Genesis 14

Genesis 14:10

Inona no nitranga tao Sodoma vokatry ny adin'ireo mpanjaka tao amin'ny lohasahan'i Sidima?

Ireo haren'i Sodoma rehetra dia nalaina, ary Lota sy ny fananany rehetra ihany koa dia nalaina.

Genesis 14:13

Inona no nataon'i Abrama rehefa nolazaina izy fa nalaina i Lota?

Nanangona ireo lehilahiny 318 voahofana mba hanenjika azy ireo Abrama.

Genesis 14:15

Akaikin'ny tanàna lehibe inona no niadian'i Abrama tamin'ireo mpanjaka, ary inona no vokatry ny ady?

Niady tamin'ireo mpanjaka teo avaratr'i Damaskosy i Abrama, ary nentiny niverina ireo fananana, i Lota, ary ny olona hafa.

Genesis 14:17

Mpanjaka roa iza avy no nihaona tamin'i Abrama rehefa niverina izy?

Ny mpanjakan'i Sodoma sy Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, no nihaona tamin'i Abrama rehefa niverina izy.

Inona no fifandraisan'i Melkizedeka sy Andriamanitra?

Mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra i Melkizedeka.

Inona no nentin'i Melkizedeka niaraka taminy rehefa nihaona tamin'i Abrama izy?

Nitondra mofo sy divay niaraka taminy i Melkizedeka rehefa nihaona tamin'i Abrama izy.

Genesis 14:19

Inona no nolazain'i Melkizedeka tamin'i Abrama?

Nitso-drano an'i Abrama, sy nisaotra an'Andriamanitra Avo Indrindra i Melkizedeka.

Inona no nataon'i Abrama rehefa avy niresaka taminy Melkizedeka?

Nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zava-drehetra.

Genesis 14:21

Inona no fifanarahana nataon'ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama?

Nanolotra ny hamela an'i Abrama hitana ny hareny rehetra ny mpanjakan'i Sodoma, raha nanome ny olona ho an'ny mpanjaka i Abrama.

Nahoana no tsy tia tamin'ireo fananana i Abrama?

Nanandra-tanana tamin'i Yaveh, Andriamanitra Avo indrindra Abrama, ary tsy tiany ny mpanjakan'i Sodoma ho afaka milaza fa naha-mpanan-karena an'i Abrama izy.

Ahoana no namalian'i Abrama ny tolotry ny mpanjakan'i Sodoma?

Nilaza Abrama fa tsy tia izay fananana, afa-tsy ny zatovolahy izay nihinana sy nizara ho an'ny lehilahy izay niaraka taminy ihany izy.