Nilaza tamin'i Abrama mba tsy hatahotra Yaveh, ary fa hoe Izy no ampingan'i Abrama sy valisoa lehibe tokoa.
Natahotra Abrama satria tsy mbola nanan-janaka izy, ary ny mpitatan-draharahany no mpandova azy.
Nilaza Yaveh fa olona avy amin'ny vatan'i Abrama ihany no ho mpandova azy.
Nilaza Yaveh fa hanan-taranaka maro tahaka ny kintana i Abrama.
Nino an'i Yaveh i Abrama, ka nisainy ho fahamarinana ho an'i Abrama izany.
Nanontany an'i Yaveh i Abrama hoe: "Ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?''
Notapahin'i Abrama roa ireo biby ary napetrany nifanila avy izany.
Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy.
Nilaza tamin'i Abrama i Yaveh fa ireo taranany dia ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona.
Nilaza Yaveh fa hitsara izany firenena izany Izy.
Nilaza Yaveh fa ho faty am-piadanana amin'ny fahanterany tokoa Abrama.
Ny fahotan'ireo Amorita no hahatratra ny fetrany nialohan'ny niverenan'ireo taranak'i Abrama.
Nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany.
Nanao fanekena tamin'i Abrama i Yaveh fa hanome izany tany izany ho an'ireo taranak'i Abrama Izy.