Genesis 12

Genesis 12:1

Ary

Nampiasaina mba hanamarika ny fizaran-tantara vaovao izany teny izany.

Mialà amin'ny firenenao, sy amin'ireo havanao

"Mialà amin'ny taninao, sy amin'ireo fianakavianao"

Hataoko firenena lehibe ianao

Ny "ianao" eto dia ilazana an'i Abrama, kanefa i Abrama dia maneho ny taranany. DH: "Avy aminao no hanombohako firenena lehibe" na "hataoko tonga firenena lehibe ireo taranakao"

ary hataoko lehibe ny anaranao

Ny teny hoe "anarana" dia maneho ny lazan'ny olona iray. DH: "ary hataoko malaza ianao"

ary ho fitahiana ianao

Ny teny hoe: "ho an'ny olona hafa" dia voazava. DH: "ho fitahiana ho an'ny olona hafa ianao"

fa na iza na iza manala baraka anao dia hozoniko

"hozoniko izay rehetra mitondra anao amin'ny fomba maha menatra" na "raha misy mitondra anao toy ny tsy misy dikany, dia hanozona azy Aho"

Avy aminao no hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra

Azo atao izany hoe: DH: "hitahiana ireo firenen'ny tany rehetra avy aminao Aho"

Avy aminao

"noho ianao" na "satria nitahy anao Aho"

Genesis 12:4

fananana

Ao anatin'izany ireo biby sy ny fananana izay tsy manan'aina.

ireo vahoaka izay azon'izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) "ireo andevo izay voangon'izy ireo" (UDB) na 2) "ireo olona izay voangon'izy ireo hiaraka aminy."

Genesis 12:6

Nandalo ny tany Abrama

Ny anaran'i Abrama ihany no voatonona eto satria izy no lohan'ny fianakaviana. Andriamanitra efa nanome azy baiko hitondra ny fianakaviany ary handeha any. DH: "Koa nandeha manerana ny tany i Abrama sy ny fianakaviany"

ny tany

"ny tany Kanana"

ny hazo terebintan'i More

More dia mety ho anaran-toerana tokoa.

Yaveh, izay efa niseho taminy

"Yaveh, satria efa niseho taminy Izy"

Genesis 12:8

nanorina ny lainy

Maro ireo olona niara-nandeha tamin'i Abrama. Ny olona izay mifindrafindra amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana hafa dia mipetraka anaty lay. DH: "nanangana ny lain'izy ireo"

niantso ny anaran'i Yaveh

"nivavaka tamin'ny anaran'i Yaveh" na "nidera an'i Yaveh"

Avy eo nanohy ny diany Abrama

"Ary Abrama naka ny lainy ka nanohy ny diany."

nakany Negeva

"nakany amin'ny faritanin'i Negeva" na "nakany atsimo" na "mianatsimo ny efitr'i Negeva" (UDB)

Genesis 12:10

Nisy mosary

Tsy tsara vokatra tamin'izany vanim-potoana izany. Azo atao mazava izany: DH: "Nisy ny tsy fahampian-tsakafo"

tao amin'ilay tany

"tao amin'ilay toerana" na "tao amin'ny tany izay nonenan'i Abrama"

nidina tany

ireo mety ho heviny dia 1) "nandeha nianatsimo kokoa" (UDB) na 2) "niala an'i Kanana nankany." Ny tena tsara dia ny mandika izany amin'ny teny fampiasanao andavan'andro milaza ny fandehanana amin'ny toerana avo ho amin'ny toerana iva kokoa.

ho vonoin'izy ireo aho ... ho velona

Ny antony hamonoan'izy ireo an'i Abrama dia azo hazavaina: "ho vonoin'izy ireo aho mba hahafahan'izy ireo manambady anao"

mba ho voatsitsy ny aiko noho ianao

Afaka atao izany hoe: DH: "mba, noho ianao, dia tsy ho vonoin'izy ireo aho"

Genesis 12:14

ary tamin'ny

ireo mety ho heviny dia 1) Izany andian-teny izany eto dia nampiasaina hanamarika ny nanombohan'ny tantara, ary manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao, na 2)" ary dia izany no niseho" (UDB).

Hitan'ireo tandapan'i Farao izy

"Hitan'ireo manam-bononahitr'i Farao i Saray" na "Hitan'ireo manam-bononahitr'ny mpanjaka izy" (UDB)

nalaina ho any an-tokantranon'i Farao ravehivavy

Afaka atao izany hoe: DH: "Nalain'i Farao ho any an-tokatranony izy" na "Nalain'ireo miaramilan'i Farao ho any an-tokatranony izy"

ravehivavy

Saray

tokantranon'i Farao

ireo mety ho heviny dia 1) "Ny havan'i Farao," izay, ho toy ny vady, na 2) "tokantranon'i Farao" na "ny lapan'i Farao," fanalefahan-teny ilazana ny hanaovan'i Farao azy ho iray amin'ireo vadiny.

noho ny aminy

"noho ny amin'i Saray" na "noho izy"

Genesis 12:17

noho i Saray, vadin'i Abrama.

Azo azavaina misimisy izany: DH: "satria Farao nikasa haka an'i Saray, vadin'i Abrama, ho vadiny"

Nampiantso an'i Abrama i Farao

"niantso an'i Abrama i Farao" na "nandidy an'i Abrama hankany aminy i Farao"

Inona ity zavatra izay vitanao tamiko?

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Farao mba hanehoana ny hatezerany noho izay nataon'i Abrama taminy. Afaka atao manaitra ihany koa izany. DH: "Nanao zavatra mahatsiravina tamiko ianao!" (UDB).

Ary Farao nanome baiko ireo lehilahiny mahakasika azy

"ary Farao no nitari-dalana ireo manam-boninahiny mahakasika an'i Abrama"

ary nandefa azy lavitra izy ireo, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany

"ary ireo manam-boninahitra nandefa an'i Abrama ho lavitra an'i Farao, niaraka tamin'ny vadiny sy izay rehetra nananany"