Toko faha 12

1 Tam'izà fotoa zà Jesosy nandeha namakivavaky gn'oraky tamign'andro sambata. Mosarè gne mpianatriny da nanomboky nihila hisikè vary da nihina ireo. 2 Rehefa hitanigne Fariseo izà, da hoy indreo tam'i Jesosy hoe: '' iteo, gne mpianatrao magnano raha tsy mety hato amigne Sabata. 3 Fa Jesosy nizaka andreo hoe: ''mbola tsy novakinareo me gne raha nanin'i Davida, rehefa mosarè izy, sy gne lelahy niaraky taminazy aby? 4 Niditry tao amigne tragnè Zagnahary izy ary nihina gne mofo fanatrehena, izay tsy ara-dalàgna ho anazy raha haniny ary tsy ara-dalàgna ho an'ireo izay niaraky taminazy, nefa ara-dalàgna ho anigne lohanè mpisorona raiky evao. 5 Tsy mbola novakinareo me gne ao amigne lalàgna, fa amigne Sabata ireo mpisorona ao an-tetempoly da manota gne Sabata nefa tsy mana-tsigny? 6 Kanefa zakaiko aminareo fa etoa gne raiky zakabe noho gne tempoly. 7 Raha fantatrareo gne hevitry gne hoe: 'famindram-po no iriko fa tsy sorogny,' da tsy nagnameloky gne tsy manan-tsigny enareo. 8 Fa gne Zanak'Olo no Tomponè Sabata.'' 9 Avy teo Jesosy niala tao da niditry tao amigne synagogandreo. 10 Igny, nisy lehila izay malemy fagna teo. Nagnontany an'i Jesosy ireo Fariseo, nagnano hoe: 'ara-dalàgna avao me gne mitsabo amigne Sabata?'' mba hitoriandreo Anazy amigne fahota. 11 Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''olo ia eo aminareo, ia, raha ondry raiky evao gnanagnany, ka raha latsaky agnaty lavaky laly ilay ondry amigne Sabata, hanambotry anazy ary hampiakatry enazy? 12 Tsy mana-danja lavitry me gn'olo toy izay gn'ndry! Ka noho izà da ara-dalàgna gne magnano tsara amign'andro Sabata.'' 13 Avy teo, hoy Jesosy tamin-dralehilahy hoe: ''ataro gne tagnanao.'' Da natariny izà, da niverigny gne fahasalamany, akoigne tagnany evao. 14 Fa nivoky ireo Fariseo da nitetiky gn'amono Enazy. Nitada hevitry amigne fomba hamonoa Anazy indreo. 15 Rehefa nahafantatry an'izà Jesosy, da niala teo Izy. Olo maro gne nagnarak'Enazy, ary notsaboiny indreo aby. 16 Da nandidy andreo Izy mba tsy hampafantatry Anazy amigne hafa, 17 mba hahatanteraky, izay efa nambara tamign'alalan'Isaia mpaminany, magnano hoe: 18 ''Iteo, gne mpanopoko izay efa nofidiko; ry namako tiako, izay sitrakigne fagnahiko indrindra. Hapetrako ao amigne fagnahiko, ary hagnambara gne fitsarà amigne Jetilisa izy. 19 Tsy hifamaly na hiantso mafy izy; ary tsy hisy olo hiteno gne feony egny an-dàla. 20 Tsy hanapaka bararata sagnagna izy; tsy hamono gne lahin-jiro midofaky, ambara-pamokany gne rariny ho mpandresy, 21 ary amign'agnarany no hanagnan'ireo Jentilisa fagnategna.'' 22 Avy eo nisy olo poa sy mo, nipetrahanè devoly, nindesy teo am'i Jesosy. Nositraniny izy, vokatr'izà da nizaka sy nahita ilay moa. 23 Gaga gne vahoky aby ka nizaka hoe: ''mety io lelahy io me gne zanak'i Davida?'' 24 Kanefa rehefa naharè izà fahagaga izà gne Fariseo, da hoy indreo hoe: ''io lelahy io da tsy mamoky devoly raha-tsy amign'agnaran'i Belzeboba, lehibenè devoly.'' 25 Kanefa fantatr'i Jesosy gn'eritreritr'indreo ka nizaka andreo izy hoe: ''gne fanjaka miady an-dragno aby da tsy haharitry, ary gne tanà na gne tragno aby miady an-dragno da ho rava. 26 Raha mamoky satana gne Sabata, da miady an-dragno izy. Akoignaia gne hijoroanè fanjaka am'izà? 27 Ary raha mangala gne devoly amign'agnaran'i Belgboba Aho, da amign'alalan'ia zany gn'androahanè zanakareo andreo? Noho izà antony izà da ho mpitsaranao indreo. 28 Kanefa raha mamoky ireo devoly amign'alalanè Fagnahinè Zagnahary Iaho, da efa avy aminareo gne Fanjakanè Zagnahary. 29 Amigne fomba akory gne ahafanè gn'olo miditry ao an-dragnonè lelahy mahery ary mangala gne fanagnany raha tsy fihezy aloha ilay lehilahy mahery? Da avy eo hangala gne fanagnany ao an-dragnony izy. 30 Izay tsy magnaraky Anahy da manohitry Anahy, ary izay tsy mitambatry miaraky Aminahy da miparitaky. 31 Noho izà, zakaiko aminareo fa, ho voavela heloky gn'olo amigne fahota sy zaka-ratsy aby, fa gne zaka-ratsy amigne Fagnahy Masigny da tsy hahazoa famelan-keloky. 32 Na ia na ia mizaka manohitry gne Zanakan'Olo, da ho voavela izy. Fa na ia na ia mizaka manohitry gne Fagnahy Masigny, da tsy ho voavela izy, na am'izao fiaina zao, na am'izay hoa avy. 33 Anio tsara gne hazo da hanagnisiky tsara izà, na anio ratsy gne hazo da hanagnisiky ratsy izà, fa fantatry amigne voany gne hazo. 34 Enareo taranaky gne menara, satria ratsy fagnahy enareo, akoignaia gn'afahanareo mizaka raha tsara? Fa avy amigne habeny gn'ao am-po gne zakainè vavany. 35 Gn'olo tsara avy amigne harena tsara ao am-pony da mamokatry gne tsara, ary gn'olo-ratsy avy amigne harena ratsy ao am-pony da mamokatry izay ratsy. 36 Zakaiko aminareo fa amign'andronè fitsarà da ho agnotania amigne teny tsy voahevitry nozakainy aby gn'olo. 37 Fa gne zakanao no hagnamarigna anao, ary gne zakanao no hagnameloha anao. 38 Avy eo nisy mpanora-dalàgna sy Fariseo sasasasany namaly an'i Jesosy ary nizaka hoe: ''eh mpampianatry, magniry gne ahita famantara avy aminao iahay.'' 39 Fa namaly Jesosy ary nizaka andreo hoe: ''misy taranaka ratsy fagnahy sy mpijangajanga mitady famatara. Kanefa tsy misy famatara omena anazy afa-tsy gne famataran'i Jaona mpaminany. 40 Fa mitovy am'i Jonah izay telo andro sy telo ariva tao an-trokinè vily zakabe, da ho akoizà koa no hipetrahanè zanak'olo telo andro sy telo ariva ao agnaty tany. 41 Gn'olon'i Ninive da hitsanga eo amigne fitsara miaraka amin'ity taraka ity ary hagnameloky izà. Fa nibebaky indreo tamigne toritenin'i Jaonah, ary igny, misy olo zakabe noho Jaonah etoa. 42 Gne mpanjakany gn'atsimo da hiara-hitsanga am'ireo lelahin'ity taranaka ity amign'andronè fitsarana ary hagnameloky izà. Tonga avy agny amigne faranè tany izy mba hiteno gne fahendren'i Salomona, ary igny misy olo zakabe noho Solomona etoa. 43 Rehefanisy fagnahy ratsy niala tao amignè lelahy raiky, da mandalo tany vakivaky izy ary mitadia fizanogna, nefa tsy mahita izà. 44 Izà da milaza hoe: 'hiverigny agny amigne tragnoko izay neviako iaho.' Ary rehefa avy, da nahita fa voafafa gne tragno sady nilamigny. 45 Avy eo da nandeha izany ary ninday fagnahy ratsy fito niaraky taminazy izay ratsy mihotry enazy, ka niditry nipetraka tao izy aby. Avy eo niha-ratsy noho ny gne vôlohany gne fiafaran'izà lelahy izà. Ary ho akoizà koa gn'amin'ity taranaka ratsy fagnahy ity.'' 46 Raha mbola nizaka tam'ireo vahôky Jesosy, da indreo, gne reniny sy ireo rahalahiny nijoro tagny ivelany, nitady hiresaka aminazy. 47 Nisy olo raiky nizaka taminazy hoe: ''iteo, gne reninao sy ireo rahalahinao mijoro ao ivelany, mitady iresaka aminao.'' 48 Fa namaly Jesoso ary nizaka tam'ilay nizaka Anazy hoe: '' ia iendriko ary ia gne rahalahiko?'' 49 Avy eo natariny tam'ireo mpianatriny gne tagnany ary nizaka hoe: ''iteo, itoa gne the reniko sy gne rahalako! 50 Fa izay magnao gne sitraponè Raiko izay agny an-dagnitry, da izà olo izà gne rahalako, sy gn'anabaviko, ary iendriko.