Toko 2

1 Tafaran'ny nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamin'ny andron'i Heroda Mpanjaka, la avy tao Jerosalema reo johary manam-pahaiza bakagny antignana nisafa hoe: 2 “Aia Gny teraka ho Mpanjakan'i Jiosy? nahajery gny Kintana bakegny antignana rahay ka avy mba handrengy gnazy.”

3 Lafa nahaja gnan'io i Heroda Mpanjaka, la nihorohoro ie, voho Jerosalema manontolo niaraky taminy. 4 Nandesin'i Heroda niaraky gny lohan'ny mpisoro iaby voho gny mpanora-dalagnan'ny gn'olo, sady nagnontany gnan-drozy ie hoe: “Aia ro hahaterahan'i Kristy?” 5 Niresaky taminy rozy hoe: “ao Betleheman'i Jodia, fa zao ro voasoratsin'ny Mpaminany hoe: 6 “fa iha, Betlehemw, agny amin'ny tanin'i Joda, la tsy kely mare amin'ireo mpitondran'i Joda, fa bakaminao ro hiavian'ny mpanapaka zay hiamby gny oloko Israely

7 Sady nikaiky antsokosoko reo johary manam-pahaiza Heroda mba hagnontany gnan-drozy mazava soa gny fotoa nipoiran'ny gny Kintana. 8 Nalefany tagny Betlthema rozy, manao he: “Mandehana voho fotoro soa gny amin'ny gny aja. Lafa hiatanareo ie, la ampilazao aho, mba ahafahako mandeha koa ka handrengy azy.”

9 Lafa naharegny safan'ny mpanjaka rozy, la lasa nandeha, sady, ingo nisy gny kintana zay jerindrozy tegny antignana ronialoha gnan-drozy mandram-pijanony teo agnabon'ny toera nisy gny aja. 10 Lafa nahajery gny kintana rozy, la nazoto tamim-pifalia bevata. 11 Nilitra tao amin'ny gny tragno rozy sady nahajery gny aja niaraky tamin'i Maria reniny. Niankohoky voho nandrengy gnazy rozy. Nanokatsy gny fipetrahan-kanagna rozy voho nanolotra fagnomeza volamena, dintin-kazo magnitsy, voho miora ho gnazy. 12 Nampitandrina gnan-drozy tamin'ny nofy Ndranagnahary mba tsy himpolian-drozy agny amin'i Heroda, ka lala hafa ro nandehan-drozy namonjy gny firenenykirakiraiky.

13 Lafa lasa rozy, la nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny alalan'ny nofy voho nisafa hoe: “Miarena, andeso gny zaza voho gny reniny, voho mandosira agny Egypta. mipetraha agny mandra-pilazako aminao, fa Heroda la sahira mila gny aja mba hamonoa gnazy.” 14 Gny halin'igny Josefa la nifoha sady nanday gny aja voho gny reniny ka nagnagny Egypta. Nipetraky tagny ie mandra-pahafatin'i Heroda. 15 Io la nagnantanteraky zay nambaran'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: “Nikaihiko hiala tagny Egypta gnanako.” 16 Bakeo Heroda, lafa nahajery fa voafitak'ireo johary manam-pahaiza, la nasiaky mare. nagniraky voho nampamono gny aja johary iaby zay latsakign'ny roe zay tao Betlehema voho tao amin'ny faritra iaby igny ie, araky gny fotoa zay nofotofotoriny mazava tamin'ireo johary manam-pahaiza. 17 Bakeo la tanteraky gny safa zay niresahy tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe:
18 “Nisy feo re tao Rama, fitagnia voho fisaognam-be, tomagny nohon'ny amy gnanany Raely, sady tsy nimety nampiegneny ie, fotony fa lasa rozy.”

19 Lafa maty Heroda, ingo, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'ny Nody sady nisafa hoe: 20 “Mifohaza voho andeso gny aja voho gny reniny ka mandehana agny amin'ny tanin'ny Israely, fa fa maty reo zay nagniry gny ain'ny aja.” 21 Nifiha Josefa, nandesiny gny aja voho gny reniny, sady nandeha tagny amin'ny tanin'i Israely.

22 Fa lafa jan'ny fa Arkelaosy ro nanjaka tagny Jodia nandimby gnan'i Heroda babany, la natahotra gny ho agny ie, tafaran'ny nampitandreman-Dranagnahary gnazy tamin'ny nofy, la niala nagnagny amin'ny faritr'i Galilia ie 23 Ka nandeha sady nipetraky tao amin'ny tana atao hoe nazareta. Io la nahatanteraky zay voalaza tamin'ny alalan'ireo mpaminany hoe: “Nazarena ro hikaiha gnazy.