1
Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2
Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy.
3
Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony.
4
Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany.
5
Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha.
6
Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika.
7
Ary tao aorian'izay dia nitsiriritra an'i Josefa ny vadin'ny tompony. Hoy izy hoe: “Mandria miaraka amiko.”
8
Fa nandà izy ka niteny tamin'ny vadin'ny tompony hoe: “Indro, ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano, ary nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy.
9
Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity. Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy, satria vadiny ianao. Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?”
10
Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy, saingy nandà tsy hiara-handry aminy na hiaraka aminy izy.