Toko faha 17

1 Erign'andro taty afara, Jesosy da nangala an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka ninday andreo niakatry tamè vohitry avo mba hitokany. 2 Da niova gn'endriky Jesosy, ka gne tarehiny namirapiratry mitovy amè masoandro, ary gne fitafiany lasa namiratry mitovy amè hazavà. 3 Io ary, niseho tamindreo Mosesy sy Elia nikora tamin' i Jesosy. 4 Da nizàka Petera ka nagnano tamin'i Jesosy hoe : ''Zagnahariko, tsara raha midoboky etoa isika. Raha sitrakao, da hagnano fialofa telo ho antsika etoa iao - gne raiky anao, gne raiky an'i Mosesy, ary gne raiky ho an'i Elia.'' 5 Raha mbola nizàka avao izy, igny nisy rahona mazava nandrakotry andreo, ary nisy feo nizotso avy tao agnaty rahona nagnano hoe : '' Ity gne zanako malalako, izay sitrako tokôtry. Tenomy izy.'' 6 Rehefa naharè izà gne mpianatry, da lavo niondriky sady niala. 7 Ary Jesosy nagnato anazy, da nizàka anazy hoe : '' Mitsangàna, fa ka malia izà. 8 Ka rehefa nitrôtry indreo, da tsy nahita olo afa tsy i Jesosy raiky avao. 9 Ary rehefa nijotso gne tendrombohitry indreo, da nandrara anazy i Jesosy hoe : '' Ka mizàka amin'olo gne raha hitanareo, mandrà-pitsanganan'gne zanak'olo amè maty. 10 Ary gne mpianatry nagnotany anazy hoe : '' Ino gn'ilazan'gne mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?'' 11 Ka Jesosy namaly anazy hoe : " Elia da efa avy lahatany ka hampody gne zavatry rehetra. 12 Nefa zakaiko anareo: " Efa tonga Elia, nefa gne olo tsy nahafantatry anazy, fa nagnano izay sitraky gne fony taminazy evao. Da mitovy aminizà evakoa gne hampiaretany gne zanak'olo. 13 Da fantatry gne mpianatry fa Jaona Mpagnano Batisa gne nozakainy taminazy. 14 Ka rehefa avy tamè vahoaky indreo, nisy lehilahy raiky nagnato an'i Jesosy, da nandoaliky taminazy ka nagnano hoe : " 15 Zagnahariko, mamindrà fo amè zanako lahy, fa marary gne boloka izy ka mahantra tokôtry, fa matetiky izy gne lavo amè afo sy gne rano.'' 16 Ka ninday anazy tamè mpianatrao iao, fa kaiky tsy nahay nagnasitrany anazy indreo. 17 Ary Jesosy namaly ka nizàka hoe : " Ry taranaky tsy mino sady efa nivadiky, ovia avao iao vao hitoetra ao aminareo? Mandrà-pahovia gne handeferako aminareo? Indeso aty amiko izy." 18 Ka nizàka mafy anazy i Jesosy, da nijotso taminazy gne demonia, da sitrany ilay koboty tamin'io ora io. 19 Da nagnato an'i Jesosy mangingina gne mpianatry ka nagnotany anazy hoe : " Nahoa iahay gne tsy natafajotso anazy?" 20 Ka namaly Jesosy hoe : " Nohon'gne fahakelezan'gne finoanareo avao; fa zakaiko aminareo marina tokôtry : " Raha manampinoa mitovy amè voan-tsinampy raiky aza anareo ka hizàka amin'io tendrombohitry io hoe : " Mifindrà am'regny; " da hifindra izy, ary tsy misy raha tsy hainareo hamboary esana. 21 " Fa ity karazana demonia ity da tsy mijotso raha tsy miaraky amè vavaky sy fifadian-kanina." 22 Ary rehefa nidoboky tany Galilia izy, Jesosy nizàka tamè mpianany hoe : " Gne zanak'olo efa hatolotry ho eo an-tàgnan'gne olo, 23 ka hovonoy, nefa amin'gne andro fahatelo da hitsangany indraiky izy.'' Ary da nalahelo indreo. 24 Ary rehefa tonga tany Kaperinaomy indreo, da nagnato an'i Petera ireo lehilahy izay nanangony gne hetra atsasaky gne sekely ary nizàka hoe : " Tsy mandoa gne hetra atsasaky gne sekely me gne mpampianatrareo?" 25 Hoy izy hoe: "Eka." Fa rehefa niditry t'andragno Petera, da Jesosy aloha gne niresaky taminy ka nagnano hoe: " Ino gne eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany,avy amin'ia gne andraisandreo hetra na hetran'olo? Avy amindreo vahoakany sa avy amindreo vahiny?" 26 Ka namaly Petera hoe: " Avy amindreo vahiny," Da hoy Jesosy taminy hoe: "Da afaky amè fandoava izà ireo vahoaky. 27 Fa mba tsy hampanotantsika gne mpamory hetra, da mandehana any amè ranomasy, nagnipaza fitana amignao, ary alay gne trondro izay azo voalohany. Rehefa voasokatrao gne vavany, da hahita sekely anao. Alaivo izà ary omeo ireo mpamory hetra ho Anah sy ho anao."