Genesis 46

Genesis 46:1

nankany Beri-sheba

"tonga tany Beri-sheba"

Inty aho

"Eny, mihaino anao aho"

hidina ho any Egypta

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "midina" rehefa miresaka ny mandeha mankany Kanana ho any Egypta.

fa hataoko firenena lehibe any ianao

Eto ny "ianao" dia ilazana an'i Jakoba. Ilazana ireo taranak'Israely izay ho tonga firenen-dehibe izany. DH: "Hanome anao taranaka maro aho, ary ho tonga firenen-dehibe izy ireo"

any Egypta

"ho any Egypta"

Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa

Natao ho an'i Jakoba ny fampanantenana, kanefa izany dia ho tanteraka amin'ireo tarak'Israely rehetra. DH: "hitondra ireo taranak'Israely mivoaka an'i Egypta indray aho"

hitondra anao hiverina hiakatra indray

Efa mahazatra ny mampiasa ny teny hoe "miakatra" rehefa miresaka ny mandeha avy any Egypta mankany Kanana.

ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany

Ny andian-teny "manirina ny masonao amin'ny tanany" dia fomba filaza fa hanatrika ny fahafatesan'i Israely i Josefa ary izy nohanirina ny masony amin'ny fotoana hafatesany. DH: "Ary na i Josefa aza dia hanatrika eo amin'ny fotoana hahfatesanao"

hanirina ny masonao

Fomba ny manakipy ny hodi-maso rehefa misy olona maty ka mihiratra ny masony. Afaka atao mazava ny tena dikan'izany fanambarana izany.

Genesis 46:5

Niarina tao

"niala tao"

tamin'ny kalesy

ny "kalesy" dia sarety fitaterana misy kodiarana roa na efatra. Biby no mitarika ireo kalesy. Jereo ny nandikanao ny "kalesy" ao amin'ny 45:19.

izay efa azony

"izay nangon'izy ireo" (UDB) na "izay azon'izy ireo"

Nentiny niaraka taminy

"Nentin'i Jakoba niaraka taminy"

ireo zafiny lahy

"ireo zafikeliny lahy"

ireo zafiny vavy

"ireo zafikeliny vavy"

Genesis 46:8

Ireto no anaran'ny

Ilazana ireo anaran'olona izay ho tanisain'ny mpanoratra izany

an'ny zanak'Israely

"an'ny fianakavian'Israely"

Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy ... Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, ... Gersona, Kehata, Merary

Anaran-dehilahy ireo.

Genesis 46:12

Era, Onana, Sela

Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda tamin'i Soa vadiny izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:3.

Fareza, ary Zera

Anaran'ireo zanaka lahin'i Joda tamin'i Tamara vinantovaviny ireo. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 38:29.

Hezrona ... Hamola ...Tola ... Pova sy Joba ... Simrona ... Sereda sy Elona ...Jahalela

Anaran-dehilahy avokoa ireo.

Dina

Anaran'ny zanakavavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:19.

Niisa telo amby telo-polo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy

Eto ny "zanakalahy"sy "zanakavavy" dia ilazana ireo zanaka lahy sy zanaka vavy, sy zafikelin'i Jakoba tamin'i Lea. DH: "Ny fitambaran'izy ireo dia 33 ny zanany lahy sy ny zanany vavy ary ireo zafiny"

Genesis 46:16

Zifiona ... Hagy ... Sony ... Ezbona ... Ery ... Aroda ... Arely ... Jimna ... Jisva ... Jisvy ... Beria ... Hebera ... Malkiela

Anaran-dehilahy ireo.

Sera

Anaram-behivavy izany.

Zilpa

Anaran'ny mpanompovavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.

Ireo no zanany lahy naterany tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo no fitambarany

Ilazana ireo zaza 16 izany, ireo zafikely sy ireo zafiafy izay mifandray amin'i Zilpa.

Genesis 46:19

Asenata

"Asenata" no anaran'ilay vehivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

Potifera

"Potifera" no rain'i Asenata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

mpisorona tao Ona

Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.

Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda

Anaran-dehilahy ireo.

efatra ambin'ny folo no fitambarany

Ilazana ireo zaza 14 izany, ireo zafikely sy ireo zafiafy izay mifandray amin'i Rahely.

Genesis 46:23

Hosima ... Jaziela, Gony, Jezera, ... Silema

Anaran-dehilahy ireo.

Bila

Anaran'ny mpanompovavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:28.

fito ny fitambarany

Ilazana ireo zaza 7 izany, ireo zafikely izay mifandray amin'i Bila.

Genesis 46:26

enina amby enim-polo

"66"

Fito-polo

"70"

Genesis 46:28

mba hanoro lalana azy ho any Gosena

"mba hanoro azy ireo ny lalana azy ho any Gosena"

Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra

Eto ny "Josefa" dia ilazana an'ireo mpanompony. DH: "Nanomana ny kalesiny ireo mpanompon'i Josefa sy i Josefa ary lasa niakatra"

lasa niakatra nitsena an'Israely

Ny andian-teny "lasa niakatra" dia nampiasaina satria i Josefa dia nandeha niakatra ambonimbony kokoa mba hihaona amin'ny rainy. DH: "nandeha nihaona amin'i Israely"

namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony

"nametraka ny sadriny teo amin-drainy, ary nitompany ela teo"

Aoka ho faty amin'izay aho

"Vonona ny ho faty aho ankehitriny" na "ankehitriny dia ho faty am-piadanana aho" na "ankehitriny dia ho faty am-pifaliana aho"

satria efa nahita ny tavanao, fa mbola velona ianao

Eto ny "tava" dia ilazana ny olona manontolo. Naneho ny hafaliany ny amin'ny fahitana an'i Jakoba i Josefa. DH: "satria efa nahita anao velona indray aho"

Genesis 46:31

ireo ankohonan-drainy

Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian-drainy" na "ny ankohonan-drainy"

Hiakatra aho ary hilaza amin'i Farao

Efa mahazatra ny mampiasa ny andian-teny hoe "miakatra" rehefa milaza ny olona izay mandeha hiresaka amin'ny olona manana fahefana ambony. DH: "Handeha hiteny amin'i Farao aho"

hilaza amin'i Farao, ka hiteny hoe: 'Efa tonga aty amiko ireo rahalahiko ... ary izay rehetra nananany.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "lazao amin'i Farao fa ireo rahalahiko ... ary izay rehetra nananany.''

Genesis 46:33

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto hanamarihana ny tranga manan-danja ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto.

ary manontany hoe: 'Inona no asanareo?' dia tokony hiteny ianareo fa

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "ary hanontany anao mahakasika ny karazan'asa izay ataonareo, tokony hiteny ianareo"

tokony hiteny ianareo fa: 'Ireo mpanomponao dia efa ... dia izahay sy ny razanay.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "tokony hiteny ianareo fa ianareo efa ... dia izahay sy ny razanay.''

Ireo mpanomponao

Ny fianakavian'i Josefa dia manondro ny tenany amin'ny hoe "Ireo mpanomponao" raha niresaka tamin'i Farao. Izany dia fomba mihaja hiresahana amin'ny olona izay manana fahefana ambony kokoa. Afaka atao izany hoe: DH: "Izahay, mpanomponao"

fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra

Ny anarana "fahavetavetana" dia afaka atao koa hoe "maharikoriko". DH: "Nihevitra ireo Egyptiana fa maharikoriko ny mpiandry ondry rehetra"