Genesis 26

Genesis 26:1

Ary

Nampiasaina izany teny izany mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao.

nisy mosary nitranga

"nisy mosary" na "nisy mosary hafa indray"

teo amin'ilay tany

Azonao atao mazava ilay tany izay resahina amin'izany. DH: "tany amin'ny tany izay nonenan'i Isaka sy ny fianakaviany"

tamin'ny andron'i Abrahama

Ny andian-teny hoe: "tamin'ny andro" dia manambara ny fotoana izay niainan'i Abrahama. DH: "izay nitranga teo amin'ny fiainan'i Abrahama"

Genesis 26:2

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanomboka niresaka tamin'i Isaka Yaveh.

niseho taminy

"niseho tamin'i Isaka"

Aza midina any Egypta

Mahazatra ny miresaka ny fialana amin'ny tany nampanantenana toy ny hoe: "mandeha midina" ho any amin'ny toeran-kafa.

fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo

"fa homeko anao sy ireo taranakao ireo tany rehetra ireo"

ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao

"Hataoko izay nampanantenaiko ho atao tamin'i Abrahama rainao"

Genesis 26:4

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Isaka Yaveh.

Ho hampitomboiko (...) ireo taranakao

"hataoko manana taranaka maro ianao."

toy ireo kintan'ny lanitra

Miresaka momba ny isan'ireo taranak'i Isaka toy ny mitovy amin'ny isan'ireo kintana izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:15.

lanitra

Ilazana ny zavatra rehetra izay hitantsika eo amin'ny lanitra (eo ambonin'ny tany) ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana.

hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany

Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo firenena rehetra eo ambonin'ny tany"

nankatò ny teniko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko

Ny andian-teny "nankatò ny teniko" sy "nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko" dia manana dika mitovitovy ihany. DH: "nankatò Ahy Abrahama ary nanaqewr ny zavatra rehetra izay nandidiako azy"

nankatò ny feoko

Eto ny "feo" dia ilazana an'i Yaveh. DH: "nankatò Ahy"

Genesis 26:6

Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka

Isaka ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana, kanefa ny fianakaviana manontolo dia niaraka taminy. DH: "Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka sy ny fianakaviany"

Natahotra izy hilaza hoe

Eto ny "natahotra" dia ilazana ny fihetseham-po tsy mampahazo aina ny olona rehefa misy tahotra ny handratra ny tenany na ny hafa. "Natahotra izy hilaza hoe"

mba hahazoana an'i Rebeka

"mba hakana an'i Rebeka"

Indro, hitany i Isaka

Ny teny hoe: "Indro" dia maneho fa taitra tamin'ny fahitana azy i Abimeleka. DH: "Ary taitra izy raha nahita fa Isaka"

nanafosafo an'i Rebeka

Ireo mety ho heviny dia 1) Nikasika azy toy ny fikasikin'ny lehilahy ny vadiny na 2)Nisangy (nihomehy) sy niresaka taminy toy ny fanaon'ny lehilahy ny vadiny.

Genesis 26:9

Nampiantso an'Isaka i Abimeleka

Azo antoka tokoa fa nandefa olona hilaza amin'i Isaka i Abimeleka fa te hahita azy izy. DH: "Nandefa olona haka an'i Isaka hankany aminy"

Nahoana ianao no niteny hoe: 'Anabaviko izy'?

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH:"Nahoana ianao no niteny fa Anabavinao izy?"

hahazo azy

"mba hahafahany mikarakara azy"

Fa inona izao nataonao anay izao?

Nampiasa izany fanontaniana izany Abimeleka mba hibedesana an'i Isaka. DH: "Tsy tokony nanao izany taminay ianao!"

nitondra fanamelohana eto aminay ianao

Miresaka mahakasika ny fanaovana ny olona ho meloka toy ny hoe "ny heloka" dia zavatra izay apetraka eo amin'ny olona. DH: "Nanao izay hahameloka anay tamin'ny fakana vadin'olona ianao"

eto aminay

Eto ny mpisolo tena tampisaka "...nay" = "izahay" dia ilazana an'i Abimeleka sy ny olony.

Na iza na iza mikasika io lehilahy io

Eto ny "mikasika'' dia midika hoe mikasika mba handratra. DH: ''Na iza na iza mandratra io lehilahy io''

dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa

Abimeleka dia mety nikasa hilaza amin'ny olona hamono izay mety handratra an'i Isaka na Rebeka.

Genesis 26:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka fizaran-tantara vaovao izany. Niova tamin'ny fitantarana mahakasika ny niantson'i Isaka an'i Rebeka ho anabiviny, ary manomboka mitantara momba ny nahatonga an'i Isaka hqewru tena mpanan-karena ary nialona azy ireo Filistina.

tamin'izany tany izany

"tany Gerara"

avo zato heny

Ny dikany dia "injato heny tahaka izay novoleny." Azo adika amin'ny ankapobeny kokoa izany hoe: "'vokatra be dia be'' (UDB).

Lasa nanan-karena ralehilahy

''Lasa nanan-karena Isaka'' na "Lasa nanan-karena izy"

ary nitombo hatrany izany mandra-pahatonga azy ho mpanakarem-be

"ary nihanahazo hatrany hatrany izy mandra-pahatonga azy ho tena mpanakarem-be''

ondry

Mety tafiditra ao anatin'izany ny osy.

ankohonana marobe

Eto ny ''ankohonana" dia ilazana ireo mpiasa sy ireo mpanompo. DH: ''mpanompo maro"

Nialona azy ireo Filistina

"velom-pialonana azy ireo Filistina"

Genesis 26:15

Ary

Eto izany dia tsy midika oe: ''amin'izao fotoana izao.'' Fa kosa manondro izay toerana niantombohan'ny tantara. Azo adika amin'ny mpampitohy hoe ''koa'' mba hanehoana fa vokatr'izay nitranga ao amin'ny 26: 12.

tamin'ny andron'i Abrahama rainy

Ny andian-teny "tamin'ny andron'i" dia ilazana ny andro fahaveloman'ny olona. DH: ''raha mbola velona i Abrahama, rainy''

Hoy Abimeleka

Ireo mety ho heviny dia 1) fihetsika iray hafa hanerena an'i Isaka sy ny olony hiala. DH: ''Ary dia hoy Abimeleka'' na "Farany dia hoy Abimeleka'' na 2) Nandray izany fanapahan-kevitra izany Abimeleka satria hitany fa nialona sy naneho fankahalana an'i Isaka ny olony. DH: ''Noho izany dia niteny Abimeleka hoe''

mahery lavitra noho izahay

''matanjaka kokoa mihoatra noho izahay

Koa dia niala Isaka

Isaka ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana, kanefa ny fianakaviana sy ireo mpanompo dia nandeha niaraka taminy. DH: "Koa dia lasa nandao i Isaka sy ny fianakaviany"

Genesis 26:18

nohadian'i Isaka

Eto ''Isaka'' dia ilazana an'i Isaka sy ireo mpanompony. DH: ''nihady izany indray Isaka sy ireo mpanompony''

izay nohadian'izy ireo

''izay nohadian'ireo mpanompon'i Abrahama''

tamin'ny andron'i Abrahama rainy

Ny andian-teny ''tamin'ny andron'i'' dia ilazana ny andro fahaveloman'ny olona. DH: ''raha mbola velona i Abrahama, rainy'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:15.

Izay efa novonoin'ireo Filistina

Izany no antony nihadian'i Isaka azy ireo indray. Ireo mety ho heviny dia 1)satria izany no nitranga voalohany, dia afaka atao any alohan'ny fehezanteny mahakasika ny nihadian'i Isaka azy ireo izany, mitovy ny ao amin'ny UDB. Na 2)Afaka antomboka amin'ny hoe Nanao izany Isaka satria natsahatr'ireo Filistina izany.''

natsahatr'izy reo izany

''fanotofana tany izany''

Genesis 26:19

loharano velona

ilazana ny loharano voajanahary izay nosokafan'izy ireo raha nihady ny fantsakana vaovao izy ireo. Miteraka loharano velona ho fisotro izany. DH: "rano velona'' (UDB)

mpiandry omby

"lehilahy izay niandry omby"

Anay io rano io

Eto ny ''Anay" dia ilazana ireo mpiandry ombin'i Gerara.

Eseka

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Eseka dia midika 'nifanditra' na 'niady hevitra.'''

Genesis 26:21

Ary dia nihady lavaka izy ireo

"Ary dia nihady lavaka ireo mpanompon'i Isaka"

nifanditra izy ireo

"ireo mpiandry ombin'i Gerara dia nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'i Isaka"

koa dia nomeny (anarana hoe ...) izany

"koa dia nomen'i Isaka (anarana hoe ...) izany"

Sitna

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny dikan'ny Sitna dia 'manohitra' na 'miampanga.'''

Rehobota

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Ny anarana hoe Rehobota dia midika 'manamboatra efitra ho an'i' na 'toerana foana.'''

nanamboatra ... isika

niteny ho azy sy ho an'ireo ankohonany Isaka.

Genesis 26:23

niakatra avy tany Isaka ka nankany Beri-sheba

Eto ny ''niakatra'' dia azo antoka tokoa fa ilazana ny mankany avaratra. Ampiasao ny fomba tsotra indrindra ilazana izany amin'ny teninao. DH: "'Niala teo Isaka ka nankany Beri-sheba''

hampitombo ireo taranakao

''hampitombo fatratra ireo taranakao'' na ''hampitombo isa ireo taranakao"

noho ny amin'i Abrahama mpanompoko

"ho any Abrahama mpanompoko" na afaka hazavainao ny tena hevitr'izany. DH: "satria nampanantena an'i Abrahama mpanompoko Aho fa hanao izany"

Nanorina alitara teo Isaka

Afaka ataonao mazava izany hoe: DH: "Nanorina alitara teo Isaka hanaovana sorona an'i Yaveh''

niantso ny anaran'i Yaveh

Ny "miantso'' dia midika hoe mivavaka na manompo. Eto ny ''anarana'' dia ilazana an'i Yaveh'' na ''nanompo an'i Yaveh''

Genesis 26:26

nandeha nankany aminy

"nankany amin'i Isaka"

Ahozata

Anaran-dehilahy izany.

namany

Ireo mety ho heviny dia 1)" ny naman'i Abimeleka na 2) "Ny mpanolotsaina an'i Abimeleka."

Pikola

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'i 21:22.

Genesis 26:28

hoy izy ireo hoe

Ilazana an'i Abimeleka, Ahozata sy Pikola izany. Ny iray tamin'izy ireo no niteny ary ny roa ambiny nanaiky izay nolazainy. Tsy midika izany hoe niara-niteny tamin'ny fotoana iray izy rehetra. DH: "'ny iray tamin'izy ireo niteny hoe''

Hitanay tsara izao

''fantatray tokoa'' na ''azonay antoka"

Aoka izahay hanao fifanekena aminao

''Koa te hanao fifanekena izahay''

tahaka ny fomba tsara nitondranay anao

Azo adika any amin'ny voalohan'ny fehezanteny vaovao izany. ''tsy nanao afa-tsy izay tsara taminao izahay''

Voatahin'i Yaveh tokoa ianao

Afaka atao izany hoe: DH: "Efa nitahy anao Yaveh"

Genesis 26:30

Ary dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo

Ny fihinana sakafo miaraka dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fanekena amin'ny hafa.

ho azy ireo

Eto ny ''azy ireo'' dia ilazana an'i Abimeleka, Ahozata sy Pikola

nihinana izy ireo

Eto ny ''izy ireo'' dia ilazana an'i Isaka, Abimeleka, Ahozata sy Pikola. DH: ''nihinana avokoa izy rehetra ireo'' (UDB)

Nifoha maraim-be izy ireo

''Nifoha aloha be izy ireo''

Genesis 26:32

Nantsoiny hoe Sheba ilay lava-drano

''koa dia nantsoiny hoe Sheba ilay fatsakana.'' Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: ''Ny anarana hoe Sheba dia mitovy amin'ny teny izay midika hoe: 'fianianana.'''

Beri-sheba

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Beri-sheba dia manana dika hoe "fatsankan'ny fianianana" na "fatsankan'ny fito."

Genesis 26:34

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny Genesisy 26 dia miresaka betsaka momba an'i Isaka. Ireto andininy ireto dia mahakasika an'i Esao zanany lahimatoa.

efa-polo

"40"

naka vady izy

"nanambady." Afaka ataonao mazava izany hoe nanambady vehivavy roa izy. DH: "naka vady anankiroa izy"

Jodita ... Basemata

Anaran'ireo vadin'i Esao ireo.

Bery ... Elona

Anaran-dehilahy ireo.

Hetita

''ilay taranak'i Heta'' na ''taranak'i Heta''

Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka izy ireo

Eto ny ''izy ireo'' dia ilazana an'ilazana an'i Jodita sy Basemata. Ny manao izay mampalahelo na mampafadiranovana ny olona dia miresaka ny ''alahelo'' toy ny zavatra izay afaka entin'ny olona eo amin'ny olona hafa. DH: "Nanao izay nampalahelo an'i Isaka sy Rebeka izy ireo'' na ''fandiranovana i Isaka sy Rebeka nohon'izy ireo''