Toko 1

1 Paoly ndraiky Timoty, mpanompon'i Jesôsy Kristy, ho an-jareo jiaby voatôkagna ho an'i Jesôsy Kristy zay akagny Filipy, miaraka amin-jareo mpiandraikitry ndraiky reo diakona. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Babantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo. 3 Misaotra ny Zagnahariky zaho amin'ny fahatsiarovako areo. 4 Ao amin'ny fivavahako ho nihinareo jiaby, dia amin'ny aravoagna hatragny no anaovako ny fivavahako. 5 Magnamia fisaoragna zaho avy amin'ny fivoriagnanareo amin'ny vaovao maharavoravo nantomboko tamin'ny andro voalohany hatramin-jeo. 6 Matoky an,ny zao raha zao zaho, fao Izy zay nanomboko asa tsara taminareo dia hanôhy hagnatantairaka zany hatramin'ny andron'i Jesôsy Kristy. 7 Fao tsara aminaha ny mahatsapa karaha zany ny amin'ny mahakasiky areo jiaby satria akato am-pôko areo. Areo jiaby dia mpiara-miasa taminaha tamin'ny fahasooavagna na tamin'ny fagnamafisagna ny vaovao maharavoravo. 8 Fao Zagnahary no tomoako, fao ngoma areo fatatra zaho amin'ny famindram-pôn'i Kristy Jesôsy. 9 Aveo zaho mivavaka an'ny zao: mbô hitômbo hatragny hatragny ny fitiàvanareo amin'ny fahaizagna ndraiky amin'ny fahazavan-tsaigny jiaby. 10 Mivavaka ho an'ny zany zaho mbô hagneky zay tsara dia tsara areo, mbô ho tso-pô ndraiky tsisy tsigny amin'ny andron'i Kristy. 11 Mivavaka zaho mbô ho fenon'ny vokatra ny fahamarignagna zay avy amin'i Jesôsy Kristy areo, ho vogninahitry ndraiky fideragna an-Jagnahary. 12 Aveo tiàko ho hainareo,ry rahalahiky, fao reo raha jiaby zay niboaka taminaha dia niasa ho amin'ny fampandrosoagna ny vaovao maharavoravo koa. 13 Vokatr'izany, gadrako akao amin'ny Kristy dia niboaka mazava nagnairagna reo mpiambign'ny lapa jiaby ndraiky reo ologno hafa. 14 Ny ankamaroan-jareo rahalahy dia managna toky maventy koa akao amin'ny Tompo avy amin'ny gadrako, ary mahasaiky magnambara tsy amin'ny tahotro ny volagna zareo. 15 Ny sanany aby dia mgnambara an'i Kristy amin'ny fialonagna ndraiky fifandiragna koa, aveo zareo hafa ndraiky antsitrs-pô tsara. 16 Reto farany dia magnano zany amin'ny fitiavagna, mahay fao zaho dia napaitraka eto ho fiarovagna ny vaovao maharavoravo. 17 Fao regny voalohany dia magnambara an'i Kristy amin'ny fitiavan-taigna, fao tsy tso-pô. Izy regny dia mandiniky fao hagnakorontagna zaho raha mbôla ao amin'ny figadrako zaho. 18 Ino ary? Amin,ny fomba jiaby, na amin'ny fiatsaam-bailatsihy na amin'ny fahamarignagna, Kristy no ambara, ary miravo amin'ny zany zaho. Ia, ho ravo zaho, 19 fao haiky fao zany dia hifaragna amin'ny fagnafahagna zaho amin'ny alalan'ny reo vavakareo ndraiky ny fagnampian'ny Fagnahin'i Jesôsy Kristy. 20 Zany dia araka ny fiambaisako fatratra ndraiky ny antoko fao zaho dia tsy ho maignatra koa, aveo mbôla amin'ny fahasakiagna jiaby foagna, avaïzo mitovy ny talôha, dia hitômbo akato amin'ny aigninaha Kristy, na amin,ny fiainagna na amin'ny fahafataisagna. 21 Aminaha ny hoe miaigny dia Kristy ary ny hoe maty dia tombony. 22 Fao raha miaigny amin'ny nôfotro zaho, dia midika asa mahavokatra hoanaha zany. Kanaifa ino no ho fidiko? Tsy haiky. 23 Fao voatery mafy akeo agnailagnailan-jareo aroa zaho. Ny fagniriagnanaha dia ny handaiha ary hiaraka amin'i Kristy, zay tsara lavitry, 24 kanaifa ny mipaitraka akao amin'ny nôfotro dia ilaigny koa tsy tako areo. 25 Resy lahatra ny amin-jany, dia haiky fao hipaitraka ndraiky hanôhy hiaraka aminareo jiaby zaho, handaiha amin'ny fandrosoanareo ndraiky haravoagna akao amin'ny finoagna. 26 Mbô ho akao aminaha dia hanagna antony hiraiharaiha akao amin'i Kristy Jesôsy areo jiaby mimpody akagny aminareo ndraiky zaho. 27 Mitondrà taigna amin'ny fomba magnaiva ny vaovao maharavoravo an'i Kristy, kay na havy hizaha areo zaho na tsy akeo, fao mitsangagna mafy amin'ny fagnahy araiky areo, amin'ny saigny araiky miara- miaizaka ho avy amin'ny finoagna ny vaovao maharavoravo. 28 Ary aza magneky ampitahorin-jareo zay fahavalonareo. Mariky ny fahapotaihan-jareo zany, fao mariky ny famonjianareo koa- aveo zany dia avy amin-Jagnahary. 29 Fao namegny areo zany, hoan'i Kristy, tsy hoe mbô hinoanareo Azy foagna, fao hijaliagna ho Azy koa, 30 fao areo dia managna ady mitôvy amin'ny zay hitanareo taminaha, ary zay regninao aminaha avaïzo.