Genesis 30

Genesis 30:1

Rehefa hitan'i Rahely fa tsy nanome anaka an'i Jakoba izy

''Rehefa tsapan'i Rahely fa tsy afaka ny hanome zanaka an'i Jakoba izy''

ho faty aho

Nampiasa izany filaza-masaka izany i Rahely mba hanehoana ny fahatezarany noho'ny tsy fananany zanaka. DH: "hahatsapa aho fa tena tsy misy ilaina ahy intsony''

Omeo zanaka aho

''Ataovy izay hahabevohoka ahy''

Nirehitra tamin'i Rahely ny hatezeran'i Jakoba

Ny fahatezeran'i Jakoba dia resahina toy ny afo. DH: "tezitra mafy tamin'i Rahely i Jakoba''

Moa izaho no eo amin'ny toeran'Andriamanitra, izay nitazona anao tsy hanan-janaka?

Fanontaniana fampisainana izay nampiasain'i Jakoba hibedesana an'i Rahely izany. DH: "Tsy Andriamanitra aho! tsy izaho ilay manakana anao tsy hanan-janaka!"

Genesis 30:3

Hoy izy

''Hoy Rahely''

Indro

'''Henoy'' na ''Manongilana sofina amin'izay holazaiko anao.'' Manampy hanasongadinana izay holazain'i Rahely manaraka izany.

ity ny mpanompoko Bila ... hananako zaza avy aminy

Tamin'izany fotoana izany, izany dia fomba azo ekena ho an'ny vehivavy momba hahafahany manan-janaka ara-dalàna. Ny tena heviny dia afaka atao mazava tsara.

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.

eo am-pofoako

Izany dia fomba ilazana fa ny zaza izay haterak'i Bila dia ho an'i Rahely. DH: "ho ahy''

hananako zanaka avy aminy

''ary amin'izany fomba izany no hampanany zanaka ho ahy''

Genesis 30:5

Bila

Anaran'ny mpanompo vavin'i Rahely izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 29:28.

niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba

''nanome zanaka lahy ho an'i Jakoba ''

niantso ny anarany (...) izy

''i Rahely no nanome azy ilay anarana''

niantsoany azy hoe Dana

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Dana dia midika hoe 'nitsara izy.'''

Genesis 30:7

Bila ... nitoe-jaza indray

''Bila ... nanan'anaka indray''

ary niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba

''ary nanome zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba''

Tamin'ny tolona mahery no nitolomako tamin'ny rahavaviko

Ny andian-teny ''tolona no (...) nitolomako'' dia fomba fiteny nampiasaina mba hanasongadinana''. Sarin-teny ihany koa izany izay ilazana ny fanandraman'i Rahely hanan-janaka tahaka ny rahavaviny toy ny hoe nanana fifanandrinana ara-batana tamin'i Lea izy. DH: "Nanana fifanandrinana lehibe mba hanan-janaka tahaka an'i Lea, zokiko vavy" (UDB)

ary nandreseko

''ary nandresy aho'' na ''nahomby aho''

Nantsoiny hoe Naftaly ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Naftaly dia midika hoe 'ny fitolomako.'''

Genesis 30:9

Rehefa hitan'i Lea fa

''Rehefa fantatr'i Lea fa''

nalainy Zilpa, mpanompo vaviny, ary nomeny ho vadin'i Jakoba izy

''nomeny ho vadin'i Jakoba, i Zilpa, mpanompo vaviny''

Zilpa

Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.

niteraka zanaka lahy ho an'i Jakoba

''nanome zanaka lahy ho an'i Jakoba''

Vintana ity!

''vintana re izany!'' na ''hatsaram-bintana re izao!"

nantsoiny hoe Gada ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Gada dia midika hoe 'vintana.'''

Genesis 30:12

Zilpa

Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23.

niteraka zanaka lahy faharoa ho an'i Jakoba

''nanome zanako lahy faharoa ho an'i Jakoba''

Sambatra aho!

'''Sambatra tokoa aho!'' na ''endre izany hafaliako!''

ireo zanaka vavy

''ireo vehivavy'' na ''ireo zazavavy''

nantsoiny hoe Asera ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Asera dia midika hoe 'faly.'''

Genesis 30:14

Nandeha Robena

''Nandeha nivoaka i Robena''

tamin'ny andron'ny fijinjam-bary

Eto ny andian-teny ''tamin'ny andron'ny'' dia fomba fiteny ilazana ny vanim-potoana na fotoana ao anatin'ny taona. DH: "tamin'ny fotoanan'ny taom-pijinjam-bary'' na ''tamin'ny fotoanan'ny fijinjam-bary''

''mandragora'' na ''dodaima''

Voankazo izay voalaza fa mampitombo ny famokarana zaza sy ny faniriana hiara-mandry amin'ny olon-tiana. DH: "voankazon'ny fitiavana''

Olana kely ve aminao, ... ny vadiko?

'''Tsy raharahanao ... ny vadiko? ''fanontaniana fampisainana nampiasaina hibedesana an'i Rahely izany. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "tsy mbola ampy ihany ... ny vadiko.''

Te haka (...) ianao ... ihany koa?

Fanontaniana fampisainana nampiasaina hibedesana an'i Rahely izany. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Ankehitriny ianao te haka ... ihany koa!''

Dia handry (...) izy

''Ary Jakoba handry'' na ''ary dia havelako handry Jakoba''

Genesis 30:16

tamin'ireo dodaiman'ny zanako lahy / tamin'ireo mandragoran'ny zanako lahy

''ho saran'ny ireo dodaiman'ny zanako lahy'' na ''ho saran'ny ireo mandragoran'ny zanako lahy.'' Jereo ny nandikanao ny ''mandragora'' ao amin'ny 30:14.

nitoe-jaza izy

''bevohoka izy''

ary niteraka zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba

''ary nanome zanaka lahy fahadimy ho an'i Jakoba''

Nomen'Andriamanitra ahy ny karamako

Andriamanitra manome valisoa an'i Lea dia resahina toy ny lehibe izay mandoa ny karama ho an'ny olona izay miasa ho azy. DH: "Andriamanitra nanome ny tambiny tokony ho ahy'' na ''namaly soa ahy Andriamanitra''

Nantsoiny hoe Isakara ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Isakara dia midika hoe 'misy valisoa.'''

Genesis 30:19

Nitoe-jaza indray Lea

''bevohoka indray Lea''

ary niteraka zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba

''ary nanome zanaka lahy faha-enina ho an'i Jakoba''

Nantsoiny hoe Zebolona ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Zebolona dia midika hoe 'voninahitra.'''

ary nantsoiny hoe Dina ny anarany

Anaran'ilay zanaka vavin'i Lea izany.

Genesis 30:22

Nahatsiaro an'i Rahely Andriamanitra ary nihaino azy

Ny andian-teny ''namerina an-tsaina'' dia midika hoe nahatsiaro. Tsy midika izany hoe nanadino an'i Rahely Andriamanitra. Ny heviny dia nihevitra ny fangatahany izy. DH: "nihevitra an'i Rahely Andriamanitra ary nanome azy izay nilainy''

Nesorin'Andriamanitra ny henatro

Andriamanitra nanao izay tsy hahatsapan'ny Rahely fahamenatra intsony dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka esorin'ny olona amin'ny olona iray ''ny fahamenarana''. Ny anarana hoe ''fahamenarana'' dia afaka atao hoe ''menatra''. DH: "Andriamanitra nahatonga ahy tsy hahatsapa ny fahamenarana intsony''

Nantsoiny hoe Josefa ny anarany

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Josefa dia midika hoe 'hanampy anie izy.'''

Nanampy zanaka lahy iray hafa ho ahy Yaveh

Ireo zanaka lahin'i Rahely voalohany dia avy amin'i Zilpa mpanompo vaviny.

Genesis 30:25

Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa

''Tao aorian'ny niterahan'i Rahely an'i Josefa''

avelao aho andeha

''mba hahafahako mandeha''

ianao mahafantatra ny fanompoana nataoko anao

Nampahatsiahy an'i Labana ny fifanarahin'izy ireo i Jakoba (29:26). Ny anarana hoe ''fanompoana'' dia azo atao hoe ''nanompo.'' DH: "fantatrao fa efa ampy izay nanompo anao ela izay''

Genesis 30:27

Hoy Labana taminy

''Hoy Labana tamin'i Jakoba''

Raha mahita fankasitrahana eo imasonao aho ankehitriny

Ny andian-teny ''eo imasonao'' dia sarin-teny izay maneho ny eritreritra na ny fisainan'i Jakoba. DH: "'Raha mahita fankasitrahana aminao aho'' na '''Raha nankasitrahanao aho'' (UDB)

mahita fankasitrahana

Fomba fiteny izay midika ny faneken'ny olona ny olon-kafa izany.

andraso, satria

''mba mijanona ihany, satria''

fantako tamin'ny fampiasana sikidy

''hitako tamin'ny alalan'ny fanahiko manokana sy fampiasana hery miafina''

noho ianao

''nohon'ny aminao''

Teneno hoe ohatrinona ny karamanao

Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Lazao ahy hoe ohatrinona ny tokony halohanao mba hijanonanao eto''

Genesis 30:29

Jakoba niteny taminy

''Jakoba niteny tamin'i Labana''

ny fomba nitomboan'ny biby fiompinao niaraka tamiko

'''tahaka ny inona ny nitomboan'ny biby fiompinao hatramin'izay nanombohako nikarakara azy ireo''

Fa kely no nanananao talohan'ny nahatongavako

'''vitsy ireo biby fiompinao talohan'ny niasako ho anao''

ary nitombo be lavitra izany

''fa ankehitriny kosa dia nitombo fatratra ireo harenao''

Ary rahoviana aho no mba hihary ho an'ny tokantranoko koa?"

''Ary rahoviana aho no mba hihahy ny tokantranoko koa?" Nampiasa izany fanontaniana izany i Jakoba mba hanindrina fa te hanomboka hihahy ho an'ny tokantranony manokana amin'izay izy. Afaka atao ho fanambarana izany fanontaniana izany. DH: "Ary ankehitriny aho mba te hihahy ny tokantranoko koa!"

Genesis 30:31

Inona no ho aloako aminao

''Inona no afaka aloako aminao'' na ''Inona no afaka homeko anao.'' Afaka atao mazava izany hoe: DH: "Inona no afaka aloako aminao mba hijanonanao ary hiasanao ho ahy''

Raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao

Ny mpampitohy ''kanefa'' dia afaka ampidirana eto mba hilazana ny zavatra tokana izay irin'i Jakoba. DH: "Kanefa raha hanao izao zavatra izao ho ahy ianao''

hamahana ny biby fiompinao ary hiambina izany

''hamahana sy hikarakara ny biby fiompinao''

hanala ny ondry pentipetina sy sada rehetra amin'izany, ary izay mainty rehetra eo amin'ny ondry, ary ny sada sy ny pentipentina eo amin'ireo osy

''ary hanala ny ondry sada rehetra, ny ondry mainty rehetra, ary ny osy sada rehetra''

Izany no ho karamako

''Izany no ho sandan'ny fijanonanako eto''

Genesis 30:33

Ny tsy fivadihako no ho vavolombelona ho ahy any aoriana

Ny teny hoe ''tsy fivadihana'' dia midika hoe ''fahitsiam-po.'' Miresaka ny ''tsy fivadihana'' toy ny hoe olona izany izay afaka mijoro vavolombelona hanohitra ny hafa izany. DH: "Ao aoriana dia ho fantatrao raha nanana fahitsiam-po taminao aho na tsia''

Ny rehetra izay tsy pentipentina sy sada eo amin'ireo osy, ary tsy mainty eo amin'ny ondry, raha misy hita aty amiko, dia ho atao toy ny nangalarina

Afaka atao izany hoe: DH: "Raha mahita tsy sada amin'ireo ondry na tsy mainty amin'ireo osy ianao, dia azonao atao ny manasokajy izany ho nangalarina''

Aoka ho araka ny teninao izany

Eto ny ''teny'' dia manambara izay nolazaina. DH: "Ho araka ny teninao izany'' na ''Hataontsika izay nolazainao'' (UDB)

Genesis 30:35

izay sadika sy sada

''izay misy sadika sy sada''

izay pentipentina sy sada

''izay misy sada''

ny rehetra izay nisy fotsy taminy

''ny osy rehetra izay misy fotsy aminy''

ary ireo mainty rehetra teo amin'ireo ondry

''ary ireo ondry mainty rehetra''

nanome ireo ho eo an-tanan'ireo

Eto ny ''tanana'' milaza ny fisahanana na ny fikarakarana. DH: "Nampikarakarainy ny zanany ireo''

Genesis 30:37

popola maitso ... lozy ... hazo planata

Anaran-kazo miloko fotsy avokoa ireo.

ary namaofy ny fotsy tamin'ireo, ary nanao izay ampiseho ny aty fotsin'ny hazo izay tao amin'ireo tapa-kazo

''ary namaofy ny hodiny mba hampiseho ilay fotsy ao anatiny''

ireo tavy fisotroana rano

fitaovana fitahirizana rano ho sotroin'ny biby

Genesis 30:39

Niteraka ireo biby fiompy

'''Teraka ireo biby tamin' ireo biby fiompy'' na '''niteraka ireo biby fiompy''

niteraka sadika, sada, ary pentipentina

''niteraka (osy na ondry kely) sadika sy sada''

Nosarahan'i Jakoba

Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Nandritra ny taona maro nanaraka, i Jakoba dia nosarahany''

nifanatrika

''nijery nanatrika''

nosarahany ho azy irery ny biby fiompiny

''natokany ireo biby fiompiny''

Genesis 30:41

anoloan'ny mason'ireo biby fiompy

Eto ny ''maso'' dia ilazana ny ''fahitana.'' DH: "mba hahafahan'ny biby fiompy mahita izany''

eo amin'ireo tapa-kazo

''eo anoloan'ireo tapa-kazo''

ireo biby osa

''ireo biby osa kokoa''

Koa an'i Labana ireo biby osa, ary an'i Jakoba ny mahery

''Koa an'i Labana ireo zanaky ny biby osa, raha an'i Jakoba kosa ny mahery kokoa.'' Afaka ataonao mazava kokoa izany hoe: DH: "Koa an'i Labana ireo zanaky ny biby osa izay tsy misy sadika na sada, raha an'i Jakoba kosa ny mahery kokoa izay misy sadika sy sada.''

Genesis 30:43

ralehilahy

''Jakoba''

Lasa nanan-karena

''nanan-karena fatratra'' na ''tonga tena mpanan-karem-be''