Toko faha 15

1 Avy eo nisy Fariseo sy mpanora-dalàgna sasasasany avy agny Jerosalema nagnato an'i Jesosy. Hoy indreo hoe: " 2 nagnino gne mpianatrao mandika gne fomban-drazanè zok'olo? Fa tsy manasa gne tagnany indreo alohany gne hihina." 3 Namaly Izy ary nizaka tamindreo hoe: "nagnino ary enareo mandika gne lalàne Zagnahary nohony gne fomban-drazanareo? 4 Fa Zagnahary nizaka hoe: 'hajay iabanao sy iendrinao', ary 'gne nizaka ratsy tamigne rainy na gne reniny, da ho faty dato.' 5 Fa enareo mizaka hoe: 'ndre ia ndre ia mizaka amigne rainy na gne reniny hoe: "ndre ino ndre ino fagnapia azonareo avy aminaha da fagnomeza ho anè Zagnahary amizao,"' 6 izà olo izà da tsy mila magnaza gne rariny. Amizà fomba izà da nofoagnanareo gne zakane Zagnahary nohonigne tombotsoanè fomban-drazanareo. 7 Eh mpiatsaravelatsihy! Marigne gne faminanian'Isaia mikasiky anareo raha nizaka izy hoe: 8 'ity vahoky ity da magnaza anahy amigne molotry ndreo, fa gne fondreo da lavitry anahy. 9 Tsy misy dikany gne fiderana anahy, satria indreo mampianatry gne didine gn'olombelo akogne fampianarandreo."' 10 Avy eo nangaiky gne vahoky ho Aminazy Izy ary nizaka tamindreo hoe: "mitenoma da mahazahoa - 11 Tsy gne miditry ambavan'olo gne mandoto gn'olo. F'izy da gn'avokinè vava, gne mandoto gn'olo. 12 Avy eo nagnato gne mpianatry ary nizaka tam'i Jesosy hoe: "izy me kô fantatrao fa nandiso fagnategna ireo Fariseo raha naharè izà zaka izà?" 13 Jesosy namaly danizaka hoe: "gne raha mitsiry izay tsy nambolenè Raiko agny an-dagnitry da hofoagna aby. 14 Avelay indreo ho eo, indreo da mpitariky jamba. Raha misy olo jamba raiky mitariky jamba raiky hafa, da samby ho latsaky akady izy roy." 15 Petera namaly da nizaka tam'i Jesosy hoe: "azavay aminay izà fagnohara izà." 16 Hoy Jesosy hoe: "tsy manam-pahalala vakoa me enareo?" 17 Tsy hitanao me fa gne miditry amigne vava da mandeha amigne troky ary avy eo da havoaky agny amigne kabonè? 18 Fa gne raha avôkinè vava da avy amigne fo. Io raha io gne mandoto gn'olo raiky. 19 Fa avy amigne fo no ivoahane sain-dratsy, gne vono olo, gn'atrerata, gne fangalam-badin'olo, gn'halatry, gne fijoroa vavolombelo tsy marigny, ary gne zaka ratsy. 20 Ireo raha ireo no mandoto gn'olo raiky. Fa gne mihina amigne tagna tsy misasa da tsy manoto gn'olo raiky." 21 Avy eo Jesosy niala teo da niverigny tagny amigne faritanin'i Tyro sy Sidona. 22 Igny, nisy viavy Kananita raiky avy amizà faritry izà. Nangaiky mafy izy ary nizaka hoe: "mamindrà fo aminaha, e Tompo, Zanak'i Davida o! Gne zanako viavy da ampizalinè devoly mafy." 23 I Jesosy tsy namaly zaka anazy. Nagnato gne mpianatriny da niangavy Taminazy, nagnano hoe: " roahy izy, fa mitabataba mafy amitsika." 24 Fa Jesosy namaly ary nizaka hoe: "tsy nirà ndre ia ndre ia Iaho afa-tsy ho anign'ondry very ao amigne fianakavian'Isiraely." 25 Fa da avy nangataky sy nandohaliky tagnatrehany izy, nagnano hoe: " Tompo, vojeo iaho." 26 Namaly Izy da nagnano hoe: "tsy rariny raha alay gne mofon-jaza ka aria ho anign'aboa. 27 Fa hoy izy hoe: "eka, Tompo, ndre gn'amboa aza mba mihina gne sisa tsilany latsaky avy amigne latabatry gne tompony." 28 Da namaly Jesosy ary nizaka taminazy hoe: "raviavy, zakabe gne finoanao; ho tanteraky aminao anie izà araky gne irinao." da sitragny gne zanany viavy tam'izà lera izà. 29 Niala teo Jesosy da nandeha akekigne ranomasin'ny Galilia. Avy eo da niakatry tegny amigne tendrombohitry raiky Izy da nidoboky teo. 30 Vahoky maro gne nagnato Anazy. Nindesindreo niaraky tamindreo gne mandavo, gne jamba, gne moa, gne kilemay, ary gne marary hafa koa. Napetrakindreo teo amigne tombok'i Jesosy ireo; da notsaboiny. 31 Da gaga gne vahoky raha nahita gne moa nizaka, gne kilemay sitragny, gne malemy afaka amandeha, ary gne jamba nahita. Nankalaza gn'Andriamanitr'Israely indreo. 32 Niantso gne mpianatriny mba hagnato Anazy Jesosy ary nizaka hoe: "malahelo gne vahoky Iaho, satria efa telo andro sahady indreo gne nipetraky niaraky taminaha nefa tsy mana-sakafo. Tsy te handefa andreo tsy misakafo Iaho, fa mety ho himia egny an-dàla egny." 33 Hoy gne mpianatry Taminazy hoe: "aia gne hahitanay mofo sahaza sy ampy gne vahoky maro be ireo aty agn'efitry?" 34 Hoy Jesosy tamindreo hoe: " mofo firy gnagny aminareo?" Ary hoy indreo hoe: "fito, sy vily madiniky kidy." 35 Avy eo Jesosy nandidy gne vahoky mba hidoboky amigne tany. 36 Nandray gne mofo fito miaraka amigne vily Izy, ary rehefa nisaotry, da namaky gne mofo da natolotry hoanigne mianatry. Gne mpianatry gne nagnome gne vahoky. 37 Nihina ary afa-po gne vahoky aby. Avy eo indreo nandagno haro zakabe fito feno gne sisa tsy lany. 38 Gne nihina da efatr'arivo lahy, tsy agnatiny gne zaza miaraky vivay. 39 Avy eo Jesosy nam-pody gne vahoky da niondra amigne sambo kidy ary da nandeha amigne faritr'i Magadana.