Genesis 28

Genesis 28:1

Tsy mahazo maka (...) ianao

''aza maka''

Mitsangàna, ka mandehana

''mandehana izao ankehitriny izao''

Padan-arama

Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.

ankohonan'i

Ilazana ireo taranak'olona na ireo havany hafa izany. DH: "havana''

Betoela

Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 22:20.

ny rain'ny reninao

''ny raibenao / dadabeanao''

iray amin'ireo zanaka vavy

''avy amin'ireo zanaka vavy''

ny anadahin-dreninao

''ny dadatoa na dadafara''

Genesis 28:3

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Jakoba i Isaka

hampamokatra anao ary hahamaro anao

Ny teny hoe ''hahamaro'' dia manazava izay hanaovan'Andriamanitra an'i Jakoba ''hahavokatra.'' DH: "hanome zanaka sy taranaka maro ho anao''

Homeny anao anie ny tso-dranon'i Abrahama, ho anao, sy ho an'ireo taranaka mandimby anao

Miresaka mahakasika ''ny fitahiana olona'' toy ny hoe zavatra izay afaka omena olona ny fitahiana. Ny anarana hoe ''ilay fitahiana'' dia azo atao hoe ''mitahy.'' DH: "Hitahy anao sy ireo taranakao anie Andriamanitra tahaka izay nitahiany an'i Abrahama'' na ''Homen'Andriamanitra anao sy ireo taranakao anie izay nampanantenainy an'i Abrahama''

mba hahafahanao mandova ny tany

Ny fanomezan'Andriamanitra ny tany Kanana an'i Jakoba sy ireo taranany dia resahina toy ny zaza izay mandova vola sy fananana avy amin'ny rainy.

ny tany izay efa nonenanao

''ny tany izay efa nipetrahanao"

izay nomen'Andriamanitra an'i Abrahama

"izay nampanantenan'Andriamanitra an'i Abrahama"

Genesis 28:5

Padan-arama

Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.

Betoela

Rain'i Rebeka i Betoela. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 22:20.

Genesis 28:6

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miova amin'ny fitantarana an'i Jakoba mankany amin'ny fitantarana an'i Esao ny tantara

Ary

Nampiasaina izany teny izany eto mba hanamarihana ny fiovana eo amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Esao.

Padan-arama

Anarana hafa iantsoana ny faritr'i Mesopotamia izany, izay mitovy amin'izay misy an'i Iraka taty aoriana (Iraka vaovao). Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:19.

haka vady

''haka vady ho azy / haka vady ho an'i tenany''

Nahita ihany koa izy fa nitso-drano azy i Isaka

''Nahita ihany koa Esao fa nitso-drano an'i Jakoba i Isaka''

Tsy mahazo maka

''Aza maka''

ireo vehivavy avy any Kanana

''ireo zazavavy avy any Kanana'' na ''ireo vehivavy kananita''

Genesis 28:8

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Esao izany.

hitan'i Esao

''nahatsapa i Esao''

tsy nankasitraka ireo vehivavy avy any Kanàna i Isaka rainy

''Isaka rainy dia tsy nanaiky ireo vehivavy avy any Kanàna''

ireo vehivavy avy any Kanàna

''ireo zazavavy avy any Kanana'' na ''ireo vehivavy kananita''

Koa

''noho izany''

ankoatra ireo vady izay efa nananany

''ho fanampin'ireo vady izay efa nananany''

Mahalota

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka vavin'i Ismaela izany.

Nebaiota

Anaran'ny iray amin'ireo zanaka lahin'i Ismaela izany.

Genesis 28:10

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Miverina amin'ny fitantarana an'i Jakoba ny tantara

Ary tonga teo amin'ny toerana iray izy ka nijanona teo nandritry ny alina tontolo, satria efa nody ny masoandro

"tonga teo amin'ny toerana iray izy, ary satria efa nody ny masoandro, dia nanapa-kevitra ny hijanona tao mandritry ny alina"

Genesis 28:12

Nanofy izy

''Nanofy Jakoba''

niorina tamin'ny tany

''ny fotony dia niorina tamin'ny tany''

Nipaka tamin'ny lanitra

Ilazana ny toerana izay honenan'Andriamanitra izany.

Indro

Ny teny hoe ''Indro'' dia misarika ny fifantohantsika amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

nitsangana teo amboniny Yaveh

Ireo mety ho heviny dia 1) ''nitsangana teo amin'ny tendron'izany tohatra izany Yaveh'' na 2) nitsangana teo anilan'i Jakoba Yaveh''

Abrahama rainao

Eto ny ''ray'' dia midika hoe ''razambe.'' DH: "Abrahama razambenao''

Genesis 28:14

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Jakoba tao anaty nofy Andriamanitra.

Ho toy ny vovoka amin'ny tany ireo taranakao

Hampitahain'Andriamanitra amin'ny vovokin'ny tany ireo taranak'i Jakoba mba hanindrina fa tsy tambo isaina izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro mihoatra izay azonao isaina ianao''

ary hiely hatrany andrefana

Nampiasaina ny teny hoe ''ianao'' eto na dia milazana ireo taranak'i Jakoba aza. I Jakoba ihany no resahina satria izy no loham-pianakaviana. DH: "ary hiely hatrany andrefana ireo taranakao''

hiely lavitra hatrany ianao

Ny heviny dia hoe hiparitaka amin'ireo sisin'ireo tanin'izy ireo ary hameno toerana betsaka kokoa ny olona.

hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo

Ireo andian-teny ireo dia nampiasaina niaraka mba hidika hoe: ''amin'ny lalana rehetra''

Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra

Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo fianakaviana eto an-tany rehetra Aho avy amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao''

Indro

Izany dia manampy hanasongadinana izay holazaina manaraka. DH: "Jereo'' na ''henoy'' na ''henoy tsara izay holazaiko anao''

fa tsy handao anao Aho. Ho ataoko avokoa

'''fa tsy handao anao Aho mandra-pahavitako ny zavatra rehetra''

hiaro anao Aho

''hiaro anao ho hiheren-doza Aho'' na ''hiambina anao Aho''

Hitondra anao amin'ity tany ity indray Aho

''Hitondra anao miverina amin'ity tany ity indray Aho''

Genesis 28:16

Nifoha tamin'ny torimasony

''taitra tamin'ny torimasony ''

tranon'Andriamanitra ... vavahadin'ny lanitra

Ny andian-teny ''vavahadin'ny lanitra'' dia manazava fa izany toerana izany dia ilay fidirana mankany amin'ny ''tranon'Andriamanitra'' sy ''ilay fidirana mankany amin'ny toerana izay honenan'Andriamanitra.''

vavahadin'ny lanitra izany

Miresaka momba ny fidirana mankany amin'ny toerana izay honenan'Andriamanitra toy ny fanjakana ara-bakiteny izay manana vavahady izay sokafana mba hamelana ny olona hiditra ao.

Genesis 28:18

tsangam-bato

vato fahatsiarovana izany, izany hoe, vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana izany(fahatsiarovana izany).

nandraraka menaka teo an-tampon'izany

Izany fihetsika izany dia toa mari-pamantarana fa nanokana izany tsangam-bato izany ho an'Andriamanitra i Jakoba. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia azo atao mazava. DH: "'nandraraka menaka teo an-tampon'izany mba hanokanana ilay tsangam-bato ho an'Andriamanitra''

Betela

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''ny anarana hoe Betela dia midika hoe: 'tranon'Andriamanitra.''

Lozy

Anaran-tanàna izany.

Genesis 28:20

nanao voady

''nivoady'' na ''nanao fianianana manetriketrika tamin'Andriamanitra''

Raha (...)Andriamanitra ... dia Yaveh no ho Andriamanitro

miresaka amin'Andriamanitra i Jakoba. Afaka atao izany hoe: DH: "Raha (...)Ianao ... dia Ianao, Yaveh, no ho Andriamanitra izay hotompoko" (UDB)

amin'ity lalana izay andehanako ity

Milaza ny dian'i Jakoba hitady vady sy hiverina hody izany. DH: "amin'ny diany"

hanome ahy mofo hohanina

Eto ''ny mofo'' dia milaza ny sakafo amin'ny ankapobeny.

ho any an-tranon-draiko

Eto ny ''trano'' dia ilazana ny fianakavian'i Jakoba. DH: "ho any amin'ny raiko sy ny fianakaviako sisa''

vato masina

Midika izany fa ilay vato dia hanamarika ny toerana izay nisehoan'Andriamanitra taminy ary ho toerana izay hahafahan'ny olona manompo amin'Andriamanitra. DH: "tranon'Andriamanitra'' na ''toeran'Andriamanitra''