Toko faha 23

1 Nitsanga gn'olo aby tamindreo, ary ninday an'i Jesosy taloan'i Pilato. 2 Nanomboky nagnasazy Enazy indreo, nizaka hoe: "hitanay ity lelehy ity nametaveta gne firenenay, nandrara gne hagnomeza hetra an'i Kaisara, ary nizaka fa Izy tegnany mihitsy gne Kristy, mpanjaka." 3 Pilato nagnontany Anazy, mizaka hoe: "Enao zany gne mpanjakanè Jiosy?" Jesosy namaly anazy ary nizaka hoe: "vôlazanao." 4 Pilato nizaka tam'ireo lohanè mpisona sy gne vahoky hoe: "tsy mahita fahadisoa am'ity lelahy ity iaho." 5 Fa mbola nagnizingizy indreo, hoe: "magnakorota gne vahôky io, mampianatry magneragne ny Jodia manontolo, manomboky avy agny Galilia na hatreto am'ity toera ity kada." 6 Rehefa ren'i Pilato izà, da nagnontany izy saky Galiliana ity lelahy ity. 7 Rehefa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Izy, da nalefany Jesosy nandeha agny am'i Heroda, izay tagny Jerosalema evakoa tam'izà andro izà. 8 Rehefa hitan'i Heroda Jesosy, da tena ravoravo izy, satria efa ta-hahita Anazy hatry ny gn'ela. Naharè gne momba Anazy izy ary nagnategna gne hahita fahagaga maro naniny. 9 Heroda nametra-pagnotania an'i Jesosy tamigne teny maro, saingy Jesosy tsy namaly ndre ino ndre ino anazy. 10 Gne lohane mpisorona sy gne mpanora-dalàgna nitsanga, magnendrikendriky Anazy. 11 Heroda sy gne miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nagnikeky Anazy. Avy eo da nampisikinindreo lamba tsara tarehy Izy ary nalefandreo tagny am'i Pilato Izy. 12 Fa i Heroda sy Pilato da lasa mpinama tamign'andro io (talohan'izà da mpifahavalo indreo). 13 Avy eo Pilato nangaiky gne lohanè mpisorona sy gne mpanapaky ary gne vahoky maro niaraky, 14 ary nizaka tamindreo hoe: "nindesinareo taminaha tetoa ity lelahy ity akoigne lelahy izay mitariky gn'olo hagnao ratsy, ary iteo, iaho, raha nametra-pagnotania taminazy teo anoloanareo, da tsy mahita fahadisoa am'ity lelahy ity mahakasiky gne raha izay hiapanganareo Enazy. 15 Tsia, ndre i Heroda aza, satria nalefany niverigny taty amitsika Izy, ary iteo, tsy misy ndre ino ndre ino izay mendriky fahafatesa vitany. 16 Noho izà da ho faiziko Izy." 17 [Fagnamaria: gne famadia tsara indrindra da tsy magnisy gne handininy 17 hoe: ary Pilato da voatery da namotsotry gadra raiky ho an'ireo Jiosy tamign'andro firavoravora.] 18 Fa nira-nitoreo mafy indreo, nanao hoe: "ento agny io lelehy io, ary avotsoro ho anay Barabasy! 19 Barabasy da lelehy raiky izay nahiditry am-ponja nohony gne fahatahora tao amigne tanà sy famonoa olo. 20 Ary nizaka tamindreo koa Pilato, nagniry dne hsmotsora an'i Jesosy. 21 Saingy nitabataba mafy indreo, hoe: "fatsio Izy." 22 Nizaka tamindreo fagnitelony izy hoe: "nagnino, ino gne ratsy vitan'ity lelahy ity? Tsy nahita ndre ino ndre ino izay mendriky sazy famonoa any aminazy iaho. Noho izà rehefa avy magnafay Enazy, da hamotsotry Anazy iaho." 23 Fa indreo nagnizingizy tamigne feo mafy, nangataky Enazy mba hofatsia. Gne feondreo da nandesy lahatra an'i Pilato. 24 Da nanapakevitry gne hagneky gne fangatahandreo Pilato. 25 Navotsotriny gne raiky nangatahandreo izay nalefa tam-ponja nohony gne fahatahora sy famonoa olo. Fa natolotriny ho amigne sitrapondreo Jesosy. 26 Ary tampitondrà Anazy indreo, da nifetsa an'i Simona avy agny Syrenia, izay avy agny ambanivohitry, ary napetrakindreo taminazy gne hazofizalia mba hindesiny, nanaraky an'i Jesosy. 27 Maro tamigne vahoky, sy gne viavy gne nalahelo mafy sy nagnabara halahelo Enazy, gne nagnaraky Enazy. 28 Fa rehefa nitodiky tagny amindreo, da nizaka Jesosy hoe: gne zanakavavin'i Jerosalema, ka mitomagny Enaha, fa mitomagnia ho anigne tegnanao sy ho anigne zanakareo. 29 Fa igny, ho avy gn'andro izay hizakandreo hoe: ' sambata gne momba sy ireo troky tsy niteraky, ary gne nono izay tsy nampinono zaza.' 30 Ary da hanomoky hizaka amigne tendrombohitry indreo hoe: 'milatsaha aminay,' ary amigne abo hoe: "manakotry anay." 31 Fa raha magnano izà raha izà indreo raha mbola mentso gne hazo, ino gne hitranga rehefa maigny izà?" 32 Nisy lelahy hafa, olo-ratsy roy, nentindreo niaraky taminazy mba ho vonoy. 33 Rehefa avy tamigne toera raiky angia hoe: "Ikarandoha" indreo, da teo gne namatsiandreo Enazy, sy gn'olon-dretsy - gne raiky takavananyary gn raiky takavia. 34 Jesosy nizaka hoe: ''aba ah!, mamelà andreo, fa tsy fantandreo gnaniny." Avy eo da niloka indreo, nizarazara gne raisikiny. 35 Da nitsanga teo gn'olo raha mbola nagnikeky Enazy koa gne mpanampaky, hoe: "namonjy gne hafa izy. Avelay Izy hamonjy gne tegnany, raha Izy gne Kristine Zagnahary, gne raiky vofidy." 36 Gne maramila koa da nangala daraka anazy, nagnato Anazy, nagnome Enazy vinangitra, 37 ary nizaka hoe: "raha mpanjakane Jiosy Enao, vonjeo gne tegnanao." 38 Nisy famantara evakoa tamboniny hoe: "ity gne mpanjakan'i Jiosy." 39 Gne raiky tam'ireo olon-dratsy izay niato teo gne namangovangoa Anazy tamigne nizakany hoe: "tsy enao me gne Kristy? Vonjeo gne tegnanao sy iahay." 40 Fa gne raiky niza mafy enazy, hoe: "tsy mba malia gne Zagnahary me enao, raha samy ambanine fagnameloha mitovy evao? 41 Itsika da eto ara-drariny dato, satria mandray gne mendriky gn'asatsika itsika. Fa ity lelehy ity tsynagnano raha ratsy." 42 Avy eo izy nizaka hoe: "Jesosy ô, tsarovy iaho rehefa avy agny amigne fanjakanao agny enao." 43 Jesosy nizaka taminazy hoe: "zakaiko marigny aminao, fa androany enao da hiaraky aminah agny amè paradisa." 44 Ary lera faha-enina teo ho eo tam'zà, ary gne mizy nandraotry gne tany aby hatramè gn'ora fahasivy, 45 raha nihamizy gn'hazavane masoandro. Da avy teo gne lambanè tempoly nizara avy teo ategnategnany. 46 Nitoreo tamigne feo mafy Jesosy nizaka hoe: "Aba ah!, eo an-tagnanao gn'ametrahako gne fagnahiko." 47 Rehefa avy nizaka an'izà Izy, da maty. Rehefa hitanè kapiteny gne raha nitranga, da nagnome voninahitry anè Zagnahary izy, hoe: "azo antoky dato fa olo marigny ity lelehy ity." 48 Rehefa hitanigne vahoky aby izay niaraky avy ho vavolombelo nagnatriky gne raha nitranga, da niverigny niteha-tratra indreo. 49 Fa gne nahafantatry Anazy aby, sy gne viavy izay nagnaraky Enazy avy agny Galilia, da mitsanga alavidavitry egny, magnety izà raha izà. 50 Ary igny lelahy raiky angia hoe Josefa, izay mpikamba tao amigne Synedriona. Olo tsara sady marigny izy. 51 Io lelahy io da tsy nagneky gne fanapahan-kevitry gne Synedriona sy gne'asandreo. Avy gny amigne tanànè Jodiana tagny Armatia izy; ary izy da nitadia fanjakan'Andriamanitry. 52 Io lelahy io, raha nagnato an'i Pilato, da nangataky gne vatan'i Jesosy. 53 Nalainy nidigny izà, norakofany harira madiniky, ary napetrany tanigne kobory izay novaky tamigne haragna, izay tsy mbola nisy olo nalevy mihitsy. 54 Andronigne Fiomagna tam'izà, ary mbola nazava ratsy gne sabata. 55 Gne viavy, izay niaraky tam'i Jesosy niala tao Galilia, da nagnaraky avy ao afara ary nahita gne kobory sy gne fomba nandevegna gne fatiny. 56 Nipody indreo, ary nagnomagny raha-magnitry sy menaky magnitry. Ary tamigne sabata da nizano indreo araky gne didy.