Toko 1

1 Paoly, ndraiky Silasy, aveo Timoty, hoagny amin'ny fiangonan-jareo Tesaloniana ao amin-Jagnahary Babantsika sy Jesôsy Kristy Tompo. 2 Hoaminareo anie ny Fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Babantsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo. 3 Zahay dia tôkony hagnamia fisaoragna Zagnahary hoanareo fogna, ry rahalahy. Fao zany no tsara tsabogny, satria tegna mitômbo fatatra ny finoagnanareo, ndraiky ny fitiavagna areo tsiaraikiaraiky dia mitômbo ho an'ny hafa. 4 Noho zany dia zahay haigninay dia mivolagna am-piraiharaihagna mahakasiky areo eo amin'reo fiangonan-Jagnahary. Zahay dia mikoragna ny mahakasika ny faharaitanareo aveo ny finoagnanareo tamin'ny zay raha jiaby nagninjaihagna areo. Mikoragna mahakasiky reo fahoriagna zay niaraitanareo. 5 Zany dia famantaragna ny fitsaragna marin-Jagnahary. Ny vokany dia hiraisigny ho mendriky ny fanjakan-Jagnahary zay nijalinareo areo. 6 Marigny amin-Jagnahary ny hamaly fahoriagna reo zay nampijaly areo, 7 ary hagnamia fitsaharagna aminareo zay nampahoriagna niaraka taminay. Hotsabony zany amin'ny fiboahan'i Jesôsy Tompo avy agny andangitry miaraka amin'reo anjelin'ny ngôvony. 8 Ao amin'ny môtro milolalola no hagnanaovany ny valifaty amin'reo zay tsy mahay Zagnahary ndraiky amin'reo zay tsy mamaly ny vaovao maharavoravon'i Jesôsy Tompontsika 9 Zareo dia hijaly amin'ny famaizagna ny fandringanagna bariky ditany lavitry ny fagnatraihan'ny tompo ndraiky vogninahirty ny ngôvony. 10 Hitsabo zany zany Izy koafa avy amin'zany andro zany mbô hagnamaizan'ny ôlogno anazy vogninahitry Azy ndraiky reo jiaby zay nino. Fao ny fijoroagnanay vavolombelogno aminareo dia ninoagna. 11 Noho zany mivavaka lalandava areo fogna koa zahay. Mivavaka zahay mbô ho mendriky ny hiraisin-Jagnaharintsika amin'ny fagnantsaovagana areo. Mivavaka zahay mbô hitantanterahiny amin'ny ngôvo ny fagniriagnanareo ny fahatsaragna ndraiky asan'ny finoagna jiaby. 12 Mivavaka ho an'reo raha reo zahay mbô amianareo vogninahitry ny agnaragna Jesôsy Tompontsika. Mivavaka zahay mbô hamiazany vogninahitry areo, nohon'ny fahasoavan-Jagnaharintsika ndraiky Jesôsy Kristy Tompo.