Genesis 13

Genesis 13:1

niakatra avy tany

"nandao" na "niainga avy tany"

nandeha tao Negeva

Negeva dia tany hay any amin'ny faritra atsimon'i Kanana, andrefan'i Egypta. Afaka hazavaina izany. DH: "niverina ho any amin'ny tany hain'i Negeva"

Ary Abrama dia tena nanan-karena biby, volafotsy, ary volamena

"nanana biby, sy volafotsy ary volamena maro tokoa i Abrama"

biby

"biby fiompy"

Genesis 13:3

Nanohy ny diany izy

Nizotra antanan-tohatra ny dian'i Abrahama sy ny havany, nandeha tamin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa. Afaka hazavaina izany. DH: "Nanohy ny diany izy ireo"

ho any amin'ny toerana izay nisy ny lainy taloha

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Jereo ny Genesisy 12:8." Ny fotoana nandehanany dia azo azavaina. DH: "ho any amin'ny toerana izay nanorenany ny lainy mialohan'ny nandehanany tany Egypta"

niantso ny anaran'i Yaveh

"nivavaka tamin'ny anaran'i Yaveh" na "nidera an'i Yaveh." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 12:8.

Genesis 13:5

Ary

Izany teny izany dia nampiasaina mba hanehoana fa izay manaraka eo dia fampahafantarana fototra hanampy ny mpamaky hahatakatra ny tranga izay manaraka eto.

Tsy nahazaka ny hiarahan'izy ireo mitoetra ny tany

Tsy ampy ho an'ny bibin'izy ireo rehetra ny tany firahofana sy ny rano.

ireo fananany

Ao anatin'izany ny biby fiompy, izay mila ahitra sy rano.

tsy afaka niara-nipetraka

"tsy afaka niara-niaina"

Nipetraka tao amin'ilay tany ireo Kananita sy Perizita tamin'izany fotoana izany

Antony hafa izay tsy nahafahan'ny tany mahazaka azy rehetra ireo ihany koa izany.

Genesis 13:8

Aoka tsy hisy fifandirana amiko sy eo aminao

"Aoka tsy hiady"

fifandirana

"fifanoherana" na "ady" na "ady hevitra (mifanditra)"

ary eo amin'ireo mpiandry ondrinao sy ireo mpiandry ondriko

"ary ndeha hanatsahatra ny fifandiran'ireo lehilahy izay mikarakara ny biby fiompitsika"

sady mpianakavy rahateo isika

"satria mpianakavy isika"

fianakaviana

"havana akaiky" na "havana". Zanakin'ny mpiray tampo amin'i Abrama i Lota.

Tsy eo anoloanao ve ny tany iray manontolo?

Azo adika ho fanambarana tsara izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Afaka ampiasainao ny tany manontolo."

Mandehana tsy am-pihambahambana ary misaraha amiko

Niresaka am-pitiavana tamin'i Lota i Abrama ary namporisika azy hanao zavatra izay hanampy azy roa tonta. "Aoka hisaraka."

Raha mandeha miankavia ianao, dia handeha miankavanana aho

ireo mety ho heviny dia 1) "raha mandeha amin'ny lalana iray ianao dia handeha amin'ny iray hafa aho" na 2)"raha mianavaratra ianao, dia handeha mianatsimo aho." Navelan'i Abrama nisafidy ny ampahany amin'ny tany izay tiany i Lota, ary haka izay sisa tavela i Abrama.

Genesis 13:10

ny lemak'i Jordana rehetra

Ilazana ny ny faritra ny onin'i Jordana amin'ny ankapobeny izany.

voatondraka tsara

"nanana rano betsaka" na "be rano"

tahaka ny sahan'i Yaveh, tahaka ny tanin'i Egypta

"tahaka ny sahan'i Yaveh na tahaka ny tanin'i Egypta." Toerana roa samy hafa izany.

ny sahan'i Yaveh

Anarana hafa ilazana ny saha Edena izany.

saha

Ampiasao ny teny mitovin'ny hoe: "saha" araka izay nampiasainao ao amin'ny 2:7.

Talohan'ny nandravan'i Yaveh an'i Sodoma sy Gomora izany

Mialoha zavatra izay hitranga atsy ho atsy izany. Manan-danja tokoa izany eto noho izy manazava ny antony nanorenan'i Lota fonenana tany amin'ny faritra izay tsy namokatra intsony taty aoriana.

ireo mpihavana

" ireo havana akaiky" na " ireo havana". Ilazana an'i Lota sy Abrama miaraka amin'ireo ankohonany izany.

Genesis 13:12

nipetraka

"nanorim-ponenana" na "nitoetra"

tany amin'ny tany Kanana

"tany amin'ny tanin'ireo Kananita"

Nanorina ny lainy ho lavitra manakaiky an'i Sodoma izy

ireo mety ho heviny dia 1)"Nanorina ny lainy manakaiky an'i Sodoma izy" (UDB) na 2)"Namindra ny lainy manodidina amin'ny toerana izay mahazo ny lalana rehetra mankany Sodoma izy."

Genesis 13:14

tao aorian'ny nialàn'i Lota teo aminy

"rehefa nandao an'i Abrama i Lota"

Genesis 13:16

mandehana mamakivaky ny halava sy ny sakan'ny tany

"mandehana manodidina ny tany manontolo"

Mamre

Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany.

Hebrona

anaran-toerana

alitara ho an'i Yaveh

"alitara hiderana an'i Yaveh"