Toko 3

1 Tamin'io andro io la nandeha nitory tagny agn'efits'i Jodia Jaona mpanao Batisa manao hoe: 2 “Mibebaha, fa fa mariniky gny fanjakan'ny Lanitry.” 3 Fa ie ro gny nambaran'i Isaia mpaminany, manao hoe: “Misy feo raiky mikaiky mare agny agn'efitsy hoe: “Amboary gny lalan'ny Tompo, ahitio gny lalany.”

4 Voho Jaona nagnisy volon-drameva voho nanao fehikibo angozy tamin'ny valahany. Galala voho tantely remby ro nataony fihinana. 5 sady jerosalema, Jodia manontolo, voho gny faritsy iaby magnodidy gny reniranon'i Jordana la namonjy gnazy. 6 Nataony batisa tegny amin'ny reniranon'i Jordana rozy, lafa niaiky gny fahotany.

7 Fa lafa nahita reo fariseo voho Sadoseo maro namonjy gnazy mba hatao batisa ie, la hoy ie tamin-drozy hoe: “Ry avorohotan'ny menarana feno poizy, ia ro nampitandrima gnanareo handositra gny fahalotoa zay ho avy? 8 Mamoaza voa mendriky gny fibebaha. 9 Voho ka mihevitra gny hivola anakam-po hoe: “Mana gnan'i Abrahama ho rainay rahay.” fa lazaiko aminareo fa ndranagnahary la mahavita mananga anaky ho gnan'i Abrahama ndra la bakamin'ireto vato reto aza. 10 Voho lafa napetraky eo am-pototrin'ny hazo gny famaky. Ka reo hazo iaby zay tsy mamoa voa soa la ho taoahy voho hatoraky agny agnaty bolo.

11 Manao batisa gnanareo amin'ny rano ho amin'ny fibebaha aho. fa mahery noho zaho ie zay avy afarako, sady tsy mendriky ahy ndra gny handay gny kapany aza. Hanao batisa gnanareo amin'ny Fagnahy masy voho gny Bolo ie. 12 Fa egny an-tagnany gny fikororohany mba hagnadiova gny famoloany voho hamory gny variny agny an-tsompitra. fa Ie la hagnoro reo akata amin'ny bolo zay tsy maty.”

13 Bakeo Jesosy bakagny Galilia avy teo amin'ny reniranon'i Jordana mba hataon'i Jaona batisa. 14 Nefa Jaona la niezaky nanaka gnazy, manao hoe: “Zaho ro mila ataonao batisa, nefa iha koa ro mamonjy ahy?” 15 Jesosy namaly voho niasa taminy hoe: “Ekeo io amizao, fa zao ro mety amintsika hahatanteraky gny fahamarina iaby.” Bakeo Jaona nagnenky gnazy.

16 Lafa vita batisa Ie, la niboaky gny rano avy hatrany Jesosy, voho ingo, nisokatsy taminy gny lagnitsy. Jeriny gny fagnahin-Dranagnahary nilitsy manahaky voromahilala no sady teo agnabony. 17 Sady ingo, nisy feo bakagny an-dagnitsy nanao hoe: “Toy ro Zanako malalako. Zay sitrako mare.”