Genesis 50

Genesis 50:1

nihohoka teo amin'ny tavan'ny

Ny teny hoe "nihohoka" dia fomba fiteny ilazana ny nianjera. DH: "koa dia niankohoka tamin'alahelo teo amin-drainy izy"

ireo mpitsabo mpanompony

"ireo mpanompony izay mikarakara ny faty"

hamono ny rainy

Ny "mamono" dia fomba manokana atao hitehirizana ny faty mialohan'ny handevenana azy. DH: "hikarakara ny fatin-drainy"

Naka efa-polo andro izy ireo

"Naka 40 andro izy ireo"

fito-polo andro

"70 andro"

Genesis 50:4

ny andro fisaonana

"ny andron'ny fisaonana azy" na "andro fitomaniana azy"

niresaka tamin'ny tao an-tranon'i Farao i Josefa

tao an-dapan'i Farao. DH: "Niresaka tamin'ireo mpanapak'i Farao i Josefa"

Raha mba efa nahita sitraka teo imasonareo aho

Ny andian-teny "teo imasonareo" dia sarinteny ilazana ny fisainana sy ny eritreritr'i Jakoba. DH: "Raha mahita sitraka eo aminareo aho" na "raha faly amiko ianao" (UDB)

nahita sitraka

Izany dia fomba fiteny midika fa ny olona iray dia manaiky ny olona iray hafa.

dia mba lazao re Farao hoe: 5'Efa nampianiana ahy ny raiko, niteny hoe: ''Indro, efa ho faty aho. Haleveno ao amin'ny fasana izay efa nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana aho. Any no handevenanao ahy." Ankehitriny avelao aho hiakatra ary handevina ny raiko, ary hiverina aho avy eo.'

Farango roa sosona na telo izany. Afaka atao izany hoe: DH: "Mba lazao an'i Farao fa nihaniana tamiko ny raiko ny mba handevenako azy any amin'ny fasna izay nohadiany ho azy any amin'ny tany Kanana. Mba anontanio i Farao mba hamela ahy handevina ny raiko, dia hiverina indray aho"

Indro, efa ho faty aho

"Indro, efa akaiky ny andro hafatesako"

avelao aho hiakatra

Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any amin'ny Egypta mankany Kanana.

Farao namaly

Milaza izany fa ny niresaka tamin'i Farao ny mpikambana ao amin'ny mpanapaka, ary izao i Farao dia miresaka amin'i Josefa.

araka ny nampianianany anao

"tahaka ny nihaniananao tamiko"

Genesis 50:7

Niakatra (...) Josefa

Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any amin'ny Egypta mankany Kanana.

mpanapak'i Farao rehetra ... lehiben'ny mpanapaka rehetra tao amin'ny tany Egypta

Ireo mpitarika manan-danja an'i Farao dia nanatrika ny fandevenana avokoa.

mpanapaka

Izany dia olona mpanolotsaina ao an-dapa.

ireo olona ambony tao an-dapany

Eto ny "lapa" dia ilazana ny lapan'i Farao.

amin'ny tany Egypta, mbamin'ireo ankohonan'i Josefa sy ireo rahalahiny rehetra, ary ny ankohonan-drainy

Afaka adika ho andian-teny vaovao izany: "tanin'i Egypta, sy ireo ankohonan-drainy izay nandeha niaraka taminy"

ankohonan'i Josefa ... ankohonan-drainy

Eto ny "ankohonana" dia ilazana ireo fianakaviany.

Kalesy

Eto izany dia ilazana ny olona mitaingin-kalesa.

Genesis 50:10

Rehefa tonga (...) izy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia ilazana ireo mpandray anjara tamin'ny fandevenana.

famoloanan'i Goren'atada

Ireo mety ho heviny dia 1) Ny teny hoe "Goren'atada" dia midika hoe "tsilo" ary mety ilazana toerana izay misy tsilo maro maniry, na 2)mety ho anaran'ny olona izay tompon'ny tanin-tsilo izany.

nisaona mafy sy tamin'ny fahoriana lehibe izy ireo

"tena nalahelo mafy izy ireo ary nisaona tokoa"

fito andro

"7 andro"

famoloanan'i Goren'atada

"tany amin'ny tanin-tsilo any Goren'atada"

Fotoana tena mampalahelo ho an'ireo Egyptiana izao

"Mafy loatra ireo fisaonan'ireo Egyptiana"

Abela-Mizraima

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarinana ambany pejy milaza hoe: " Ny anarana hoe "Abela-Mizraima" dia midika hoe "fisaonan'i Egypta."

Genesis 50:12

ireo zanany lahy

"koa reo zanak'i Jakoba lahy"

araka izay nandidiany azy ireo

"tahaka izay nandidiany azy ireo"

Nolanjain'ireo zanany lahy (...) izy

"Nalain'ireo zanany lahy ny fatiny"

Makpela

Anaran'ilay toerana na faritra izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

Mamre

Anarana hafa iantsoana ny tanànan'i Hebrona izany. Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ireo hazo terebinta izany, izay naman'i Abrahama nipetraka tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16.

Efrona Hetita

Anaran-dehilahy izany. Ny "Hetita" dia midika hoe "taranak'i Heta". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:7.

niverina tany Egypta i Josefa

"niverina nankany Egypta i Josefa"

ireo rehetra izay niaraka taminy

"ireo rehetra izay nandeha niaraka taminy"

Genesis 50:15

Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa

Eto ny hatezerana dia resahina toy ny zavatra izay azon'i Josefa tazomina eny an-tanana. DH: " ahoana tokoa raha mbola tezitra amintsika i Josefa"

te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy

Ny mamaly faty ny olona izay nandratra azy dia resahina toy ny olona izay manefa amin'ny olona iray izay nataony. DH: "te hamaly faty ny amin'ny zava-dratsy izay nataontsika taminy"

Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe: 'Lazao amin'i Josefa izao: "Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.'"

Izany dia farango misosona roa na telo. Afaka atao izany hoe: DH: "Nananatra antsika ny raintsika talohan'ny nahafatesany ny mba hamelana ny ratsy izay nataonay taminao"

Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe

I Jakoba dia rain'ireo mpirahalahy rehetra. Eto izy ireo dia miteny hoe "ny rainao" mba hanindrina fa tokony hanaraka tsara izay nolazain-drainy i Josefa. DH: "mialohan'ny nahafatesan'ny raintsika dia nilaza izy hoe"

sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao

"tamin'ny zava-dratsy izay nataon'izy ireo anao"

Ary

Tsy midika izany hoe "ankehitriny" fa natao mba hisarihana ny fifantohantsika amin'ny teboka manan-danja manaraka.

Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao

Manondro ny tenany amin'ny "mpanompon'Andriamanitry ny rainao" ireo rahalahiny. Afaka atao izany hoe: DH: "Mba mamela re anay, mpanompon'Andriamanitry ny rainao"

Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo

"Nitomany i Josefa raha nandre ny hafatr'izy ireo"

Genesis 50:18

nanohoka ny tavany teo anatrehany

Nanohoka ny tavany tamin'ny tany teo anatrehany. Fanehoana fanetre-tena sy fanajana an'i Josefa izany."

Moa eo amin'ny toeran' Andriamanitra ve aho?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hampiononana ireo rahalahiny. DH: "tsy afaka maka ny toeran'Andriamanitra aho" na "tsy Andriamanitra aho"

nihevitra ny hanao ratsy ahy

nihevitra ny hanao ratsy hanohitra ahy

nefa Andriamanitra dia nihevitra izany ho amin'ny tsara

"nanana fikasana tsara Andriamanitra"

Koa ankehitriny aza matahotra

"koa aza matahotra ahy"

Hamatsy anareo sy ny zaza madinikareo aho

"hanao izay hahazoako antoka hatrany aho fa ampy sakafo ianareo sy ireo zanakareo"

Nampionona azy ireo toy izany izy ary niresaka tam-pitiavana tamin'ny fon'izy ireo

"Nampionina azy ireo tamin'ny firesahana tamim-pitiavana tamin'izy ireo izy"

Genesis 50:22

folo amby zato taona

"110 taona"

zanak'i Efraima hatramin'ny taranaka fahatelo

"zanak'i Efraima hatramin'ireo zafiny" (UDB)

Makira

Anaran'ny zafikelin'i Josefa izany.

izay natsangan'i Josefa

izay napetraka teo am-pofoan'i Josefa.

Genesis 50:24

tonga aminareo tokoa

Ao amin'ny 50:24 ny "ianareo" dia ilazana ireo rahalahin'i Josefa, fa eto dia ilazana ireo taranany.

hitarika anareo hiala eto amin'ity tany ity

Efa mahazatra ny mampiasa ny miakatra rehefa miresaka ny mandeha mankany amin'ny tany Egypta mankany amin'ny tany Kanana. DH: "hitondra anareo hivoaka ity tanàna ity ary hitondra anareo any amin'ny tany"

namono azy izy ireo

Ny "mamono" dia fomba manokana atao hitehirizana ny faty mialohan'ny handevenana azy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 50:1.

napetraka tao

Afaka atao izany hoe: DH: "nametraka azy ireo"

tao anaty vatam-paty

"tao anaty vata paty" na "tao anaty vata" Vata izay asiana ny fatin'ny olona izany.