Nanolotra Lota mba hitoetra ao an-tranony izy ireo mandritra ny alina, ary dia handeha izy ireo ny maraina.
Nilaza ireo anjely fa handany ny alina any amin'ny kianjan'ny tanàna izy ireo.
Farany, dia niaraka tamin'i Lota tany an-tranony nandritra ny alina ireo anjely.
Tian'ireo lehilahy hamoaka ireo lehilahy roa izay nitsidika azy i Lota, mba ahafahan'izy ireo miara-mandry amin'izy ireo.
Nanolotra ireo zanany roavavy tamin'ireo lehilahin'ny tanàna ho solon'ireo mpitsidika roa i Lota.
Nilaza tamin'i Lota ireo lehilahy mba hijanona aoriana ary efa hamotika ny varavarana izy ireo.
Nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano ary namely ireo lehilahy tany ivelany tamin'ny hajambana ireo anjely.
Nilaza ireo anjely fa nirahina mba handrava ny tanàna izy ireo.
Nihevitra ireo vinanto lahin'i Lota fa nivazivazy i Lota.
Nilaza an'i Lota mba hitondra ny vadiny sy ireo zanany vavy ary hiala ao amin'ny tanàna ireo anjely.
Nandefa azy ireo nivoaka ny tanàna ireo anjely satria feno indra-fo tamin'izy ireo Yaveh.
Nilaza an'i Lota sy ny fianakaviany mba handositra ho an'ny ain'izy ireo ary tsy hitodika ireo anjely.
Navela handositra tany amin'ny tanàna kely antsoina hoe Zoara i Lota sy ny fianakaviany.
Nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh.
Niherika ny vadin'i Lota, ka tonga vongan-tsira izy.
Nahita setroka niakatra avy tamin'ny tany tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe Abrahama.
Dia nifindra tany amin'ireo tendrombohitra i Lota satria natahotra ny hipetraka tao Zoara izy.
Nitetika ny hahamamo ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota, avy eo dia handry hiaraka aminy mba hanan-janaka izy ireo.
Ny vondron'olona Moabita sy Amonita no avy amin'ireo zanaka vavin'i Lota.