Toko 28

1 Sady tamin'ny halin'ny Sabata, laha vao nanomboky mangiran-draty gnandro voalohany amin'ny herignandro, la lasa nandeha nanenty gny fasana Maria Magdalena voho gny Maria raiky hafa. 2 Ingo, nisy horohoron-tanybe, fa gny gny anjelin'ny Tompo ro nizotso bakagny an-dagnitsy, avy sady nagnakodia gny vato, ka nipetraky tagnabon'io. 3 Gny endriny la manahaky gny helatsy, sady gny akanjony la foty manahaky gny oram-panala. 4 Raiki-tahotsy reo mpiamby ka nanjary manahaky gny johary maty.

5 Niresaky tamin'ireo ampela gny anjely ka nanao tamin-drozy hoe: “Ka matahotsy, haiko fa mila gnan'i Jesosy nareo, gny nofantsihy tamin'ny hazofijalia. 6 Tsy ato Ie, fa fa nitsanga, araky gny fa niresahiny. Avia henteo gny toera zay nandrian'ny Tompo.

7 Mandehana malaky ka resaho reo mpianany hoe: “Nitsanga tamin'ny maty Ie. Ingo, fa nandeha nialohagnanareo agny Galilia Ie. Agny ro jerinareo Gnazy.” Ingo, fa voalazako taminareo.”

8 Nagnenga malaky gny fasana tamin-tahotsy voho tamin'ny fazotoabevata reo ampela, sady nilay mba hivola reo mpianany. 9 Ingo, nihaona tamin-drozy Jesosy sady niresaky hoe: “Arahaba!” Namonjy reo ampela, nitanjaky gny tombony sady nandrengy Gnazy. 10 Sady bakeo Jesosy niresaky tamin-drozy hoe: “Ka matahotsy. Mandehana miresaky amin'ireo rahalahiko, mba hiala ka hitanjaky gnan'i Galilia. Agny ro jerin-drozy Gnahy.”

11 Sady; aha mbo igny nandeha igny reo ampela, ingo, gny sasany tamin'ireo mpiamby nagnagny amin'ny tanan-dehibe ka nivola tamin'ny lohan'ny mpisoro gny raha iaby zay niseho. 12 Lafa nihaona tamin'ireo loholona gny mpisoro sady niresaky momban'ny olana tamin-drozy, la nagnome drala be gnan'ireo miaramila rozy 13 sady niresaky gnan-drozy hoe: “Resaho amin'ireo hafa hoe: “Avy tamin'ny andro haly reo mpianats'i Jesosy ka nangalatsy gny vatany laha mbo niroro rahay.” 14 Laha avy agny amin'ny governora io tatitsy io, la handresy lahatsy gnazy tsika sady hangala gny ahiahy aminareo.” 15 Sady la nalan'ny miaramila gny drala ka nanao araky zay fa niresaha gnazy rozy. sady tatitsy io la nieli-patrana teo amin'ireo Jiosysady nitohy mandrak'androany aza.

16 fa nagnagny Galilia reo mpianatsy folo raikamby, tagny amin'ny tendrombohitsy zay fa natoron'i Jesosy gnan-drozy. 17 Lafa nahajery Gnazy rozy, la nandrengy Gnazy, fa gny sasany koa niahiahy. 18 Namonjy gnan-drozy Jesosy ka niresaky tamin-drozy hoe: “fa namea Gnahy gny fahefa iaby agny an-dagnitsy voho etoy an-tany. 19 Ka mandehana voho ataovo tonga mpianatso gny firenena manontolo. ataovo batisa rozy amin'ny agnaran'ny ray, gny Anaky, voho gny Fagnahy Masy. 20 Ampianaro rozy hankato gny raha iaby zay nandidiako gnanareo. Ingo, miaraky aminareo avao Aho, eka fa ndra hatramin'ny fiafaran'izao tontolo zao aza.”