Toko 4

1 Bakeo Jesosy Nitarihin'ny Fagnahy ho agny agn'efitsy mba halan'ny devoly fagnahy. 2 Lafa baka nifaly hany efapolo andro voho efapolo haly Ie, la misare. 3 Namonjy gny mpangalam-pagnahy ka nivola taminy hoe: “Laha Anakin-Dranagnahary Iha, la volagno hanjary mofo reto vato reto.” 4 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Voasoratra hoe: “Tsy gny mofo avao ro hiveloman'ny gn'olo fa zay iaby aloaky gny vavan-Dranagnahary.” 5 Bakeo gny devoly nanday gnazy tagny amin'ny tana masy ka nametraky gnazy teo amin'ny faratampon'ny tempoly, 6 sady nivola taminy hoe: “Laha Anakin-Dranagnahary iha, la milavoa ambany agny, fa voasoratsy hoe: “Ie handidy reo anjeliny hiahy gnanao voho hanandratsy gnanao eo amin'ny tagnan-drozy, ka tsy ho tafintohy amin'ny vato gny tombokao.” 7 Jesosy nisafa taminy hoe: “La mbo voasoratsy ndraiky hoe: “tsy tokony hitsapa gny Tompo Ndranagnaharinao iha.”

8 Nandesin'ny devoly hagnagny amin'ny toera abo ndraiky Ie sady nampiseho gnazy gny fanjaka iaby amin'izao tontolo zao voho gny hasoan'ireo. 9 Hoy ie taminy hoe: “Reo iaby reo la hameako gnanao, laha miankohoky eto agnatrehako voho mandrengy gnahy iha.” 10 Bakeo Jesosy nisafa taminy hoe: “Miala eto iha, ry satana! fa voasoratsy hoe: “Iha la handrengy gny Tompo Ndranagnaharinao, sady Ie raiky avao ro ho topoinao.” 11 Bakeo nagnenga Gnazy gny devoly, voho ingo nisy anjely avy ka nanompo Gnazy.

12 Voho lafa jan'i Jesosy fa voasambotsy Jaona, la nimpoly nagnagny Galilia ie. 13 Nangnenga gnan'i Nazareta ie ka nandeha voho nipetraky tao Kapernoamy, zay eo amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amin'ny zara-tanin'i Zebolona voho naftaly. 14 Io ro nitrana mba hahatanteraky zay nambaran'Isaia mpaminany hoe:
15 “Gny tanin'i Zebolona voho gny tanin'i Naftaly, magnagny amin'ny ranomasina, agny an-dafin'i Jordana, Galilia gnan'ireo jentilisa!
16 Reo olo nipetraky tamin'ny maiky la nahita fahazava bevata, voho reo ze nipetraky tamin'ny faritra voho gny aloky gny fahafatesa, la teo amin-drozy ro niposahan'ny fahazava.”

17 Sady tamin'io fotoa io Jesosy la nanomboky nitory tegny voho nisafa hoe: “Mibebaha, fa fa mariniky gny fanjakan'ny lagnitsy.”

18 Laha nandeha tegny amoron'ny ranomasin'i Galilia Ie, la nahita mpirahalahy roe, Simona zay kaihy hoe Petera, voho Andrea rahalahiny, nanipy gny haratony tegny amin'ny riaky, fa mpagnarato rozy. 19 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe: “Avia, hanaraky Ahy, fa hataoko mpagnarato olo nareo. 20 Teo ro eo avao koa la nangnenga reo harato rozy ka nagnaraky Gnazy.

21 Sady laha mbo nandroso Jesosy la nahita mpirahalahy roe hafa, Jakoba anak'i Zebedio, voho Jaona rahalahiny. nagnamboatsy gny haratony tao an-tsambo rozy niaraky tamin'i zebedio baban-drozy. Nikaiky gnan-drozy Ie, 22 ka eo eo avao la nagnenga gny sambokeliny voho gny babany rozy ka nagnaraky Gnazy.

23 nandeha eran'i Galilia Jesosy, nampianatrsy tao amin'ny synagogan-drozy, nitory gny filazantsaran'ny fanjakana, voho nagnasitsa reo karazan'arety iaby mbamin'ny rofy iaby teo amin'ny olo. 24 Niely eran'i Syria gny vaovao mahakasiky Gnazy, ka la nandesin'ny olo Tagnaminy reo zay marary iaby, mararin'ny karazan'arety voho fangirifiria, reo demoniaka, voho zay mararin'ny androbe voho mararin'ny paralysisa. Nositragnin'i Jesosy rozy. 25 Fokonolo maro bakagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia voho gny bakagny an-dafin'i Jordana ro nagnaraky Gnazy.