Toko faha 6

1 Mitandrema mba tsy hagnano gn'asany gne fahamarignanareo eo agnatrehane gn'olo enareo mba ho itandreo, fa raha tsy izà da tsy hahazo valisoa avy amigne Rainareo izay avy agny an-dagnitry. 2 Dikan'izà raha magnambara gne famindra-po enareo, da ka mitsotry trompetra misariky gne hafa akoigne gnaninè mpiatsara velatsihy agny amè synagoga sy egny amè gn'arabe, mety hahazo gne fiderany gn'olo indreo. Zakaiko marigny aminareo, fa indreo da efa nandray gne valisoany. 3 Raha mampiseo gne famindra-po enareo, da kany fatany gne tagnanao akavia gne raha anine tagnanao akavana, 4 tonga da omeo mangingy gne fagnomezanareo. Avy eo gne Rainareo gne mahita mangingy gne hamaly tsara anareo. 5 Raha mivavaky enareo, ka magnano akoigne mpihatsaravelatsihy, fa indreo tia mitraka sy mivavaky eo amigne synagoga sy eo amoron-dàla, da mety ho itany gn'olo. Zakaiko marigny aminareo, fa indreo da efa nandray gne valisoany. 6 Enareo, rehefa mivavaky, midira ao amign'efitragnonareo izay ao amè mangingy. Avy eo gne Rainareo mahita ao amigne mangingy gne hamaly tsara anareo. 7 Rehefa miavavaky koa enareo da kamaro raha zakay amigne raha ts misy ilà anazy akoign'anine jentilisa,gn'amè fiheverany fa re ndreo nohony gne zaka maro aniny. 8 Noho izà, ka magnano akoign'anindreo, fa gne Rainareo da efa mahafantatry gne raha ilainareo alohanign'angatahanareo Aminazy. 9 Dikan'izà mivavaha akoizao hoe: 'Rainay izay agny andagnitry, ho hamasigny gn'agnaranao. 10 Ho tonga anie gny fanjankanao. Atao anie gne sitraponao, ety an-tany tahaka gn'agny an-andagnitry. 11 Omeo anay amizao gne sakafo ampy ho anay. 12 Mamelà gne helokay, akoigne hamelanay izay meloky aminay. 13 Ary aza mitondra anay amigne fankam-pagnahy, fa magnafà anay amigne ratsy.'''[Fagnamaria: gne dika teny taloha tena tsara da magnala gne hoe: ''Fa Anao gne fanjakà sy gne hery ary gne voninahitry mandrakizay. Amen.''] 14 Raha mamela gne hadisoane gn'olo enareo, da hamaly anareo evakoa gne Rainareo agny an-dagnitry. 15 Fa raha tsy mamelà gne fahadisoandreo enareo, da tsy hamelà gne hadisoanareo gne Rainareo. 16 Akoatr'izay, rehefa mifady hany enareo, ka mampiseho endriky mampalahelo akoign'aninè petsaravelatsihy, fa magnaratsy tarehy indreo da mety ho itanign'olo fa tena mifady hany. Zakaiko marigny aminareo,fa efa nandray valisoa indreo. 17 Fa enao, rehefa mifady hany, osory menaky gne lohanao da avy eo sasay gne tarehinao, 18 mba tsy ho itanignè hafa hoe mifady hany, fa amè Rainao ao amignè mangingy evao; gne mahita ao amigne mangingy, hamaly tsara anao. 19 Ka miopy gne harenanareo ety an-tany, raha ho simbanè kalalao sy harafesy io evao, ary hidiranigne mpangalatry an-keriny da hangalariny. 20 Fa kosa, opio gne harenareo agny an-dagnitry, izay tsy ho simbanigne kalalao sy harafesy, ary tsy idiranigne mpangalatry an-keriny ka angalariny. 21 Fa gne misy gne harenao, gn'ipetrahany gne fonao evakoa. 22 Gne maso gne jirone vata. Noho izà, raha tsara gne masonao, da ho feno fahazava gne vatanao aby. 23 Fa raha ratsy gne masonao, da ho mizy gne vatanao aby. Noho izà, raha mizy gne fahazava ao agnatinao am'izao, magnano akory gne hazakaben'izà mizy izà! 24 Tsy misy afaky hanompo Tompo roy, fa gne raiky ho halany,ary gne raiky ho tiàny, raha tsy izà da hanolo-tegna ho anigne raiky da ts hitia gne raiky hafa. Enao da tsy afaky hanompo gne Zagnahary sy gne harena. 25 Noho izà zakaiko aminareo, ka misalasala momba gn'ainareo izay hohaninareo na izay indranominareo -na momba gne vatanareo, izay isikinareo. Fa tsy zakabe nohony gne sakafo me gne fiaina, ary gne vata zakabe nohony gne fitafia? 26 Iteo gne voro egny amè lagnitry. Iregny da tsy mamafy na mihila na mandagno ao amè fiopia, fa Rainareo gne agny an-dagnitry da mamaha an'iregny. Tsy lafo vidy mihôtry an'iregny me enareo? 27 Ia aminareo gn'afaky magnampy hakio raiky amign'andro hiaignany amignè fisalasala? 28 Nagnino enareo no misalasala momba gne raisikinareo? Dinio tsara gne fitsirianè vonikajo agny atondo, akory gne fitsirian'izy iregny. Tsy mba miasa izy iregny, ary tsy mamboly fitafia. 29 Zakaiko aminareo, ndre i Solomona amigne voninahitriny aby da nisiky akoigne raiky amiregny. 30 Raha ampisikininè Zagnahary akoign' ahitry agny atonda, gne misy anio aby sy omaray da haria ao amigne fata, magnano akory gn'ampisikinany anareo bebe kokoa, enareo ry kidy finoa? 31 Noho izà, ka misalasala gne mizaka hoe: 'ino gne hohaninay?' na hoe: 'ino gne hindranominay?' na hoe: 'ino gne raisiky ho aninay?' 32 Fa gne Jentilisa mitadia io raha io, ary gne Rainareo izay agny an-dagnitry da mahafantatry fa mila an'iregny enareo. 33 Fa tadiavo aloha gne fanjakany sy gne fahamarignany da homeny anareo ireo raha ireo. 34 Noho izà, Ka misalasala gn'omaray, fa gn'omaray hitahy gn'anazy. Ampy ho anign'andro tsiraikiraiky gne ratsy ao aminazy.