Toko 5

1 Lafa nahita reo fokonolo Jesosy, la niakatsy teo an-tendrombohitsy. Lafa tafapetraky Ie, la namonjy Gnazy reo mpianany. 2 Nanokatsy gny vavany Ie voho nampianatsy gnan-drozy, manao hoe:

3 “Sambatsy gny mahantra am-pagnahy, fa gnan-drozy gny fanjakan'ny lagnitsy.
4 Sambatsy reo misaona, fa hampionony rozy.
5 Sambatsy reo malemy fagnahy, fa rozy ro handova gny tany.
6 Sambatsy reo zay mosare voho mangetaheta gny fahamarigna, fa ho vokisa rozy.
7 Sambatsy reo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po rozy.
8 Sambatsy reo madio am-po, fa hahita gnan-Dranagnahary rozy.
9 Sambatsy reo mpampilongo, fa rozy ro atao hoe anakin-Dranagnahary.
10 Sambatsy reo zay enjehy noho gny fahamarigna, fa gnan-drozy gny fanjakan'ny lagnitsy.
11 Sambatsy nareo laha maniratsira gnanareo voho magnenjiky gnanareo gny olo, voho misafa gny karaza vandy raty iaby hanohitsy gnanareo noho gny amiko.
12 Mazotoa voho miravoravoa, fa bevata gny valisoanareo agny an-dagnitsy. fa manahaky gny fomba nagnenjehan'ny olo reo mpaminany zay niay talohanareo.

13 Nareo ro siran'ny tany. Fa laha gny sira ro manjary matsatso, amin'ny fomba manao akory ro ampasira gnan'io ndraiky? Tsy ho soa ndra amin'ino amin'ino sasy io fa haria voho hitsahin'ny tomboky gny olo tavela. 14 Nareo ro fahazavan'izao tontolo zao. Gny tana miory eo amin'ny vohitsy la tsy azo haetaky sasy. 15 tsy misy olo mamelo jiro ka mametraky gnan'io agny ambany sobiky, fa eo amin'ny fipetsahan-jiro, ka magnazava gny iaby ao an-tragn'io. 16 Ao hazava eo agnatrehan'ny olo manahaky gnan'io fomba io gny fahazavanareo voho handrengy gny Babanareo zay agny an-dagnitsy

17 ka mieritseritsy hoe avy handrava gny lalagna na reo mpaminany Aho. Tsy avy hamotiky gnan'ireo Aho, fa hagnatanteraky gnan-drozy. 18 Fa lazaiko marina aminareo fa mandra-paharavan'ny lagnitsy voho gny tany, la tsy ho rava amin'ny lalagna ndra la litera raiky voho tendron-tsoratsy raiky aza, mandra-pahatanteraky gny raha iaby. 19 Nohon'io ndra ia ia mandika ndra la kely mare amin'ireo lily reo voho mampianatsy gny hafa gnanao manahaky gnan'io la ho kaihy hoe maliniky mare ao amin'ny fanjakan'ny lagnisty. fa ndra ia ia mankato voho mampianatra gnan'ireo la ho kaihy hoe bevata ao amin'ny fanjakan'ny lagnitsy. 20 Fa lazaiko aminareo fa laha tsy mandilatsy gnan'ny mpanora-dalagna voho gny fariseo gny fahamarignanareo, la tsy hilitsy ao amin'ny fanjakan'ny lagnitsy nareo.

21 Fa renareo fa voalaza tamin-drozy taloha hoe: “ka mamono olo, sady ndra ia ia mamono olo la ho helohina agny amin'ny fitsara. 22 Fa resahako aminareo fa ze iaby masiaky amin'ny rahalahiny la mendriky gny ho heloina agny amin'ny fitsara; voho ndra ia ia misafa gny rahalahiny hoe: “Iha la olo fahatany! la ho heloina agny amin'ny filan-kevitsy; voho ndra ia ia misafa hoe: “Adala iha! la mendriky gny ho agny amin'ny farihy mirehitsy bolo. 23 Nohon'io laha manolotsy gny fagnatitsao eo amin'y alitara iha ka tiaronao teo fa mana alahelo aminao gny rahalahinao, 24 la avelao eo agnatrehan'ny alitara gny fagnatitsao, ka mandehana zory gny lalanao. Milongoa aloha amin'ny rahalahinao, voho bakeo mimpolia la atoloro gny fagnatitsao. 25 Milongoa malaky amin'ny mpiampanga gnanao laha mbo miara-dia aminy agny amin'ny fitsara iha, fa ingo gny mpiampanga gnanao hanolotsy gnanao amin'ny mpitsara, voho gny mpitsara mety hanolotsy gnanao amin'ny manam-boninahitsy, ka hatao ao an-tragno maiky iha. 26 Resahako marina aminareo, fa tsy ho afaky miboaky ao mihintsy iha mandra-pandohanao gny drala faran'ny kely mare amin'ny trosanao.

27 Fa renareo fa voalaza hoe: “Ka mijangajanga. 28 Kanefa resahako aminareo fa ze iaby mijery ampela ka magniry gnazy la fa mijangajanga tao am-pony sahady. 29 Laha manafintohy gnanao gny masonao ankavana, la alao io voho atoraho lavitsy gnanao. fa soa ho gnanao laha gny ampahany raiky amin'ny vatanao ro tokony ho simba fa tsy gny vatanao manontolo ro atoraky agny amin'ny helo. 30 Laha manafintohy gnanao gny tagnanao ankavana, la tapaho voho atoraho lavitsy hiala aminao. fa soa ho gnanao laha gny ampahany raiky amin'ny vatanao ro tokony ho trobo fa tsy gny vatanao manontolo ro atoraky agny amin'ny helo.

31 Sady lafa voalaza avao koa hoe: “Ndra ia ia misaraky amin'ny valiny, la ao ie hagnome gnazy gny taratasy fisaraham-panambadia. 32 fa Zaho koa misafa aminareo fa ze iaby misaraky amin'ny valiny, afa-tsy noho gny fijangajanga, la mampijangajanga gnazy. Ndra ia ia manambaly gnazy afaran'ny fisarahay la mijangajanga.

33 Sady koa, renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: “Ka miay fiaigna diso, fa andeso eo agnatrehan'ny Tompo gny fiaignanao. 34 Fa zaho koa miresaky aminareo, ka miay amin'ny raha iaby, na amin'ny lagnitsy aza, fa seza fiandrianan-Dranagnahary io;

35 ndra amin'ny tany, fa fipetraha-tombony io; na koa amin'ny Jerosalema, fa tanan'ny mpanjaka lehibe io.

36 Ka miay amin'ny lohanao, fa tsy afaky magnafoty na magnamainty gny singam-bolo raiky iha. 37 Fa ao gny safanao ho Eny, eny na Tsia tsia. Zay mandilatsy gnan'io la bakamin'ny lay raty.

38 Renareo fa voaresaky hoe: “Maso solon'ny maso, voho gny hy solon'ny hy. 39 Fa zaho koa miresaky aminareo hoe, ka manohitsy ze raty. Fa koa, ndra ia ia mamely gny fifinao ankavana la atoloro gnazy koa gny ilany. 40 Sady misy olo magniry gny hiaraky aminao ho agny amin'ny fitsara ka magnendaky gny ankanjonao, la engao ho gnazy avao koa gny sikinao. 41 Ndra ia ia manery gnanao andeha kilometatsy raiky, mandeha miaraky aminy amin'ny kilometatsy roe. 42 Omeo ze mangataky aminao, voho ka manda ndra ia ia magniry gny hindra aminao.

43 Fa renareo fa voaresaky hoe: “Tsy maintsy mitia gny mpiara-belo aminao iha voho magnalegna gny fahavalonao. 44 Fa resako aminareo, tiavo gny fahavalonao voho mivavaha ho gnan'izay magnenjiky gnanareo, 45 mba ho lasa anaky gny Rainareo zay agny an-dagnitsy nareo. fa Ie la mampiposaky gny masoandrozy amin'ny raty voho gny soa, voho mampilatsaky gny ora amin'ny marina voho gny tsy marina. 46 Fa laha reo ze tia gnanareo ro tiavinareo, ino ro valisoa azonareo? Moa ndra la gny mpamory hetra aza tsy mba manao manahaky gnan'io koa? 47 Laha gny rahalahinareo raiky avao ro arabanareo, ino ro mba ataonareo mandilatsy gny hafa? Moa ndra la gny jentilisa aza tsy mba manao manahaky gnan'io koa? 48 Nohon'io la tsy maintsy tanteraky nareo, manahaky gny fahatanterahan'ny Rainareo ze agny an-dagnitsy.