Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesôsy amin'ny alalan'ny sitrapon-Jagnahary, ndraiky i Timoty rahilahintsika, 2 ho an'reo mpino ndraiky reo rahilahy mahatoky ao amin'ny Kristy zay agny kolosia. Hoaminareo anie ny Fahasoavagna, ndraiky fiadanagan a avy amin-Jagnahary Babantsika. [Fagnamarihagna ambanin'ny pejy: Misy dikan-teny sasany magnampy hoe: "ary ny Tompo Jesôsy Kristy"]. 3 Magnamia fisaoragna Zagnahary atsika, lehy Babantsika Tompontsika Jesôsy Kristy, ary mivavaka lalandava areo zahay. 4 Afa regninay ny finoagnanareo an'i Kristy Jesôsy ary ny fitiavagan zay anagnanareo ho an'zay jiaby voataokagna ho amin'ny Zagnahary. 5 Managna zany fitiavagna zany areo noho ny fanantenagna azo antoko nataokagna areo agny andangitry. Tandrignaisinareo ny momba io fanantenagna azo antoko io talohan'ny volagna amin'ny fahamarinagna, ny vaovao maharavoravo, 6 zay tonga avy aminareo. Tô vavaovao maharavoravo tô dia mitondra vokatra aveo mitombo erantany. Zany dia afa nagnano zany taminao fogna koa nanomboko tamin'ny andro naharignaisanao azy ary nianaranao ny momban'ny fahasoavan-Jagnahary ao amin'ny marigny. 7 Tô ny vaovao maharavoravo zay araka ny nianaranareo tamin'ny Epafra, lehy mpiara-manompo tiantsika, zay manompo mahatoky Kristy amin'ny agnarantsika. [Fagnamarihagna ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Amin'ny agnaragna areo'] 8 Nambaran'ny Epafra zahay ny fitiavanareo ny Fagnahy. 9 Noho io fitiavagna io, hatramin'ny andro nagnamboahanay zany dia tsy nijanogno nivavaka areo zahay. Nangataka zahay mbô ho feno fahalalagna ny sitrapony amin'ny fahendriagna jiaby ndraiky fahalalagna ara-pagnahy areo. 10 Nivavaka zahay mbô handihananareo am-pahamendraihagna ao amin'ny Tompo amin'reo fomba hamokatra amin'ny asa tsara jiaby areo ary mbô hitômbo fahalalagna Zagnahary. 11 Mivavaka zahay mbô hahazo ngôvo amin'ny fahaizagna jiaby areo araka ny ngôvon'ny vogninahitry amin'ny fiaraitagna ndraiky faharaitagna. 12 Mivavaka zahay mbô hagnamia fisaoragna Babantsika amin'ny haravoagna areo, zay nahafahanareo hanagna anjara amin'ny laovan'reo mpino amin'ny fahazavagna [Fagnamarihagna ambany pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Zay nahafahantsika nanagna anjara."] 13 Namonjy atsika tamin'ny fana-pahan'ny haizigny sy namindra atsika ho agny amin'ny fanjakagnan'ny Zanany lalahy tiany Izy. 14 Ao amin'zany lalahy no anagnantsika ny fagnavaotagna, ny famelagna reo fahotagna. [fagnamarihagna ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Ao amin'ny Zanany no anagnantsika fagnavaotagna amin'ny liony, dia ny famelagna reo fahotagn."] 15 Ny Zanaka lalahy dia bikan'lehy Zagnahary tsy hita maso. Izy lehy tairaka voalohany tamin'ny fitsaboagna . 16 Fao tamin'ny alalny no nitsaboagna ny raha jiaby, reo zay agny andangitry sy reo eto ambonin'ny tany, reo raha hita maso ndraiky reo tsy hita. Na reo seza fiandrianagna, na reo fanapahagna, na reo fitondram-panjakagna, na reo manam-pahefagna, reo raha jiaby dia nitsabogny tamin'ny alalany sy ho Azy. 17 Izy no alohan'ny raha jiaby, ary ao aminy no haharaitan'ny raha jiaby. 18 Izy no lohan'ny vatagna, sy ny fiangonagna. Izy no fiandohagna sy tairaka voalohany avy eo agnivon'ny reo maty, kay Izy no nanagna toeragna voalohany teo agnivon'reo raha jiaby. 19 Satria sitraka Zagnahary ny tôkony ny hiaignan'ny fahatsaragna jiaby ao aminy, 20 ary mbô hampihavagna amin'ny alalan'ny Zanaka lalahy amin'ny raha jiaby amin'ny Izy vatany. Zagnahary dia nihavagna tamin'ny alalan'ny liony kakazo fijaliagna. Zagnahary no nampihavagna ny raha jiaby tamin'ny haigniny, na ny raha jiaby eto ambonin'ny tany na reo raha jiaby agny andangitry. 21 Tamin'ny fotoagna araiky fogna koa, dia vahiny tamin-Jagnahary ary fahavalony tao an-tsaigny ndraiky tamin'reo asa jiaby. 22 Fa avaizo, Izy no nampihavagna areo tamin'ny haignin'ny vatany jiaby tamin'ny alalan'ny fahafataisagna. Nitsabony zany mbô hagnanaovagna areo ho masigny, tsy hanam-pondro eo agnatraihany, ary nagnala baraka Azy noho ny Fagnaratsiagna, 23 raha manôhy amin 'ny finoagna areo, miorigny ndraiky mafy origny, dia aza miala amin'ny fanantenagna mahatokin'ny vaovao maharavoravo zay regninareo. Tô no vaovao maharavoravo zay nambara tamin'ny ôlogno jiaby nitsabogny ambanin'ny langitry. Tô no vaovao maharavoravo zay, nahatonga zaho, Paoly, ho mpanompo 24 Avaizo zaho dia ravo amin'ny fijaliako aminareo, ary zaho dia nameno ny nôfoko zay tsy amin'reo faahoriagnan'i Kristy noho ny haigniny, dia ny fiangonagna. 25 Noho ny fiangonagna no naha mpanompo zaho, araka ny andraikitry avy amin-Jagnahary zay namiany zaho ho areo, mbô hahatantairaka ny volagna Zagnahary. 26 Io no marigny zay mivôny nandritry ny taogno maro sy ho amin'ny taminga. Fa avaizo dia afa niboaka zany tamin'ny reo zay mino Azy. 27 Tamin-jareo no tian-Jagnahary nagnambaragna reo hariagnan'ny vogninahitry tô fahamarinagna mivôny tô teo agnivon'ny Jentilisa. Zany dia Kristy no ao aminao, lehy tokin'ny vogninahitry hoavy. 28 Dia Izy lehy nambaranay. Nagnanatra ôlogno jiaby zahay, ary nampianatra ny ôlogno jiaby tamin'ny fahendriagna jiaby, mbô hagnomiazantsika ny ôlogno jiaby feno ao amin'ny Kristy. 29 Noho zany dia miasa mafy zaho ndraiky miaizaka araka ny ngôvony zay miasa ato aminaha amin'ny ngôvo.