Genesis 46

Genesis 46:5

Iza no nankany Egypta niaraka tamin'Israely?

Israely sy ireo taranany no niaraka taminy nandeha tany Egypta.

Genesis 46:12

Iza ny roa tamin'ireo zanaka lahin'i Joda maty tany amin'ny tany Kanana?

Era sy Onana no maty tany amin'ny tany Kanana.

Genesis 46:26

Olona avy amin'ny ankohonan'i Jakoba firy no tonga tany Egypta?

Olona avy amin'ny ankohonan'i Jakoba fitopolo no tonga tany Egypta.

Genesis 46:28

Inona no nataon'i Josefa mba hitsenany ny rainy?

Niakatra tamin'ny kalesiny ary nitsena an'i Israely rainy tany Gosena i Josefa.

Inona no nataon'i Josefa rehefa nahita ny rainy izy?

Namihina ny hatoky ny rainy ary nitomany naharitra ela i Josefa.

Genesis 46:33

Inona no nolazain'i Josefa tamin'ireo rahalahy mba ho lazaina amin'i Farao mahakasika ny asan'izy ireo?

Tokony nilaza tamin'i Farao ireo rahalahy fa mpiandry biby fiompy hatramin'ny fahatanorana izy ireo.