Niteny an'i Abrama mba hiala ao amin'ny tokantranon-drainy ka handeha any amin'ny tany izay tiany aseho an'i Abrama i Yaveh.
Nampanatena i Yaveh fa hitahy an'i Abrama, hanao azy ho firenena lehibe, ary hitahy ny fianakaviany rehetra eto an-tany amin'ny alalany.
Nandeha niaraka tamin'i Saray, vadiny, ary Lota, zanaka lahin'ny rahalahiny i Abrama.
Nandeha nankany amin'ny tany Kanana i Abrama.
Nampanantena Yaveh fa hitoetra ao Kanana ireo taranak'i Abrama.
Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh sy niantso ny anaran'i Yaveh i Abrama.
Niala tao Kanana, dia nankany Egypta i Abrama.
Niahiahy Abrama fandrao hamono azy ary haka an'i Saray vadiny ireo Egyptiana satria tsara tarehy izy.
Nasian'i Abrama hilaza amin'ireo Egyptiana i Saray fa anabavin'i Abrama izy.
Nalain'i Farao tao an-tokantranony i Saray.
Nampahory an'i Farao sy ny ankohonany tamin'ny loza lehibe Yaveh.
Nanontany an'i Abrama i Farao hoe nahoana no nilaza izy fa anabaviny Saray fa tsy vadiny.
Nandroaka an'i Abrama sy Saray i Farao.