingan'ny ronono nalona izany. Mety ho ronono mandry na fromazy izany.

ilay zanak'omby izay efa voakarakara

"ilay zanak'omby voatono"

anoloan'izy ireo

"teo anoloan'ireo mpitsidika telo"

Genesis 18:9

Niteny tamin'izy ireo izy

"Avy eo dia niteny tamin'i Abrahama izy ireo"

Hoy izy hoe: "Hiverina aty aminao tokoa aho

Ny teny hoe: "izy" dia ilazana ilay lehilahy izay nantsoin'i Abrahama hoe :"Tompo" ao amin'ny 18:3.

amin'ny lohataona

"raha hiverina izao vanim-potoana izao amin'ny taona manaraka" na "tahaka izao fotoana izao amin'ny taona manaraka" (UDB)

ary indro

Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina ny fampahafantarana tsy ampoizina izay hanaraka eo.

teo antokonam-baravaran'ny lay

"teo amin'ny fisokafan'ny lay" na "teo amin'ny fidiranan'ny lay"

Genesis 18:11

Rehefa tsy misy ilaina ahy ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny?

tsy misy ilaina ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny? - Mety te hanampy ianao hoe: "amin'ny fananan-jaza" (UDB). Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Saraha satria tsy mino izy fa afaka ny hanan-janaka. DH: "Tsy mety mino aho fa hiaina ny fifalin'ny fananana zanaka. Ny tompoko ihany koa dia efa tena antitra"

ny tompoko dia antitra

Ny dikan'izanydia hoe: "koa satria efa tena antitra ny vadiko."

ny tompoko

Izany dia fanehoam-panajana izay nataon'i Saraha amin'i Abrahama vadiny.

Genesis 18:13

Naninona no nihomehy Saraha ary niteny hoe: 'Hanan'anaka tokoa ve aho, na dia antitra aza aho?'

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hanehoana fa fantany izay tao an-tsain'i Saraha ary tsy nankasitraka an'izany Izy. Namerina ny fanontaniana fampisainan'i Saraha Izy (18:11) amin'ny fampiasana teny hafa. DH: "Diso i Saraha nihomehy sy niteny, 'tsy hanan'anaka aho satria efa tena antitra!'"

Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve?

"Moa misy zavatra izay tsy afaka ataon'i Yaveh ve? Miresaka ny tenany toy ny miresaka amin'ny olona hafa mba hampatsiaro an'i Abrahama fa Izy, Yaveh, dia lehibe ary afaka manao ny zavatra rehetra. DH: "Tsy misy zavatra, izay tsy vitako, Izaho, Yaveh!"

Amin'ny fotoana voatondroko, amin'ny lohataona

"Amin'ny fotoana izay efa voatondroko, izay amin'ny lohataona"

Ary nandà izany Saraha ary nanao hoe...

"Ary nandà izany tamin'ny fitenenana hoe ... i Saraha"

Namaly Izy

"Namaly Yaveh"

Tsia, nihomehy tokoa ianao

"Eny, nihomehy tokoa ianao." Ny dikany dia "Tsia, tsy marina izany; tena nihomehy tokoa ianao."

Genesis 18:16

mba hijery azy ireo teny amin'ny lalan'izy ireo

"hanatitra azy ireo teny amin'ny lalany" na "Nanao ''veloma' azy ireo (UDB). Fahalalam-pomba ny miara-mandeha kely/ manatitratitra amin'ny vahiny rehefa manainga izy ireny.

Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko, ... aminy?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba ilazana fa hiresaka zavatra manan-danja amin'ny Abrahama tokoa Izy ary ny tsara indrindra ho azy dia manao izany. DH: "Tsy tokony ary tsy hanafina amin'ny Abrahama izay ho ataoko Aho ... aminy." na "ary holazaiko amin'ny Abrahama ny amin'izay ho ataoko ... aminy"

Tokony ... ataoko, satria tokoa ... aminy?

"Tsy tokony ... ataoko. Ny antony satria ... aminy?"

ary ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana avy aminy

Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany Aho avy amin'i Abrahama Aho"

ho tahiana avy aminy

"ho tahiana noho i Abrahama" na "ho tahiana satria nitahy an'i Abrahama Aho." Amin'ny fandikana ny "avy aminy" dia jereo ny nandikanao "avy aminao" ao amin'ny 12:1.

mba hahafahany mampianatra

"mba hahafahany mitarika" na "mba hibaikony"

hitandrina ny lalàn'i Yaveh ... Yaveh mitondra ... izay nolazainy

Miresaka amin'ny tenany toy ny mihevitra azy ho olon-kafa i Yaveh. DH "hankatò izay, takian'i Yaveh, ... Izaho, Yaveh, hitondra ... izay nolazaiko"

hitandrina ny lalàn'i Yaveh

"hankatò ireo baikon'i Yaveh"

mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny

"amin'ny fanaovana ny fahamarinana sy ny rariny." Milaza ny fomba hitandremana ny lalàn'i Yaveh izany.

mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'i Abrahama izay nolazainy taminy

"mba hitahian'i Yaveh an'i Abrahama tahaka izay nolazainy hiseho." Ilazana ny fanekena fampanantenana ny hitahiana sy hanaovana an'i Abrahama ho firenena lehibe izany.

Genesis 18:20

ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora

Azo soloina amin'ny matoanteny hoe: "miampanga" ny anarana hoe: "fitarainana". DH: "maro tokoa ireo olona miampanga an'i Sodoma sy Gomora nohon'ny fanaovana zava-dratsy"

be loatra ny fahotan'izy ireo

"nanota tafahoatra izy ireo"

hidina any Aho

"hidina any Sodoma sy Gomora Aho"

hidina any ary hijery

"hidina any ka hizaha" na "hidina any mba hanapa-kevitra"

hijery ny fitarainana ... izay tonga tamiko

Yaveh dia niteny toy ny nahalala ny zava-nisy nohon'ny fahenoany ny fitarainana sy ny fiampangana avy amin'ny olona izay nianjadian'izany. Azo soloina amin'ny matoanteny hoe: "miampanga" ny anarana hoe: "fitarainana." DH: "ratsy toy izay niampanga ratsy azy ireo ihany"

Raha tsy izany

"Raha tsy ratsy toy izay lazain'ny fitarainana"

Genesis 18:22

nihodina avy tao

"nivoaka avy tao amin'ny fitobian'i Abrama"

Abrahama nijanona nitsangana teo anoloan'i Yaveh

"niara- nijanona i Abrahama sy Yaveh"

nanatona

"nanatona an'i Yaveh" na "nanatona akaiky an'i Yaveh"

mandripaka

Miresaka ny fandringanana ny olona toy ny famafana loto amin'ny kifafa i Abrahama. DH: "mandringana"

ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy

"ny olo-marina miaraka amin'ny olona ratsy fanahy"

Genesis 18:24

Fampahafantarana ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Yaveh i Abrahama.

Angamba misy

"raha atao hoe misy"

Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao?

Nanantena i Abrahama fa hiteny i Yaveh hoe: "tsy handripaka an'izany Aho." DH: "mihevitra aho fa tsy handripaka an'izany Ianao. Eny, hamindra fo amin'ny toerana Ianao noho ny amin'ny dimam-polo marina izay ao"

Handripaka izany

"mandringana izany." Miresaka ny fandringanana ny olona toy ny famafana loto amin'ny kifafa i Abrahama. DH: "mandringana ny olona izay mipetraka ao"

ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao?

Nanantena i Abrahama fa hiteny i Andriamanitra hoe: "hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao."

hamindra fo ny toerana

"hamela ny olona hiaina"

nohon'ny amin'ny

"nohon'ny amin'ny"

sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany

"Tsy iriako mihintsy ny hanaovanao zavatra tahaka izany" na "tsy tokony hanao zavatra tahaka izany ianao"

zavatra toy izany, mamono

"zavatra toy ny famonoana" na "zavatra toy, izay famonoana"

mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy

Afaka atao izany hoe: DH: "tokony hitondra ny marina mitovy amin'ny fomba fitondrana ny ratsy fanahy ianao"

Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama mba ilazana izay niandrasany hataon'Andriamanitra. DH: "Ny Mpitsaran'ny tany rehetra dia hanao izay marina tokoa" na "Koa satria Ianao no mpitsaran'ny tany rehetra, dia hanao izay mety tokoa ianao!"

Genesis 18:27

Indro

Ny andian-teny hoe: "Indro" dia manintona ny saintsika ny amin'ny fampahafantarana manaitra izay ho avy manaraka.

namela ahy niresaka

"Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako hiresaka aminao" na "Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako miresaka"

taminy ny Tompoko

Naneho ny fanajany an'i Yaveh tamin'ny firesahana taminy tahaka ny miresaka amin'ny olon-kafa i Abrahama. DH: "aminao, ry tompoko"

vovoka sy lavenona ihany

Sarinteny manoritsoritra an'i Abrahama toy ny olombelona, izay ho faty ary ho lasa vovoka sy lavenona ny vatany. DH: "olombelona mety maty ihany" na "toy ny tsy misy ilana azy tahaka ny vovoka sy lavenona"

latsaka dimy ny dimam-polo marina

"olona dimy amby efapolo ihany"

nohon'ny dimy tsy ampy

"raha misy dimy olo-marina dimy monja"

Tsy handrava izany Aho

"Tsy handrava an'i Sodoma Aho"

Genesis 18:29

niteny taminy izy

"niteny tamin'i Yaveh i Abrahama"

raha misy efa-polo hita ao

Ny heviny dia hoe: "raha mahita olona marina efapolo ao Sodoma sy Gomora ianao."

Namaly Izy

"Namaly i Yaveh"

Tsy hanao izany nohon'ny efa-polo Aho

"Tsy handringana ireo tanàna Aho raha mahita olo-marina efapolo ao"

telo-polo

"olo-marina telo-polo" na "olona tsara telo-polo"

indro

Ny andian-teny hoe: "Indro" dia manintona ny saintsika ny amin'ny fampahafantarana manaitra izay ho avy manaraka.

namela ahy niresaka

"Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako hiresaka aminao" na "Mamela ahy ny amin'ny fahasahiako miresaka"

Genesis 18:32

Angamba hahita folo ao

"Angamba hahita olo-marina folo ao Ianao"

folo

"olo-marina folo" na "olona tsara folo"

Dia niteny Izy

"Dia namaly Yaveh"

nohon'ny folo

"raha mahita olo-marina folo ao"

Nandeha tamin'ny lalany Yaveh

"nanainga i Yaveh" na "nandao i Yaveh"