Genesis 17

Genesis 17:1

Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo taona

sivy taona - Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.

Andriamanitra Tsitoha

"ilay Andriamanitra mahery indrindra" na "ilay Andriamanitra izay manana ny hery rehetra"

Mandehana eo anoloako

Ny "mandeha" dia sarinteny ilazana ny miaina, ary ny "eo anoloako" na "eo amin'ny fanatrehako" eto dia sarinteny ilazana ny fankatoavana. DH: "Hiaino ny fomba izay tiako hataonao" na "ankatoavy aho"

Dia hanamafy Aho/ Dia hamafisiko

"Raha manao izany ianao, dia ho hamafisiko"

hanamafy ny fanekeko Aho

"hanome ny fanekeko Aho" na "hanao ny fanekeko Aho"

fanekena

Amin'izany fanekena izany Andriamanitra no mampanantena fa hitahy an'i Abrama, fa mitaky ny fankatoavan'i Abrama Azy koa Izy.

hanamaro anao fatratra

"hambitombo fatratra ny isan'ireo taranakao" na "hanome taranaka maro ho anao"

Genesis 17:3

Niankohoka tamin'ny tany Abrama

"nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany ambany i Abrama" na "nampiankohoka faingana ny tavany ambany tamin'ny tany." Nanao izany izy mba hanehoana fa manaja an'Andriamanitra sy hankatoa Azy izy.

Raha ny amiko

Mampiasa izany andian-teny izany Andriamanitra mba hampidirana izay hataony amin'i Abrama ao anatin'izany ny fanekeny amin'i Abrama.

indro, aminao ny fanekeko

Ny teny hoe: "indro" eto dia toa milaza fa izay ho avy manaraka dia azo antoka: "azo antoka fa aminao tokoa ny fanekeko."

rain'ny firenena maro

"rain'ny firenena tsy tambo isaina" na "ilay iray izay avy aminy no nampitondraina ny anaran'ireo firenena maro"

Abrahama

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: Ny anarana hoe: "Abrama" dia midika hoe: "ray misandratra" ary ny anarana "Abrahama" dia mitovy fanonona amin'ny "rain'ny tsy tambo isaina."

Hahamaro anao fatrara Aho

"hahatonga ireo taranakao ho maro tokoa Aho"

hataoko firenena maro ianao

"hataoko ho tonga firenena maro ireo taranakao"

hisy mpanjaka ho avy aminao

"hisy mpanjaka amin'ireo taranakao" na "ny sasany amin'ireo taranakao dia ho mpanjaka"

Genesis 17:7

Fampahafantarana ankapobeny:

Manohy miresaka amin'i Abrahama Andriamanitra.

amin'ireo taranaka fara-mandimbin'izy ireo

"ho an'ny taranaka tsirairay"

ho fanekena tsy manam-pahataperana

"ho fanekena izay haharitra mandrakizay"

ho Andriamanitra ho anao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao

"ho Andriamanitrao sy ho Andriamanitr'ireo taranakao" na "fanekena"

Kanana, ho fananana mandrakizay

"Kanana, ho toy ny fananana mandrakizay" na "Kanana, ho fananana maharitra mandrakizay"

Genesis 17:9

Raha ny aminao

Mampiasa izany andian-teny izany Andriamanitra mba hampidirana izay tokony hataon'i Abrama amin'ny maha tafiditra azy amin'ny faneken'Andriamanitra.

tandremo ny fanekeko

"diniho ny fanekeko" na "omeo voninahitra ny fanekeko" na "ankatoavy ny fanekeko"

Izao no fanekeko

"Izao no takian'ny fanekeko" na "anisan'ny fanekeko izao." Izany andian-teny izany dia mampiditra ny fizarana momba ny fanekena izay tsy maintsy hataon'i Abrama.

Tsy maintsy foraina ny lehilahy rehetra eo aminareo

Afaka atao izany hoe: DH: "tsy maintsy foranao ny lehilahy rehetra eo aminareo"

Ny lehilahy rehetra

Ilazana ny olombelona lahy izany.

Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha-tsitsinareo

Ny fiarahamonina sasany mety hisafidy fomba filaza tsy dia manome fanoritsoritana toy ny hoe: '"tsy maintsy foraina ianao." Raha efa mahalaza ny teny hoe "loha-tsisy" ny nandikanao ny hoe "voafora", dia tsy mila mamerina izany ianao. Afaka atao izany hoe: DH: "tsy maintsy foranao ny lehilahy rehetra eo aminao"

famantarana ny fanekena

"ny famantarana izay maneho fa misy tokoa ny fanekena"

ilay famantarana

Ireo mety ho heviny dia 1)"ilay famantarana" na 2) "famantarana." Ny voalohany dia midika fa iray ihany ny famantarana, ary ilay faharoa kosa midika fa nisy famantarana mihoatra ny iray. Eto ny teny "famantarana" dia midika ho fampatsiahivana ny zavatra izay nampanantenain'Andriamanitra.

Genesis 17:12

Fampahafantarana ankapobeny:

Manohy miresaka amin'i Abrahama Andriamanitra.

Ny lehilahy rehetra

"ny olombelona lahy rehetra"

hatramin'ny taranak'ireo olonao

"amin'ny taranaka rehetra"

izay novidiana vola

Ilazana ireo andevo izany. Afaka atao izany hoe: DH: "izay lehilahy vidinao"

ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo

Afaka atao izany hoe: DH: "hanisy marika ny fanekeko amin'ny nofonareo ianareo"

ho fanekena mandrakizay

"tahaka ny fanekena maharitra." Satria voamarika amin'ny nofo izany, dia tsy hisy afaka hamafa izany mora foana.

lehilahy tsy mifora izay tsy noforaina

Azonao atao ny manala teny izay mety hiteraka hevi-diso ny fisiany amin'ny fiteninao: afaka atao izany hoe: DH "lehilahy izay tsy nifora"

Na iza na iza lehilahy ... loha tsitsiny dia hesorina amin'ny vahoakany

ireo mety ho heviny dia 1) "Hesoriko izay lehilahy tsy mifora ... loha tsitsy ... avy amin'ny vahoakany" na 2) "Tiako ny hanesoranao izay lehilahy tsy mifora ... loha tsitsy ... avy amin'ny vahoakany."

hesorina amin'ny vahoakany

ireo mety ho heviny dia 1) "novonoina" na 2) "noroasina hiala amin'ny fiarahamonina."

Nandika ny fifanekeko izy

"Tsy nankato ny lalan'ny fanekeko izy." Izany no antony hanesorana azy amin'ny vahoakany.

Genesis 17:15

Raha ny amin'i Saray

Ny teny hoe: "Raha ny amin'i" dia mampiditra ny olona manaraka izay horesahin'Andriamanitra.

homeko zanaka lahy avy aminy ianao

"hampitondraiko zazaka lahy ho anao izy"

ho renin'ny firenena maro izy

"ho razamben'ny firenena maro izy" (UDB) na "ireo taranany dia ho firenena"

Ho avy aminy ireo mpanjakan'ny olona

"Ho avy aminy ireo mpanjakan'ny olona" na "Ny sasany amin'ireotaranany dia ho mpanjakan'ny olona"

Genesis 17:17

niteny tao am-pony

"nieritreritra anakam-po" na "niteny mangina tamin'ny tenany"

Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. DH: "Azo antoka tokoa fa ny lehilahy izay efa zato taona dia tsy afaka ho rain-jaza!"

Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?"

Mbola mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama satria tsy nino izy fa hiseho tokoa izany. Ny andian-teny "izay efa sivifolo taona" dia manambara ny antony tsy ninoan'i Abrahama fa i Saraha dia hitondra vohoka. DH: "sivifolo taona i Saraha. Mbola afaka ny hitondra vohoka ve izy?" na "sivifolo taona i Saraha. Azo antoka tokoa fa tsy afaka hitondra vohoka!"

Enga anie Ismaela mba ho velona eo anatrehanao

"Aoka mba handova ny fanekena izay nataonao tamiko i Ismaela" na "Angamba mety afaka handray ny fitahiam-panekenao i Ismaela." Nanolo-kevitra ny amin'ny zavatra izay ninoany fa hitranga marina tokoa i Abrahama.

Genesis 17:19

Tsia, fa Saraha vadinao dia hanome zanaka

Niteny izany Andriamanitra mba hanitsiana ny finoan'i Abrahama fa i Saraha dia tsy afaka ny hanan-janaka.

tsy maintsy omenao anarana izy

Ny teny "ianao" dia ilazana an'i Abrahama.

Raha ny amin'Ismaela

Ny teny hoe: "Raha ny amin'i " dia maneho fa mamarana ny resany momban'ilay zaza izay ho teraka ka ho amin'ny mahakasika an'i Ismaela Andriamanitra.

Indro

"Jereo" na "Henoy" na "tandremo izay holazaiko aminao"

hampamokatra azy Aho

Fomba fiteny izany, izay midika hoe: "hampanana zanaka maro ho azy."

ary hampitombo azy fatratra

"ary hampanana taranaka maro ho azy"

ireo mpitarika ny foko roa ambin'ny folo

"ireo lehibe" na "ireo mpanapaka." Tsy ireo zanaka lahy sy zafi-lahy roa ambin'ny folon'i Jakoba izay ho mpitarika ny fokon' Israely roa ambin'ny folo akory ireo mpitarika ireo.

Fa ny fanekeko dia haoriko amin'Isaka

Miverina miresaka ny fanekeny tamin'i Abrahama Andriamanitra ary manindry fa hanatanteraka ny fampanantenany amin'i Isaka, fa tsy amin'ny Ismaela.

Genesis 17:22

Rehefa avy niresaka taminy Izy

"Rehefa avy niresaka tamin'i Abrahama Andriamanitra"

niakatra niala avy teo amin'i Abrahama Andriamanitra

"nandao an'i Abrahama Andriamanitra"

ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama

"ny olombelona lahy tao an-tokantranon'i Abrahama" na "ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama." Ilazana ny olombelona lahy amin'ny taona rehetra izany: ireo zaza, ireo ankizy lahy, ary ireo lehilahy lehibe.

Genesis 17:24

anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny

"Anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiany vola avy tamin'ny vahiny"

ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny

Ilazana ireo mpanompo na ireo andevo.

ireo novidiana

Afaka atao izany hoe: DH: "ireo izay novidiany"