Toko 6

1 Mitandrema mba tsy hanao gny asan'ny fahamarinanareo eo agnatrehan'ny olo nareo mba ho hitan-drozy, fa laha tsy io hahazo gny valisoa bakagny amin'ny Rainareo ze agny an-dagnitsy. 2 Nohon'io lafa mahare fihantra nareo, la ka mitsoky trompetra misariky gny hafa manahaky gny ataon'ny mpiatsara velatsy agny amin'ny synagoga voho egny amin'ny lala, ka mba mety nahazo gny fandrengeany gn'olo rozy. 3 fa lafa maneho fihantra nareo, ka atao hain'ny tagnanareo havia ze ataon'ny tagnanareo havana, 4 ka mba hamea mangingina gny fagnomezanareo. Bakeo gny Babanareo zay mahajery amin'ny mangingina ro hamaly soa gnanareo.

5-6 Lafa mivavaky nareo, ka manao manahaky gny mpihatsaravelatsihy, fa rozy tia mijoro voho mivavaky eo amin'ny synagoga voho eo amoron-dala, ka mba mety ho itan'olo. Resahako marina aminareo, fa rozy la fa nandramby gny valisoa ao amin'ny efi-tragnonareo. Hilio gny varavagna, la mivavaha amin'ny Babanareo zay ao amin'ny mangingina. Bakeo gny Babanareo zay mahita ao amin'ny mangingina ro hamaly soa gnanareo. 7 Lafa mivavaky nareo, ka manao safa maro tsy misy ila gnazy manahaky gny ataon'ny jentilisa, gny amin'ny fiheverany fa ho re rozy noho gny safa maro zay ataony. 8 Nohon'io, ka manao manahaky gnan-drozy, fa gny Babanareo la fa mahay reo raha ze ilanareo mialohan'ny angatahanareo Aminy. 9 Nohon'io mivavaha manahaky gnan'izao hoe: “Rainay zay agny an-danitsa, ho hamasina anie gny agnaranao.
10 Ho tonga anie gny fanjakanao. Hatao anie gny sitraponao ety an-tany tahaka gny agny an-danitsa.
11 Omeo gnanay anio gny haniny sahaza ho gnanay.
12 Mamela gny helokay, tahaka gny hamelanay zay meloky taminay.
13 Voho ka manaday gnanay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha gnanay amin'ny raty: “fa Gnanao gny fanjakana voho gny hery voho voninahitsy mandrakizay. Amen.”

14 Fa laha mamela gny hadisoany gn'olo nareo, la hamela gnanareo avao koa gny Rainareo zay agny an-dagnitsy. 15 Fa laha tsy mamela gny hadison-drozy nareo, la tsy hamela gny hadisoanareo mihintsy gny Rainareo.

16 Ankoatsizay lafa mifaly hany nareo, ka mampiseho endriky mampalahelo manahaky gnataon'ny mpiatsaravelatsihy, fa magnaraty tarehy rozy ka mba mety ho itany gn'olo fa tena mifaly hany. Resahako marina aminareo, fa fa nandramby gny valisoa rozy. 17 Fa iha, lafa mifaly hany, alao menaky gny lohanao voho sasao gny tarehinao, 18 ka mba tsy ho itan'ny hafa hoe mifaly hany, fa amin'ny Babanao zay ao amin'ny mangingina avao; voho gny Babanao zay mahajery ao amin'ny mangingina, ro hamaly soa gnanao.

19 Ka magnajary gny hanagnanareo etoy an-tany, zay simban'ny kalalao voho harafesy, voho hiliran'ireo mpangalatsy an-keriny ka hangalatsy. 20 Fa koa, hajario gny hanagnanareo agny an-dagnitsy, zay tsy ho simban'ny kalalao voho harafesy, voho tsy hiliran'ireo mpangalatsy an-keriny ka hangalatsy. 21 Fa zay misy gny hanagnanao, ro ipetraran'ny fonao avao koa.

22 Gny maso ro jiron'ny vata. Nohon'io, laha tsy soa gny fijerinao, la ho feno fahazava gny vata iaby. 23 Fa laha raty gny fijerinao, la ho feno hahiky gny vatanao manontolo. Nohon'io, laha mahiky gny fahazava zay ao agnatinao amy zao, manao akory gny habevatan'io hahiky io!

24 tsy misy afaky hanompo tompo roe, fa nalay gny raiky ie sady hitia gny raiky, laha tsy io hanolo-tena ho gnan'ny raiky halay gny raiky hafa. Iha la tsy afaky hanompo gnan-dranagnahary voho gny hanagna

25 Nohon'io resahako aminareo, ka miahiahy momba gny aianareo, zay hohaninareo na ze hinominareo- na momba gny vatanareo, zay hisikinanareo. Fa tsy bevata noho gny sakafo va gny fiaigna, voho gny vatana bevata noho gny fisikigna? 26 Jereo reo voro egny amin'ny habakabaky. Rozy la tsy mamafy na mijinja na mamory ao an-tsompitsa, fa gny Babanareo zay agny an-dagnitsy ro mamaha gnan-drozy. tsy sarobidy kokoa mandilatsy gnan'iregny va nareo? 27 Ia aminareo ro afaky magnampy hakio raiky amin'ny andro hiaignany amin'ny fanahiana?

28 Nagnino nareo ro miahy momba gny fisikinanareo? saigno gny momban'ny lilia egny amin'ny saha, akory gny fitirignan-drozy. Tsy mba miasa rozy, sady tsy mamoly fisikigna. 29 Resahako aminareo, fa ndra i Solomona aza amin'ny voninahiny manontolo la tsy nisiky manahaky gny raiky amin'iregny. 30 Laha ampisikignin-Dranagnahary manahaky gnan'io gny akata agny an-tsaha, zay iaby misy gnan'io voho hamaray la hatoraky ao am-patana, manao akory ro hampisikigna nareo bebe koakao, nareo ry kely finoa? 31 Nohon'io ka miahiahy ka milaza hoe:' Ino ro hohaniay? na hoe: Ino ro hinominay? na hoe Ino gny fisikigna hanovanay? 32 Fa henteo reo jentilisa mila reo raha reo, voho gny Babanareo zay agny an-dagnitsa la mahay fa mila gnan'ireo nareo. 33 fa katsaho aloha gny fanjakany voho gny fahamarignany la hameany gnanareo reo raha reo. 34 Nohon'io, ka miahiahy gny hamaray, fa gny hamaray hanahy gnazy. Ampy ho gnan'ny andro kirakiraiky gny raty ao aminy.