Toko faha 2

1 Efatra ambin'ny fôlo tagno tato afara dia niakatra tagny Jerosalema koa zaho niaraka tamin'i Barnabasy, dia ninday i Titosy niaraka taminaha. 2 Niakatra tagny nohon'ny fagnambaragna araiky zaho aviteo nagnambaila tamin-jareo ny vaovao maharavoravo izay ambarako eo amin-jareo jentilisa. Nivôlagna manôkagna tamin-jareo izay niminiminegny ho mavaisa-danja zaho, mbô hahazoagna toky fa tsy nilomoay_na efa nilomoay_ very maigny zaho. 3 Fa na Titosy aby, lehy niaraka taminaha no salakady Grika, dia nitiregny ho voavositry. 4 Nitsôfotro mangingigny zareo rahalahy sandoka mbô hitsikilo fahafahagna hanagnanay akao amin'i Kristy jesôsy. Nagniry ny hampijaly zahay zareo, 5 kanaifa tsy nety hagneky zareo na dia fotoagna hely aby zahay, mbô hibidôhan'ny fahamarignan'ny vaovao maharavoravo aminareo. 6 Fa zareo lehy niminiminegny ho mavaisa-danja( na ino na ino zareo dia tsy mampagnino zaho, zagnahary io tsy miangatra)_volagniko, areo, lehy miniminegny ho mavaisa-danja dia tsy nagnampy na ino na ino taminaha. 7 Mifanipaka amin-jany, hitan-jareo fa nagnankignagna vaovao maharavoravo hoan-jareo lehy tsy voavôsitry zaho, tôrotro ny nagnankignagna an'i Petera ny vaovao maharavoravoa hoan-jareo lehy voavôsitry. 8 Fa zagnahary, lehy niasa tamin'i Petera ho amin'ny maha apostôly hoan-jareo lehy voavôsitra, dia niasa tato aminaha koa hoan-jareo jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, avakeo Jaona, izay hay fa agnisan-jareo nagnorigny ny fiangonagna, koafa nahay fahasoavagna lehy namegny zaho, dia nagnomia ny tagnagna ankaherin'ny fiombonagna aminaha sindraiky Barabasy zareo. Natan-jareo zany mbô hahavitanay mandaiha amin'ny jentilisa, avakeo mbô hahavitan-jareo mandaiha akagny amin'ny reo lehy voavôsitry. 10 Nangataka fônga zareo mbô hahatsiaro ny tsy managana zahay, lehy raha taigna tiako tsabogny tokoa. 11 Izy koafa homby tagny Antioka i Kefasy, dia namaly azy teo amin'ny sorany zaho, satria voambara fa diso izy. 12 Talôhan'ny nahavian'ireo lalahy avy agny amin'i Jakoba, dia teo am-pihinanagna niaraka tamin-jareo jentilisa i Kefasy. Izy koafa tonga reo lalahy reo, dia nijanogno izy avakeo niteky lavitry reo jentilisa. Natahotra reo lehy nangataka famosiragna izy. 13 Ny sasany tamin-jareo Jiosy koa dia nikambagna tamin-jany fiatsaram-bailatsihy zany. Na Barnabasy aby dia voavezigny lalagna niaraka tamin-jareo tami'ny fiatsara-belatsihin-jareo. 14 Izy koa fa hitako fa tsy mizôho ny fahamarignan'ny vaovao maharavoravo ny fitondrataignan-jareo, dia nivôlagna tamin'i Kefasy teo agnivon-jareo jiaby zaho: "Izy koa jiosy anao kanaifa miaigny karaha ny jentilisa fa tsy karaha ny Jiosy, Ataonao akôry manery reo jentilisa hiaigny karaha Jiosy?" 15 Atsika dia Jiosy tamin'ny alalan'ny fahatirahagna fa tsy mpanota Jentilisa; 16 haintsika anaifa tsisy ôlogno hamarignin'ny asan'ny lalàgna fa amin'ny alalan'ny finoagna an'i Jesôsy Kristy. Atsika koa dia tonga tamin'ny finoagna an'i Jesôsy Kristy mbô ho hamarinigny amin'ny finoagna an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsy hisy nôfotro hamarinigny amin'ny asan'ny lalàgna 17 Izy koa, mitsakaraka ho hamarinigny akao amin'i Kristy atsika, atsika koa, dia hita fa mpagnano raha tsy manjary, kay mampirisiky ny fahotagna moa Kristy? tonga de tsia! 18 Fa raha manangagna ndraiky raha efa naravako talôha zaho, dia magnamarigny ny haignianaha fa mpandika lalàgna zaha. 19 Fa tamin'ny lalàgna no nahafataisako amin'ny lalàgna, mbô ho velogno ho amin-Jagnahary zaho. 20 Nohombogny niaraka tamin'i Kristy zaho. Tsy zaho eky no velogno, fa Kristy no velogno ato aminaha. Ny fiainagna iaignako akao amin'ny nôfotro avaizo dia iaignako amin'ny finoagna ny zanaka zagnahary, lehy tia zaha ka magnome haignianazy ho nihinaha. 21 Tsy magniliky ny fahasoavan-Jagnahary zaha, izy koa ndraiky azo amin'ny lalàgna ny fahamarinagna, dia tsisy dikany ny nahafataisan'i Kristy!