Toko faha 3

1 Tam'iza andro iza Jesosy nandeha nizotso gne tragno ary nidoboky teo amorony gne ranomasy. 2 Nisy vahoky maro nilagno nagnodidy Anazy, ka da nihiditry tao amigne sambo kidy Izy ary nidoboky tam'izà, raha nitsanga teo amoron-dranomasy koa gne vahoky aby. 3 Avy teo Jesosy nizaka raha maro tamindreo tamign'alalanè fagnohara. Hoy Izy hoe: ''igny, nisy mpamboly raiky nandeha nizotso hamafy voany. 4 Raha izy namafy igny, da nisy voany sasany latsaky t'amoron-dala, ary tonga ireo voro tonga da nihina. 5 Gne voa hafa ndray da latsaky tamigne tany be vato, izay tsy nahazoanigne nofon-tany tsara. Tsy nisy fisalasala tonga da nitsiry, satria tsy laly gne tany. 6 Fa rehefa niboda gne masoandro, da maigne izy, satria tsy nisy vahatriny, ary da nalazo. 7 Nilatsaky tamigne fatsy ireo voany hafa. 8 Gne voany hafa milatsaky tamigne tany tsara ary nanagnisiky voany, gne sasany amboniny gne zato, gne sasany enim-polo, ary gne sasany telo-polo. 9 Gne mana sofy oka izy iteno.'' 10 Tam'ireo mpianatry ary nizaka Jesosy hoe: ''nagnino Enao no miresaky am'ireo vahoky amign'alalanè fahoria?'' 11 Namaly Jesosy ary nizaka andreo hoe: Enareo gne nome tombony hahafantatry ireo raha-mifinigne fanjakanè lagnitry, fa ho andreo da tsy nomè enizà. 12 Satria na ia na ia mana, da ho zakabe gne homè. Fa na ia na ia kosa tsy mana, na ia hanagnany aza da ho alà aminazy. 13 Izà gn'antony hiresahako amindreo amign'alalanè fagnohara; ndre da magnety indreo, da tsy mahita; ary ndre da miteno aza indreo, da tsy maharè, na mahazo. 14 Amindreo gne faminanian'Isaia no tanteraky, izay mizaka hoe: 'rehefa miteno da ahare enareo, saingy tsy hahatakatry. 15 Fa lasa bado gne fon'ity vahoky ity, ary mafy sofy indreo, ary nakipindreo gne masony, mba tsy hahita amigne maso-ndreo, na hahare amigne sofi-ndreo, na hahazo amigne fo-ndreo, ka hibebaky indray indreo, ary hagnasitrana andreo Iaho.' 16 Fa sambatry gne masonareo, satria mahita; ary gne sofinareo, satria mandre. 17 Zakaiko marigny aminareo fa mpaminany sy olo-marigny maro no nagniry gn'ahita gne raha izay hitanareo, kanefa tsy nahita an'ireo. Nagniry gne niteno ireo raha izay renareo indreo, kanefa tsy nahare an'ireo. 18 Da mitenoma ary gne fagnohara gn'amigne mpamboly raiky izay namafy gne voany. 19 Rehefa misy miteno gne zakane fanjaka kanefa tsy mahazo enizà, da avy gne ratsy ary magnombotry izay nafafy tao am-pony. Io gne voany nafafy tegny amoron-dala. 20 Gne namafy tegny amigne tany be vato da gn'olo izay nahare gne zaka ary avy hatragny da nandray anazy ampifalia, 21 saingy tsy mbola mitsiry tsara gne vahatriny ao agnatiny ary da tsy ela aby. Rehefa avy gne fahoria na gne fagniagna nohonigne zaka, da malaky diso fagnategna izy. 22 Gne nafafy tegny amigne fatsy, io da gn'olo izay nahare gne zaka, saingy gne fisalasalan'izao tontolo izao sy fitaky gne harena no mamatotry gne zaka, ary da lasa tsy managnisiky izy. 23 Gne nafafy tamigne tany tsara, io gn'olo izay mahare gne zaka ary mahazo izà. managnisiky izy ary mahatonga gne voany raiky, hagnome taranaky maro mihotry gne nambole, gne sasany enim-polo, gne sasany amboninè telo-polo." 24 Nahare fagnohara hafa tamindreo Jesosy. Hoy Izy hoe: "gne fanjakane lagnitry da akoigne lelahy raiky izay namafy voany tsara tao amigne horaky. 25 Fa raha natory igny gn'olo, da avy gne fahavalony ary namafy voan'ahabazà evakoa izy tao amigne variny ary nandeha. 26 Rehefa nitsiry ireo vary ary avy eo namokatry voany, da nitsiry evakoa ireo voan'ahabazà. 27 Avy gne mpanompone tompon-tany ary nizaka taminazy hoe: 'Tompoko, tsy namafy voa tsara tao amigne horakao me enao? Nagnino izy zao lasa misy voan'ahabazà?' 28 Hoy iz tamindreo hoe: 'nisy fahavalo nagnano an'izà.' Hoy ireo mpanompo taminazy hoe: 'da tianao me gne handiananay magnombotry enazy ireo?' 29 Gne tompon-tany nizaka hoe: 'aeky. Satria raha magnobotry ireo ahabazà enareo, da mety hagnombotry gne vahatr'ireo vary miaraka am'ireo koa. 30 Avelay hiaraky hitsiry izy roy hatramigne fihilam-bary. Amigne fotoam-pilam-bary da hizaka amigne mpihila iaho hoe: ''alay aloha ireo ahi-dratsy ary fihezo tady maromaro mba hagnoroa anazy ireo, fa alagnono ao amigne fiom-piam-bokatry kosa ireo vary." 31 Avy eo Jesosy nahare fagnohara raiky hafa tamindreo. Hoy Izy hoe: "gne fanjakane lagnitry da akoigne voatsinapy izay nalainy gne lelahy raiky ary nafafiny teo amigne taniny. 32 Io voa io tokoa da voa farany gne kidy indrindra amigne voa aby. Fa rehefa nitsiry izà, da zakabe noho ireo raha-mitsiry tany. Lasa hazo izà, mba hevian'ireo voro mpandrembo ambony ary hagn'amboarandreo tragno amigne sapany." 33 Avy eo Jesosy nizaka fagnohara raiky hafa. "gne fanjakane lagnitry da akoigne masirasia izay nalainy gne viavy raiky ary nafangarony tamigne lafariny intelo nagnisy mandra-piakatry gne foto-koba aby." 34 Fagnohara gne nagnambaran'i Jesosy gne raha aby tamigne vahoky; ary tsy nizaka ndre ino ndre ino tamindreo afa-tsy tamigne fagnohara Izy. 35 Izà da mba hahatanteraky gne zaka tamign'alalanè mpaminany, rehefa nizaka Izyhoe: "Iaho gne mizaka aloha amign'alalanè fagnohara. Hizaka raha nafiny nanomboky tamigne nagnamboara an'izao tontolo izao Iaho. 36 Avy eo Jesosy niala gne vahoky ary niditra an-dragno. Nagnato gne mpianatriny ary nizaka ho: ''azavao aminay gne fagnohara mikasiky gn'ahabazàne gnoraky.'' 37 Namaly Jesosy ary nizaka hoe: "gne mamafy voany tsara da gne Zanak'Olo." 38 Gn'oraky da izao tontolo izao; ary gne voany tsara, io gne zanaky gne fanjakà. Gn'ahabaza da ireo zanake ratsy, 39 ary gne fahavalo izay namafy andreo da gne devoly. Gne fihilà da gne fiarahan'izao tontolo izao, ary gne mpihila da gn'anjely. 40 Noho izà, akoign'andagnona sy agnoroa gn'ahabazà amign'afo, gnany koa amigne fiafaran'izao tontolo izao. 41 Hagniraky gn'anjeliny gne Zanak'Olo, ary halagnondreo hiala amigne fanjakany gne raha aby izay mahavy gne fahotà, sy gne magnano ratsy. 42 Ho hariandreo ao amigne laforo zakabe nihitry afo indreo, izay misy fitagnia sy fagnifara-nify. 43 Avy eo hamirapiratry akoigne masoandro ao amigne fanjakane Raindreo gn'olo-marigny. Gne mana-sofy,aok'izy hiteno. 44 Gne fanjakane lagnitry da akoigne harena mifiny ao amign'oraky raiky. Nisy lelahy nahita an'izà da nagnafiny. Nandeha tamign'aravoravoany izy, nivarotry gne raha nanagnany, ary nividy gn'oraky io. 45 Ary koa, gne fanjakane lagnitry da akoigne lelahy izay mpivarotry vato lafo vidy. 46 rehefa nahita vato soa raiky izay tena lafo vidy izy, da nandeha ka nivarotry izay raha nanagnany ka nividy enizà 47 Ary koa, gne fanjakane lagnitry da akoigne harato izay natoraky tamè ranomasy, ary nandagno gne karaza raha mana-gnay aby. 48 Rehefa feno izà, da nositomindreo mpagnarato ho eo amoron-dranomasy. Avy teo indreo nidoboky ka nandagny gne raha tsara ho ao amigne fidoboa, fa gne raha tsy ilaindreo da naria. 49 Ho akoizà gne fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy gn'anjely agnasarasaraky gne ratsy fagaha sy gne marigny. 50 Hatoraky indreo amignefagnoroa afo zakabe indreo, da hotagny sy hagnifatry nify. 51 Azonareo evao me izà raha aby zà? Hoy ireo mpianatriny taminazy hoe: "eka." 52 Avy eo Jesosy nizaka tamindreo hoe: "noho izà, gne mpanora-dalàgna aby izay lasa mpianatry eo amigne fanjakane lagnitry da akoigne lelahy tompon-tragno raiky, izay magnavoky gne raha efa antitry sy gne raha vaovao avy amignehareny." 53 Avy eo rehefa nahavita gne fagnohara Jesosy, da niala tam'izà toera izà Izy. 54 Avy eo Jesosy niditry tao amigne taniny manoka ary nampianatry gne vahoky tao amigne synagogandreo. Vokatr'izà da nikabahia indreo ary nizaka hoe: "avy aia gn'ahazahoan'ity lelahy ity gne fahedrè sy gne fahagaga?" 55 Tsy io lelahy io me gne zanak'ilay mpandrafitry? Tsy Maria me gn'angia any endriny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy me gne rahalany? 56 Tsy miaraka amitsika me gn'anakaviny aby? Avy aia gne nahazoany an'io raha aby io? 57 Diso fagnategna nohony gn'aminazy indreo. Fa hoy Jesosy tamindreo hoe: "tsy misy mpamonany tsy misy hàzany raha tsy ao amigne fireneny sy ao amigne fianakaviany evao." 58 Tsy da nagnano fahagaga be tao Izy nohone tsy finoandreo.