Toko 10

1 Nikaihin'i Jesosy niaraky reo mpianany foo raomby sady nagnome gnan-drozy fahefa amin'ireo fagnahy maloto, mba handroaha gnan-drozy, voho hagnasitragna reo karazan'arety voho karaza fahararia iaby. 2 Sady reto iaby gny agnaran'ireo apostoly folo roamby. Gny voalohany, Simona (zay atao hoe Petera), voho Andreo rahalahiny; Jakoba anaky lahin'i Zebeda, voho Jaona rahalahiny; 3 Filipo, voho Barteleomy; Tomasy, voho Matio lay mpamory hetra; Jakoba anaky lahin'i Alfeosy, voho Tadeosy; 4 Simona lay Zelota, voho Jodasy Iskarota, lay hamadiky Gnazy.

5 Nirahin'i Jesosy rozy folo roamby. Nanoro gnan-drozy Ie sady niresaky hoe: “Ka mandeha agny amin'ny toera zay hipetrahan'ny jentilisa nareo, voho ka militsy amin'ny renivohits'ireo Samaritana. 6 fa mandehana koa agny amin'ireo aondry trobo amin'ny avorohotan'Israey; 7 Ka lafa mandeha nareo, la mitoria voho ambarao hoe: “fa mariniky gny fiavian'ny Fanjakan'ny lanitsa.” 8 Sitragno gny marary, atsangano gny maty, diovo reo boka, voho roaho reo demonia. Araky gny nahazoanareo maimaimpoana, la magnomeza avao koa maimaimpoana, 9 Ka manday volamena, volafoty, na saba ao amin'ny kitapon-dralanareo. 10 Ka manday kitapom-batsy aminizay andehananareo, na fisikina hafa, na kapa, na tehy, fa gny moiasa la mendriky hahazo gny sakafony. 11 Ndra ino ino tanan-dehibe na tana kely hiliranareo, ilao zay mendriky ao, voho mipetraha ao mandra-pialanareo. 12 Laha vao militsy ao amin'ny gny tragno nareo, la miaraba gny ao. Laha mendriky gny tragno, la ao gny fiadagnanareo ho avy ao. 13 fa laha tsy mendriky koa io, la ao gny fiadagna himpoly aminareo. 14 Ho gnan'ireo zay tsy mandramby gnanareo na tsy mijanjy gny safanareo, la ahintsagno gny vovoky amin'ny tombokareo, lafa miainga amin'io tragno na tanan-dehibe io nareo. 15 Resahako marina aminareo, fa ho moramora tokoa gnan'ny tanin'i Sodoma voho Gomora amin'ny fitsara nohon'io tanan-dehibe io.

16 Ingo, handefa gnanareo manahaky gny aondry eo agnivon'ny alika lia Aho, ka hendre manahaky gny menarana voho tsy manan-tsiny manahaky gny voromahilala. 17 Mitandrema gny amin'ny olo! Hanolotsy gnanareo eo amin'ny filan-kevitsy rozy, voho hikapoky gnanareo ao amin'ny Synagogan-drozy. 18 Bakeo la handesy magnatriky gny governora voho gny mpanjaka nareo noho gny Amiko, mba ho vavolombelo ho gnan-drozy voho ho gnan'ireo jentilisa. 19 Lafa manolotsy gnanareo rozy, la ka mana ahiahy gny amin'ny hoe manao akory na ino ro ho resahanareo, fa hamea gnanareo amin'io ora io zay tokony ho resaha. 20 Fa tsy nareo ro hiresaky, fa gny Fagnahin'ny gny Babanareo ro hiresaky ao aminareo. 21 Gny rahalahy la hanolotsy gny rahalahiny ho amin'ny fahafatesa, voho gny baba la gny anany. Gn anaky la hitsanga hanohitsy gny ray aman-dreny ka hahatonga gny fahafatesan-rozy. 22 Ho halany gn'olo iaby nareo noho gny amy gny agnarako. Fa na ia ia miaritsy hatramin'ny farany, la ho voavonjy io olo io. 23 Lafa magnenjiky gnanareo ao amin'io tanan-dehibe io rozy, la mandositsy agny amin'ny magnaraky, fa resahako maria aminareo, fa tsy hahatapitsy reo tanan'Israely mialohan'ny hiavian'ny anak'olo nareo.

24 Gny mpianatsy la tsy bevata noho gny mpaminany, na gny mpanompo ho agnabo noho gny tompony. 25 Ampy ho gnan'ny mpianatsy laha avy manahaky mpampianatsy ie, voho gny mpanompo manahaky gy tompony. Laha kaihin-drozy hoe Belzeboba gny tompon'ny tragno, la ho raty lavitsy manao akory reo agnara hikaian-drozy gny isam-piankohona!

26 Nohon'io ka matahotsy gnan-drozy, fa tsy hisy tako zay tsy hiseho, sady raha mietaky zay tsy ho hay. 27 Zay resahako gnanareo ao amin'ny hahiky, la resaho amin'ny andro mazava, voho zay bisibisiky renareo amin'ny sofinareo, la torio egny agnabo tompon-tragno. 28 Ka matahotsy gnan'ireo zay mamono gny vata kanefa tsy afaky mamono gny fagnahy, Fa koa, matahora gnan'izay afaky mamotiky gny fagnahy voho gny vata agny amin'ny helo. 29 Moa va tsy drala maliniky ro hamarota foly roe? Fa mbo tsy misy ndra raiky amin-drozy aza milavo amin'ny tany laha tsy misy gny fahalalan'ny Babanareo. 30 Fa gny volon-dohanareo aza voaisa iaby. 31 ka matahotsy. Manan-danja bebe tokoa noho gny foly maro nareo. 32 Nohon'io zay iaby magnenky Ahy eo agnatrehan'ny olo, la ho ekeko avao koa eo agnatrehan'ny Babako zay agny an-dagnitsa. 33 Fa zay manda Ahy eo agnatrehan'ny olo koa, la ho toheriko avao koa eo agnatrehan'ny Babako zay agny an-danitsa.

34 Ka mieritseritsy fa Zaho la avy handay fiadagna eto an-tany. Tsy avy mba handay fiadagna Aho, fa Sabatsy. 35 Fa avy aho hagnasaraky gny anaky lahy amin'ny babany, voho gny anaky ampela amin'ny reniny, voho gny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. 36 Reo zay ao an-tokantranony avao ro ho lasa fahavalony gn'olo. 37 Zay tia tokoa gny ry na reny mandilatsy Ahy la tsy mendriky Ahy; voho zay tia tokoa gny anaky lahy na anaky ampela mandilatsy Ahy la mendriky Ahy. 38 Zay tsy mandramby gny hazo fijaliany ka magnaraky Ahy la tsy mendriky Ahy. 39 Zay mamonjy gnainy la hahatrobo gnan'io. fa zay mahatrobo gnainy noho gny amiko la hahajery gnan'io.

40 Zay mandramby gnanareo la mandramby Ahy, voho zay mandramby Ahy la mandramby gny nagniraky Ahy avao koa. 41 zay mandramby gny mpaminany sotony mpaminany ie la nahazo gny valisoan'ny mpaminany, voho zay mandramby gn'olo to fotony olo-to ie la hahazo gny valisan'ny olo-to. 42 Ndra ia ia magnome gny raiky amin'iregny maliniky mare regny, ndra la rano manintsy kopy raiky hinomy aza, fotony ie mpianatsy, la resahako marina aminareo fa, tsy ho trobo gny valisoany.”