1
Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa, ireo bibi-dia rehetra, ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara. Nampitsoka rivotra eran'ny tany Andriamanitra, ka dia nanomboka nihena ny rano.
2
Nakatona ny loharanon'ny lalina sy ny varavarakelin'ny lanitra, ary nitsahatra ny ranon'orana.
3
Nihena tsikelikely ny ranon'ny safo-drano, ary rehefa afaka dimampolo amby zato andro dia nihena ny rano.
4
Dia niantsona teo amin'ny tendrombohitr'i Aratata ny sambo-fiara tamin'ny volana faha-fito, tamin'ny andro faha-fito ambin'ny folon'ny volana.
5
Nihena hatrany ny rano hatramin'ny volana faha-folo. Tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia niseho ny tampon'ny tendrombohitr.
6
Ary rehefa afaka efapolo andro dia novohain'i Noa ny varavarakelin'ny sambo-fiara izay namboariny.
7
Ary nandefa goaika anankiray tany ivelany izy, ary niverimberina nanidina izany ambara-pahamainan'ny rano tamin'ny tany.
8
Ary nandefa voromailala izy hizaha raha efa ritra ny rano tambonin'ny tany,
9
fa tsy nahita toerana nametrahany ny tongony ilay voromailala ka niverina tany aminy tao anatin'ilay sambo fiara satria mbola nandrakotra ny tany manontolo ny rano. Ary naninjitra ny tanany izy, ka nandray ilay voromailala ary nampiditra azy tao anaty sambo-fiara niaraka taminy.
10
Ary mbola niandry hafitoana indray izy ka nandefa ilay voromailala avy tao anaty sambo-fiara.
11
Niverina teo aminy ilay voromailala nony hariva. Indro! nisy ravin'oliva maitso vao notangosana teo ambavan'ilay voromailala. Koa dia fantatr'i Noa fa efa nidina ny rano tambonin'ny tany.
12
Mbola niandry hafitoana, izy ka namoaka ilay voromailala indray. Tsy niverina teo aminy intsony ilay vorona.