Toko faha 16

1 Avy gne Fariseo sy gne Sadoseo ary nitsapa Anazy ka nangataka Anazy mba hampiseho andreo famantara avy agny an-dagnitry. 2 Fa Izy namaly ary nizaka andreo hoe: ''rehefa hariva, da hoy enareo hoe: ho tsara gn'andro, fa mena gne lagnitry.' 3 Rehefa marandray, da hoy enareo hoe: 'ho ratsy gn'andro, fa mena sy boziky gne lagnitry.' hainareo gne mamatatry gn'endrikiny gne lagnitry, fa enareo tsy afaky mandika io famatara ny gne fotoa io. 4 Gne taranaky ratsy sy mpijangajanga da mitadia famatara, fa tsy hisy famatara homè anazy akotrinè famataran'i Jaona.'' Avy teo Jesosy niala andreo ka lasa. 5 Rehehefa avy eregnilany egny gne mpianatry, da adignondreo gne ninday mofo. 6 Hoy i Jesosy tamindreo hoe: ''miambena ary mitandrema amigne matrambatrambany gne Fariseo sy Sadoseo.'' 7 Niady hevitry ireo mpianatry nizaka hoe: ''noho isika tsy ninday mofo izà.'' 8 Jesosy nahafantatry an'izà da nizaka hoe: ''enareo ry kidy finoa, nagnino enareo mekanitao aminareo da mizaka fa nohonigne tsy nindesanareo mofo izà? 9 Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo gne mofo dimy ho anigne dimy arivo, ary haro firy gne nalagnonareo? 10 Na gne mofo fito hoane efatr'arivo, ary haro firy gne nalagnonareo? 11 Nagnino gne tsy ahazoanareo fa tsy momba gne mofo gne nozakaiko anareo? Miambena ary mitandrema amigne masirasirany gne Fariseo sy Sadoseo. 12 Avy teo azondreo fa tsy hitandrigny amè matrambatrambanè mofo gne nozakainy andreo, fa hitandrigny gne amè fampianaranè Fariseo sy Sadoseo. 13 Ary rehefa avy tagny amè faritry akeky gne Kaisaria-filipo Jesosy, da nagnontany gne mpianatriny Izy, magnano hoe: ''aninè gn'olo ho ia me gny Zanak'Olo''? 14 Hoy indreo hoe: ''gne sasany mizaka fa Jaona mpagnano batisa; gne sasany, Elia; ary ireo hafa Jeremia, na raiky amindreo mpaminany.'' 15 Hoy Izy tamindreo hoe: ''fa enareo kosa magnano Anah ho ia?'' 16 Namaly, Simona Petera nagnano hoe: ''Enao gne Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velogny.'' 17 Namaly Jesosy ka nagnano taminy hoe: ''sambatra enao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy gne nofo sy gne rà no nagnambara iza taminao, fa gne Raiko izay agny an-danitry. 18 Zakaiko aminao evakoa fa enao no Petera, amboninity pelapelam-bato ity no hagnoremako. Gne vavahadinè kobory da haharesy iza. 19 Homeko anareo gne fagnalahidinè fanjakanè lagnitry. ''ndre ino ndre ino fihezinao eto amboninè tany da ho fihezy agny an-dagnitry ary ndre ino ndre ino vahanao ety an-tany da ho vahana agny an-dagnitra.'' 20 Avy eo Jesosy nandidy gne mpiatriny fa indreo da tsy tokony hizaka na amin'ia na amin'ia fa Izy no Kristy. 21 Tamn'izà fotoa izà Jesosy nanomboky nizaka gne mpianatriny fa tsy maintsy ho agny Jerosalema Izy, hiatriky finalize maro eo an-tagnanè loholona sy gne lohane mpisorogny ary ireo mpanora-dalalàgna, ho vonoy sy hatsanga indray amè gn'andro faha telo. 22 Avy teo Petera nangala Anazy ka nizaka mafy A anazy,magnano hoe: ''Ho lavitry anao anie izany,ry Tompo; tsy hitranga aminao mihitsy anie izà.'' 23 Fa jesosy nitodiky ka nizaka tamin'i Petera hoe: ''mela gn'afarako ao, ry Satana! Enao da sakagny ho Anahy,noho enao tsy miraharaha ireo rahane Zagnahary, fa gne zavatry gn'olo.'' 24 Avy teo Jesosy nizaka tamigne mpianatriny hoe: ''Raha misy ta-hagnaraky Enahy da tsy maintsy mandà gne tegnany izy,hinday gnazofizalia, ary magnaraky Enahy. 25 Fa na ia na ia te-hamonjy gn'ainy da hahavery anazy, ary na ia na ia no hahavery gn'ainy avy aminaha,da hahazo enizà. 26 Fa ino moa gne tsara ho azonè gn'olo raha mahazo enizao tontolo izao kanefa very gn'ainy? Ino omegn'olo ho takalonè gn'ainy? 27 Fa gne zanak'olo da ho avy amè voninahitry gne Rainy miaraka amin'ireo anjely. Avy eo Izy hamaly tsara gn'olo tsiraikiraiky arak'izay vitany. 28 Zakaiko aminareo maringy, fa misy sasany aminareo izay mijoro etoa gne ts hagnandra gne fahafatesa mandrapahitandreo gne Zanak'olo avy amè fanjakany.''