Genesis 6

Genesis 6:1

Ary

Ity teny ity eto dia ampiasaina hanamarihana ny fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba ilazana izany ny fiteninao, dia mihevera hampiasa izany eto.

zanaka vavy no nateraka ho azy ireo

DH: "niteraka zanaka vavy ireo vehivavy"

ireo zanak'Andriamanitra

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "tsy tena mazava na ilazana ny olon'ny lanitra na ny olom-belona izany. Fa amin'ny lafiny rehetra, Andriamanitra no namorina azy ireo." Ao ireo mino fa ireo teny ireo dia ilazana ireo anjely izay nikomy nanohitra an'Andriamanitra, izay tsy iza, fa ny fanahy ratsy na demony. Ny sasany mihevitra fa mety ilazana ny mpanapaka matanjaka ara-politika izany, ao koa ny hafa izay mihevitra fa ilazana ireo taranak'i Seta izany.

Ny fanahiko

Eto Yaveh dia milaza ny tenany sy ny fanahiny, izay Fanahin'Andriamanitra.

nofo

Izany dia midika fa manana vatana izy ireo izay mety maty indray andro any.

Hiaina mandritry ny 120 taona izy ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) ny tokony halavan'ny andro iainan'ny olona dia hiakatra ho 120 taona. DH: "Tsy hiaina mihoatra ny 120 taona izy ireo" na 2) amin'ny faha120 taonany ny olona dia ho faty. DH: "hiaina 120 taona monja izy ireo"

Genesis 6:4

Olona goavana

Lava be, olom-be

Nitranga izany raha

"Ireo olona goavana dia teraka nohon'ny"

ireo zanak'Andriamanitra

Adikao toy izay nataonao ao amin'ny 6:1.

Ireo no lehilahy mahery taloha

"Ireo olona goavana ireo no lehilahy mahery izay niaina fahiny ela be" na "ireo ankizy nitombo izay lasa mpiady matanjaka izay niaina fahiny ela be"

lehilahy mahery

lehilahy izay mahery fo sy mpandresy amin'ny ady

Genesis 6:5

fironana

"fironana" na "fahazarana"

ny fisainan'ny fon'izy ireo

Ny mpanoratra dia miresaka ny fo ho toy ny faritrin'ny vatana izay misaina. Ny teninao dia mety hampiasa teny hafa ankoatra ny "fo" mba hiresahana ny faritra misainan'ny olona. DH: "ny ao anatin'izy ireo, ny fisainany miafina"

nahasosotra ny fony izany

Ny mpanoratra dia miresaka ny fo ho toy ny faritrin'ny vatana izay afaka mahatsapa alahelo. Ny teninao dia mety hampiasa teny hafa ankoatra ny "fo" mba hiresahana ny fihetseham-po. DH: "tena nalahelo mafy dia mafy tamin'izany Izy"

Genesis 6:7

Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona...

Ny mpanoratra dia miresaka ny namonoan'Andriamanitra ny olona toy ny hoe namafa ny loto hiala ny velaran'ny tany Andriamanitra. DH: "Handringana ny olom-belona Aho ... mba tsy hisian'ny olona eto an-tany"

Haringako hiala eo ambonin'ny tany ny olombelona izay nohariako

Misy fiteny sasany mila mandika izany ho fehezanteny roa. DH: "Nohariako ny olombelona. Haringako izy ireo"

mandringana

"mamotika tanteraka." Eto ny "mandringana" dia ampiasaina amin'ny heviny ratsy, satria Andriamanitra miresaka ny fandringanana ny olona nohon'ny fahotan'izy ireo.

Noa nahita sitraka teo imason'i Yaveh

"Nankasitraka an'i Noa i Yaveh" na "Faly tamin'i Noa i Yaveh" (UDB)

teo imason'i Yaveh

Eto ny "maso" dia midika ho fahitana na fisainana. DH: " teo imason'i Yaveh" na " teo amin'ny fisainan'i Yaveh"

Genesis 6:9

Fampafantarana ankapobeny

Fanombohan'ny tantaran'i Noa izany, izay mitohy ao amin'ny toko faha 9.

Izao no tantara mahakasika an'i Noa

"Tantaran'i Noa izao"

nandeha niaraka tamin'Andriamanitra

Adikao toy izay nataonao tao amin'ny 5:21 izany.

Tonga rain'ny zazalahy telo i Noa

"Niteraka zanaka lahy telo i Noa" na "Niteraka zanaka lahy telo ny vadin'i Noa"

Sema, Hama, sy Jafeta

Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy toy izao: "Ireo zanaka lahy ireo dia tsy milahatra araka ny nahaterahan'izy ireo."

Genesis 6:11

Ny tany

Ireo mety ho heviny dia 1) ireo olona izay miaina eo amin'ny tany na 2) "ny tany mihitsy."

Simba ny tany

Izay nataon'ny olona dia ratsy ary noresahina toy ny sakafo izay tonga lo. DH: "lasa lo" na "tena ratsy tanteraka"

teo anatrehan'Andriamanitra

Ireo mety ho heviny dia 1) "teo imason'Andriamanitra" na 2) "teo anatrehan'i Yaveh" toy ny ao amin'ny 4:16.

ary feno herisetra izany

Ny mpanoratra dia miresaka ny herisetra toy ny zavatra izay afaka atao ao anaty fitoeran-javatra sy ny tany ho toy ny fitoerany. DH:" ary maro ny olona misetrasetra teo amin'ny tany" na "satria feno olona izay nifanao zava-dratsy izany"

Indro

Ny teny hoe: "indro" dia manaitra antsika hitandrina tsara izay fampantarana tsy ampoizina izay hiseho maraka eto.

ny nofo rehetra

Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.

nanimba ny lalan'izy ireo

Ny fitondratenan'ny olona dia resahina toy ny lalana. DH: "nanatsahatra niaina ny lalana izay notakian'Andriamanitra" na "nanao fitondran-tena ratsy" (UDB)

Genesis 6:13

ny nofo rehetra

Adikao toy ny ao amin'ny 6:11 ireo teny ireo.

feno herisetra tamin'ny alalan'izy ireo ny tany

"ny olona rehetra eo amin'ny tany dia misetrasetra"

Haringako miaraka amin'ny tany izy ireo

"Haringako miaraka izy ireo sy ny tany" na "Handringana azy ireo Aho rehefa mandringana ny tany"

sambo fiara

Izany dia ilazana ny vata lehibe izay afaka mitsikafona eny ambony rano na dia amin'ny tafiotra be aza. "sambo lehibe" na "sambo"

hazo kypreso

Tsy dia fantatrin'ny olona loatra ny mety karazan'izany hazo izany. "Hazo nampiasaina hanamboarana sambo" na "hazo tsara"

rakofy dinty izany

"Fafazo dinty izany" na "lokoy dinty izany." Afaka hazavaina ny antony anaovana izany: "mba hahatonga izany tsy tatera-drano" (UDB).

dinty

zavatra miraikitra, matevina izany na ranomenaka izay ataon'ny olona amin'ny ivelan'ny sambo mba tsy hamelana ny rano hiditra eo amin'ny banga eo amin'ny hazo ao anatin'ny sambo.

hakiho

Ny hakiho dia fandrefesana, kelikely kokoa nohon'ny halavan'ny hatsasa-metatra.

telon-jato hakiho

"138 metatra." Afaka mampiasa ny fandrefesana Hebreo izay ao amin'ny ULB ianao na ny metatra fandrefesana avy amin'ny UDB na ny fomba fandrefesana ampiasaina ao amin'izay misy anao raha hainao ny mampitaha azy ireo amin'ny metatra fandrefesana. Afaka manoratra fanamarihana ambany pejy ihany koa ianao milaza hoe: "Ny telon-jato hakiho dia eo ho eo amin'ny 138 metatra."

dimam-polo hakiho

"telo amby roapolo metatra"

telo-polo hakiho

"telo ambin'ny folo metatra"

Genesis 6:16

tafo ho an'ny sambo-fiara

Mety ho tampony na tafo mitsororika izany. Ny tanjonan'izany dia hiaro ny zavatra rehetra ao amin'ny sambo fiara amin'ny orana.

hakiho

Ny hakiho dia kelikely kokoa nohon'ny halavan'ny antsasa-metatra. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:13.

tokotanin-tsambo ambany, faharoa sy fahatelo

"tokotanin-tsambo ambany, afovoany, ary ambony" na "tokotanin-tsambo telo ao anatiny" (UDB)

tokotanin-tsambo

"rihana" na "ambaratonga"

Mihainoa

Nilaza izany Andriamanitra mba hanasongadinana fa Izy dia hanao izay ho lazainy. "tandremo tsara" na "Henoy izay lazaiko"

efa mby hitondra ilay safo-drano eny ambonin'ny tany Aho

"efa handefa tondra-drano Aho" na "efa mby hahatonga tondra-drano Aho"

ny nofo rehetra

Eto ny "nofo" dia maneho ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby.

izay manana ny fofon'aina ao aminy

Eto ny "fofon'aina" dia maneho fiainana. DH: "izay miaina"

Genesis 6:18

hanorina ny fanekeko aminao Aho

"hanao fanekena amiko sy aminao"

miaraka aminao

miaraka amin'i Noa

Ho avy ao amin'ilay sambo-fiara ianareo

"hihiditra ao amin'ilay sambo-fiara ianareo." Ny fandikan-teny sasany milaza hoe: "handeha ho any amin'ny sambo-fiara ianareo."

Amin'ny zava-manan'ainan'ny nofo rehetra, dia tsy maintsy hitondranao roa avy amin'ny karazany rehetra mankao anaty sambo-fiara

"Tsy maintsy ho entinao ao anaty sambo-fiara ny karazany roa amin'ny zava-manan'aina rehetra"

zava-manan'aina

biby izay noforonin'Andriamanitra

ny nofo rehetra

Adikao ireo teny ireo toy ny ao amin'ny 6:11

Genesis 6:20

samy araka ny karazany avy

"ny isan-karazany avy"

ny zavatra mikisaka amin'ny tany

Ilazana ny biby kely izay mikisaka amin'ny tany izany (UDB).

ny roa amin'ny karazany

Ilazana ny roa amin'ny karazam-borona sy biby rehetra.

hamelona azy ireo

"koa afaka mamelona azy ireo ianao"

ho anao ... ho an'ny tenanao ... ianao

Ilazana an'i Noa izany ary dia ilazana olona iray.

karazan-tsakafo rehetra izay fihinana

"sakafo izay hohanin'ny olona sy ny biby"

Ka dia nataon'i Noa izany. Araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra no nanaovany azy

Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Ny fehezanteny faharoa dia manazava ny voalohany ary manasongadina fa i Noa dia nankatoha an'Andriamanitra. Ireo fehezanteny mifanindran-dalana ireo dia azo akambana ho iray. DH: " Ary Noa dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'Andriamanitra azy ho atao"