Genesis 7

Genesis 7:1

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireo tranga ao amin'ity toko ity dia niseho tao aorian'ny namboaran'i Noa ny sambo-fiara, nanangonany ny sakafo, ary nanao izany tao amin'ny sambo-fiara.

tongava ... ao amin'ilay sambo-fiara ... ento

"Midira ... ao amin'ilay sambo-fiara ... makà." Maro ny fandikan-teny mivaky hoe" Mandehana... ao amin'ilay sambo-fiara ... ento."

ianao

Ny teny "ianao" dia ilazana an'i Noa.

ny ankohonanao

"ny havanao"

marina eo anatrehako

Midika izany fa Andriamanitra dia nahita fa marina i Noa.

amin'ity taranaka ity

Izany dia ilazana ny olona rehetra izay niaina tamin'izany fotoana izany. DH:" amin'ireo olona rehetra izay miaina ankehitriny"

biby madio

Izany dia ilazana ny biby izay navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony sy atao fanatitra.

biby izay tsy madio.

Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.

ho fitandrovana ny taranany

"mba hananan'izy ireo taranaka izay ho velona" na "mba, hitohizan'ny fahaveloman'ny biby, ao aorian'ny tondra-drano"

Genesis 7:4

efa-polo andro sy efa-polo alina

efa-polo andro feno izany. Tsy valopolo andro ny fitambaran'izany. DH:"efa-polo andro sy efa-polo alina"

miaina

ilazana ny ain'ny vatana

Genesis 7:6

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

tonga teto an-tany

"nitranga" na "tonga teo amin'ny tany"

nohon'ny ranon'ny safo-drano

"nohon'ny hiavian'ny safo-drano" na "mba handositra ny safo-drano"

Genesis 7:8

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

biby madio

Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.

biby izay tsy madio

Izany dia ilazana ny biby izay tsy navelan'Andriamanitra hohanin'ny olony na atao fanatitra.

tsiroaroa

Niditra tao amin'ny sambo tsiroaroa miaraka ny lahiny sy ny vaviny.

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manandanjan'ny tantara: ny fiantombohan'ny safo-drano. Raha manana fomba filazana izany ny teninao dia mihevera ampiasa izany eto.

fito andro taty aoriana

"afaka fito andro" na "fito andro taty aoriana"

tonga teto an-tany ny tondra-drano

Fanazavana fanampiny, "nanomboka avy ny orana" azo atao mazava izany ao amin'ny (UDB). DH: "nanomboka avy ny orana ary tonga teo amin'ny tany ny tondra-drano"

Genesis 7:11

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 6-12 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

Tamin'ny faha enin-jato taona niainan'i Noa

"Tamin'i Noa 600 taona" (UDB)

volana faharoa, andro faha fito ambin'ny folon'ny volana

Satria i Mosesy no nanoratra ity boky ity, dia mety ho nampiasa ny volana faharoa amin'ny tetiandro Hebreo ho fanovozan-kevitra amin'ny fanisana izy. kanefa tsy dia azo antoka izany.

tamin'io andro io ihany

Izany dia ilazana ny andro manokana nanombohan'ny rotsakorana. Ity andian-teny ity dia manasongadina ny nitrangan'izany tranga lehibe izany faingana tamin'ny nahatongavan'ny fotoany.

nipoitra ireo loharano lalina indindra

"nibosesika nivoaka ny velaran'ny tany ny rano avy any ambanin'ny tany"

ny lalina indrindra

Ilazana ny ranomasina izay noheverina fa avy any ambanin'ny tany izany.

nisokatra ireo varavarakelin'ny lanitra

Ilazana ny orana izany. Manoritsoritra ny lanitra toy ny tafo izay mitazona ny rano any ambony tsy hilatsaka ambany amin'ny tany izany. Rehefa misokatra ny varavarakely, na ny varavarana, any an-danitra, dia miraraka avy amin'izy ireo ny rano. DH:"misokatra ny lanitra" na "misokatra ny varavarana any an-danitra"

orana

Raha manana teny ilazana ny fatra betsakin'ny orana ny teninao, dia mifanaraka tsara eto izany.

Genesis 7:13

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

Tamin'io andro io ihany

"tamin'izany andro izany indrindra." Ilazana ny andro izay nanombohan'ny orana. Ny andininy 13-16 dia milaza izay nataon'i Noa faingana mialohan'ny hiantombohan'ny orana.

bibi-dia ... ny biby fiompy ... ny zavatra mikisaka ... ny vorona

Ireo vondrona efatra ireo dia natao lisitra mba hanehoana fa ny karazam-biby rehetra dia tafiditra avokoa. Raha manana fomba hafa fampivondronana ny biby rehetra ny teninao, dia afaka ampiasainao izany, na afaka mampiasa ireo vondrona ireo ianao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 1:24.

ny zavatra mikisaka

Ilazana ny biby izay mandady amin'ny tany, toy ny bibikely, ny androngo, ary ny bibilava.

araka ny karazany avy

"mba hamokaran'ireo karazana biby rehetra maro tahaka ny karazany avy." Jereo ny nandikanao izany any amin'ny 1:24.

Genesis 7:15

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

tsiroaroa amin'ny nofo rehetra

Eto ny "nofo" dia ilazana ireo biby.

izay manam-pofon'aina

Eto ny "fofon'aina" dia ilazana ny aina. DH: "izay miaina"

Tonga teo amin'i Noa

Ny teny hoe: "tonga" dia azo adika toy ny hoe: "lasa"

amin'ny nofo rehetra

Eto ny "nofo" dia maneho ny biby. DH: "amin'ny karazam-biby rehetra"

tao aorian'izy ireo

Azo atao mazava ny tena dikan'izany . DH: "rehefa avy niditra ny sambo fiara izy ireo"

Genesis 7:17

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy 13-18 dia miverina indroa ary manome fanazavana an-tsipirihany mikasika ny nandehanan'i Noa sy ny fianakaviany ary ireo biby tao amin'ny sambo-fiara, ao amin'ny 7:1. Tsy zava-baovao izany.

ary nitombo ny rano

Nitranga nandritra ny efapolo andro izay nahatongavan'ny rano hatrany izany. "ary ny rano dia tonga lalina indrindra"

ary nanainga ny sambo fiara

"ary nampitsikafona ny sambo fiara izany"

nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany

"nampiainga ny sambo fiara ho eo an-tampon'ny tany" na "nitsikafona teo amin'ny farany ambonin'ny rano lalina ilay sambo fiara"

Genesis 7:19

Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano

"Nanafotra ny tany manontolo ny rano"

dimy ambin'ny folo hakiho

" enina metatra." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:13.

Genesis 7:21

nifindrafindra

"nihisakisaka" na "nirenireny"

ireo zava-manan'aina maro rehetra izay niaina tety an-tany

Ilazana ny biby izay mifindrafindra manerana ny tany manao andiany maro.

izay miaina ny fofon'aina amin'ny vavorony

Eto ny "vavorona" dia maneho ny biby rehetra sy ny olombelona. DH: "ny rehetra izay miaina"

fofon'aina

Ny teny hoe: "fofon'aina" sy "aina" dia maneho ny fahefana izay hahafahan'ny olona sy ny biby miaina.

maty

Ilazana ny fahafatesana ara-batana izany.

Genesis 7:23

Noho izany dia ringana avokoa ireo zava-manan'aina rehetra

Raha ilaina, dia afaka atao izany hoe: DH: "Noho izany ny zava-manan'aina rehetra ... dia levona" na "Nandringana tanteraka ny zava-manan'aina rehetra ny safo-drano"

Ringana avokoa izy rehetra

Azo atao izany hoe: DH: " Naringan'Andriamanitra avokoa izy rehetra"

avy amin'ny tany

"koa dia tsy tety an-tany intsony izy ireny"

sy ireo izay niaraka taminy

"sy ny olona ary ny biby izay niaraka taminy"

no tavela

"sisa tavela" na "velona" na "sisa velona" (UDB)

Nanenika ny tany ny rano

"Ny rano lalaina no nandrakotra ny tany manontolo" na "Nijanona ho safo-drano be teo amin'ny tany ny rano" (UDB)