Toko 7

1 ka mitsara, la tsy hotsara nareo. 2 Fa amin'ny fitsara nataonareo, ro hitsara gnanareo, voho amin'ny fandresea andreseanareo, ro handresea gnanareo. 3 Nagnino iha ro manenty gny singa-mololo zay ao agnatin'ny fijerin'ny rahalahinao, nefa tsy tsikarikao gny andry ao agnaty fijerinao? 4 Manao akory ro hiresahanao gny rahalahinao hoe: “Engao aho hangalaky gny singa-mololo zay ao agnaty fijerinao, laha mbo ao agnatin'ny fijerinao gny andry? 5 Ry mpihatsaravelatsihy! Alao aloha gny andry zay ao agnaty fijerinao, voho bakeo hahita soa lafa mangalaky gny singa-molo zay eo amin'ny fijerin'ny rahalahinao.

6 Ka amea gny alika zay masy, voho ka hatoraky eo agnatrehan'ny koso gny vatosoanareo. Laha tsy io la mety ho voahitsany gny tombon-drozy, voho bakeo hifotitsy voho hamiravira gnanareo amin'ny fahapoteha.

7 Mangataha, la hamea gnanareo io. Mila, la hahajery nareo. Dondony, fa hisokatsy ho gnanareo io. 8 Fa ze iaby zae mila la mahajery, voho ho gnan'ny gnolo mandondo, la ho voha.

9 Sa ia aminareo, laha angatahan'ny gnanany mofo, ro hanolotsy vato gno gnazy? 10 Na koa laha nangatahany fia, ka hanolotsy bibilava gnazy? 11 Nohon'io, laha nareo zay raty ka mahay magnome reo fagnomeza zay soa ho gnan'ny anakareo, moa tsy bevata mandilatsy va gny raha soa amean'ny Babanareo zay agny an-dagnitsy ho gnan'ireo zay mangataky Aminy?

12 Nohon'io, ndra ino ino raha tianareo ho ataon'ny olo amin'ny vatanareo, la tokony hanao manahaky gnan'io avao koa nareo, fa io ro lalagna voho reo mpaminany.

13 Milira amin'ny vavahady tery. Fa bevata gny vavahady voho malalaky gny lala manday agny amin'ny fahavereza, voho maro reo olo zay mandeha amin'io. 14 fa tery gny vavahady voho sarotsy gny lala zay mitariky magnagny amin'ny fiaigna, voho tsy ampy reo ze mahita gnan'io.

15 Mitandrema amin'ireo mpaminany sandoky, zay mamonjy gnanareo amin'ny fisikignan'aondry nefa alika lia tena mpihaza. 16 Amin'ny alalan'ny voany ro hahaizanareo gnan-drozy. Mihaza voaloboky egny amin'ny fatiky va gn'olo, na koa aviavy egny amin'ny songosongo? 17 Mitovy amin'io, gny hazo soa iaby la mamokatsy voa soa, fa gny hazo raty la momakatsy voa raty. 18 Gny hazo soa la tsy afaky gny hamoaky voa raty, na koa gny hazo raty la tsy afaky mamokatsy voa soa. 19 Gny hazo iaby zay tsy mamokatsy voa soa la tapahy voho atoraky agny agnaty bolo. 20 Ka nohon'io, ho hainareo rozy amin'ny alalan'ny voany.

21 Tsy reo iaby zay miresaky amiko hoe: “Tompo, Tompo, la hilitsy gny fanjakany gny lagnitsy, fa reo zay manao gny sitrapon'ny Babako zay agny an-dagnitsy avao. 22 Maro reo olo hiresaky amiko amin'io andro io hoe: “Tompo Tompo, tsy fa naminany tamin'ny agnaranao va rahay, tsy fa namoaky reo demonia tamin'ny agnaranao, voho nanao reo asa bevata tamin'ny agnaranao? 23 Bakeo Aho hagnambara amin-drozy ampahibemaso hoe: “tsy mahay gnanareo mihitsy Aho! Miala lavitsy, ry mpanao raty.

24 Nohon'io, reo iBy zay mahare gny safako voho mankato gnan'io la manahaky gn'olo hendry zay nagnory gny tragnony egny agnabon'ny vatolampy. 25 Nirotsaky gn'ora, avy gny tondra-drano, voho nifofofo voho namely gny tragno gny tsioky, fa tsy nilavo io, fotony naory teo agnabony vatolampy. 26 Fa gny olo iaby zay mahare reo safako ka tsy mankato gnazy la manahaky gn'olo adala zay magnory gny tragnony egny agnabo fasy. 27 Nirotsaky gn'ora, avy gny tondra-drano, voho nifofofo voho namely gny tragno gny tsioky, ka la nilavo io, voho feno gny faharava.”

28 Sady lafa avy nagnamabara reo safa reo Jesosy, tandregna tamin'ny fampianarany reo fokonolo, 29 fotony nampianatsy gnan-drozy manahaky gn'olo zay mana fahefa Ie, fa tsy manahaky reo mpanora-dalagnan-drozy.