Toko faha 5

1 Ȏ rahalahy! koa misy ôlogno azon'ny ota, areo zay arapa-gnahy no tôkony hagnampôdy azy indraiky amin'ny fahamoram-pagnahy. Mandiniàha ny taignanao, mbô tsy ho halaim-pagnahy koa anao. 2 Mifampitongoasa ny mavaisatra, ary amin'zany dia tanteraho ny lalàgnan'i Kristy. 3 Koa raha misy ôlogno mandiniky ny taignany ho raha kanaifa tsisy dikany, dia mamitaka ny taignany izy. 4 Tôkony hadiniky ny asany aby ny tsiaraikiaraiky, mbô ho amin'ny taignany fogna ny antony hipoairapoairàny fao tsy amin'ôlognon-kafa. 5 Fa samby hitondra ny aintagnanazy aby ny ologno tsiraikiraiky. 6 Ny ôlogno zay nampianarigny ny teny dia tsy maintsy mizara ny raha tsara jiaby amin'ny zay mampagnanatra. 7 Aza magneky ho fitahigny. Tsy azo sangisangìgny Zagnahary, fa raha jiaby avolin'ôlogno, no ho didiany koa. Hoan'ny zay mamboly amin'ny tany feno fahotagna, dia avy amin'ny zany no handidiany fahasimbàgna. 8 Zay mamboly voa aminy'ny Fagnahy, amin'ny Fagnahy no handidiany ny fiainagna barikoditany. 9 Aoka atsika mbô tsy horairaka amin'ny fagananaovagna tsara, fa handidy ny vokatra atsika amin'ny fotoagna zany, koa tsy milavo lefogno atsika. 10 Kay noho zany, satria managna fahafahagna atsika, dia aoka hagnano tsara amin'ny ôlogno jiaby, intsakintsaka amin'ny fianakaviagnan'ny finoagna. 11 Zahavo ny hagidasan'ny soratara zay nisoroatan'ny tagnagnanaha mandeha aminareo. 12 Zareo zay tohohita ho tsara amin'ny nofotro no miaizaka manery areo mbô hoforàgna. Magnano zany zareo mbô hialagna amin'ny fagnenjahagna nohon'ny amin'ny kakazofijaliagnan'i Kristy. 13 Na zareo zay tsy voafora aby dia tsy mitandrigny ny làlagna, kanaifa tian-jareo ho foràgna areo mbô hiporaporain-jareo amin'ny nofotronareo. 14 Kanaifa tsy hipoairapoaira na afiriagna na afiriagna koa tsy amin'ny kakazofijaliagnan'i Jesôsy Kristy Tompontsika anie zaho, zay nagnomboagna ny izao tontolo izao taminaha, ary zaho koa tao amin'izaotontolo izao. 15 Fa ny famoràgna na ny tsy famoràgna dia samby tsisy dikany, fao ny fianagna vaovao no misy dikany. 16 Hon-jareo jiaby zay miaigny araka zany fomba zany, dia ho amin-jareo anie ny fiadanagna ndraiky famindaram-po, na amin'Israelin-Jagnahary aby. 17 Manomboko zao dia aoka tsy hoisy hankalaifaka zaho, fao mitondra reo marik'i Jesôsy eo amin'ny vatagnanaha zaho. 18 Hoamin'ny fagnahinareo anie ny fahasoavagnan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, ry rahalahy. Amena.