Toko faha 22

1 Ary efa akeky gne firavoravoa amigne Mofo tsy misy masirasira, izay angia hoe Paska. 2 Niady hevitry gne mpitariky gne mpisorogny sy gne mpanora-dalàgna amigne fomba ahafandreo mamono an'i Jesosy, satria nalia gn'olo indreo. 3 Avy teo gne Satana niditry tam'i Jodasy Iskariota, raiky ramin'ireo roy ambiny folo. 4 Jodasy nandeha nandeha tagny amigne lohanè mpisorogny sy gne kapiteny ary niady hevitry tamidreo gnamè fomba hamadiany an'i Jesosy eo amindreo. 5 Faly indreo, ary nagneky gne hagnome vola enazy. 6 Nagneky izy, ary nitadia hevitry mba hanolorany Anazy eo amindreo lavitry gne vahoky. 7 Avy gn'andronè mofo tsy misy masirasira, izay tsy maintsy hagnanoa sorogny gne zanak'ondry ny gne Paska. 8 Jesosy nagniraky an'i Petera sy Jaona, milaza hoe: "mandehana ary homagno antsika gne sakafonè Paska, mba hahafantsika mihina enizà." 9 Indreo nagnotany Anazy hoe: "aia gne tianao hagnanoanay gne fagnomagna?" 10 Namaly andreo Izy hoe: "tenomo, rehefa miditry gne tanà enareo, da hisy lelahy raiky minday tavoangin-drano hifakanendriky aminareo. Magnarà anazy agny amigne tragno izay idirany. 11 Da zakay gne tompon-tragno hoe: 'gne Ramosè mizaka aminao hoe: "aia gn'efitragno fandresam-bahiny, izay hihinanako gne sakafonè Paska miaraky amigne mpianatriko?" 12 Izy hagnambara anareo efitragno ambony gne rapaky zakabe misy kozakoza ilay. Anio amignao gne fagnomagna." 13 Da nandeha indreo, ary nahita gne raha aby arakigne nozakainy tamindreo. Ary nagnoma gne sakafone Paska indreo. 14 Rehefa avy gne fotoa, da nidoboky niaraky tamign'apostoly Izy. 15 Da nizaka tamindreo Izy hoe: "nagniry mafy gne hihina ity Paska ity miaraky aminareo Iaho alohanigne hijaliako. 16 Fa zakaiko aminareo, tsy hihina ity etsanaky Iaho, mandra-pahatanterak'izà agny amigne fanjakan'Andriamanitry." 17 Da nandray vera Jesosy, ary rehefa nisaotry Izy, da nagnano hoe: "reso ity, ary zaray aminareo. 18 Fa zakaiko aminareo, tsy hinindrano gne vokatry gne voloboky etsanaky Iaho, mandra-pahatongane fanjakan'Andriamanitry." 19 Da nandray gne mofo Izy, ary rehefa nisaotry, da notapahany izà, ary nomeny andreo, da nizaka hoe: "ity gne vatako izay omena anareo. Anio izao ho fahatsiarova Anahy." 20 Noresiny akoizà koa gne kapôky rehefa vita gne sakafo, da hoy izy hoe: "ity kapôky ity da ilay fagnekè vaovao ao amigne ràko, gne nalatsaky ho anareo. 21 Fa mitandrema. Gne raiky izay hamadiky Anahy da miaraky Aminahy amè latabatry etoa. 22 Fa gne Zanak'Olo da mandeha dato arakigne votendry. Fa loza ho an'izay lelahy izay hamadiky Anazy izà! 23 Nanomboky nifagnontany indreo gn'amigne raiky amindreo izay mety hagnano enizà. 24 Da misy fifamalia nitranga koa teo amindreo mikasiky izay hevery ho zakabe indrindra amindreo. 25 Nizaka tamindreo Izy hoe: "gne mpanjakane Jentilisa da tompondreo, ary izay mana fahefa amindreo da atao ho toy ny gne magnano tsara ho anè vahokiny. 26 Fa tsy akoizà mihitsy gn'aminareo. Mifanohitry am'zà, ôka gne zakabe indrindra aminareo ho lasa kidy indrindra, ary ôka gne mana-danja indrindra ho lasa akoigne manompo. 27 Fa ia gne zakabe kokoa, gne midoboky amigne latabatry, sa gne manompo? Tsy gne midoboky amigne latabatry me? Kanefa Iaho aminareo etoa da akoigne raiky manompo. 28 Fa enareo gn'olo izay nanohy niaraky taminaha tao amigne faka-pagnahy nihatra taminaha. 29 Omeko fanjaka enareo, akoigne Raiko nagnome fanjaka Anahy, 30 mba ho afaky hihina sy inindrano eo amigne latabatriko agny amigne amigne fanjakako enareo, ary hidoboky eo amigne seza masigny hitsara gne fokon'Israely roy ambiny folo enareo. 31 Simona, Simona, mitandrema, mitady hahazo amareo Satana, maniva akoigne vary. 32 Fa nivavaka ho anao Iaho, mba tsy ho faty gne finoanao. Afaranigne hipodiananao, da ampaherezo gne rahalahanao. 33 Petera nizaka taminazy hoe: "Tompo, vonogny gne hiaraky Aminao iaho na agny am-ponja na ho agny amigne fahafatesa." 34 Jesosy namaly hoe: "zakaiko aminao, ry Petera, hagneno gn'ako am'izà andro izà, alohanigne handavanao Enahy intelo hoe mahafantatry Enahy enao." 35 Da nizaka tamindreo jesosy hoe: "rehefa nandefa anareo tsy niaraky tamigne fagnisia vola, findesa vatsy, na kiraro Iaho, nisy raha tsy ampy anareo me?" Namaly indreo hoe: "tsy nisy." 36 Da nizaka tamindreo Izy hoe: "fa izao, izay mana fagnisiam-bola, angala an'izà, ndre fagnisia vatsy evako. Izay tsy mana sabatry da tokony hivarotry gne lambany ary hividy raiky. 37 Fa Iaho mizaka aminareo, izay vosoratry momba Anahy da tsy maintsy tanteraky: 'izy da norery akoigne raiky am'ro tsy magnara dalàgna.' Fa izay nozakay aloha gne momba Anahy da efa ho tanteraky." 38 Da nizaka indreo hoe: "Tompo, iteo! Itoa misy sabatry roy. "namaly endreo Izy hoe: "Ampy izà." 39 Tafaranigne sakafo, da nandeha Jesosy, akigne faniny matetiky, tagny amè vohitràbon'Oliva, ary nagnaraky Anazy gne mpianatry. 40 Rehefa avy indreo, da hoy Izy tamindreo: "mivavaha mba tsy hidiranareo amigne fankam-pagnahy." 41 Niala teo amindreo teo ho eo amigne mitora-bato Izy, da nandohaliky Izy ary nivavaky, 42 milaza hoe: "eh Aba, raha sitrakao, da alay aminaha ity kapoky ity. Ndre izà aza tsy gne sitrako, fa gn'Anao gne hany." 43 Da nisy anjely avy tagny an-dagnitry niboda taminazy, nampahery Anazy. 44 Ta-gnatine fangirifiria, nivavaky tamigne hafanam-po mafy Izy, ary gne dignitriny da lasa akoigne rà latsaky an-tany. 45 Ary rehefa nitsanga avy nivavaky Izy, da lasa nandeha amigne mpianatry, ary nahita andreo natory nohonign'alahelondreo, 46 ka nagnontany andreo hoe: "nagnino enareo matory? Mitsangàna ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amigne fakam-pagnahy." 47 Raha mbola nizaka Izy, nisy vahoky niboda, niaraky tam'i Jodasy, raiky tamin'ireo roy ambiny folo, nitariky andreo. Nagnakeky an'i Jesosy izy mba hagnoroky Enazy, 48 fa Jesosy nizaka taminazy hoe: "Jodasy, mamadiky gne Zanak'Olo amign'oroky me enao?" 49 Rehefa nahita gne zava-nitranga ireo izay nagnodidy an'i Jesosy, da nizaka indreo hoe: "Tompo, tokony hamely amign'antsy lava lela ve iahay? 50 Avy eo gne raiky tamindreo namaly gne mpanomponè mpisorona be, ary nnapaky gne sofiny akavana. 51 Jesosy nizaka hoe: "ampy izay!" Nokasihiny gne sofiny, ary notsaboiny izy. 52 Jesosy nizaka tamigne lohanigne mpisorona, tamigne kapitenè tempoly, ary tamigne loholo izay avy nanohitry Anazy hoe: "avy akoy gn'aninè hanambotry npangalatry me enareo, miaraky amign'antsy lava lela sy langilangy? 53 Tam'Iaho niaraky taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nanambotry Anahy enareo. Fa izao gne oranareo, sy gne fahefane mizy." 54 Teo ampanambora Anazy, da notarihindreo Izy, ary nindesindreo tagny andragnone mpisoronabe. Fa Petera nagnaraky avy egny amigne lavidavitry egny. 55 Rehefa avy nampianatry afo t'ategnategnane tokotany indreo, da nidoboky t'ategnategnandreo Petera. 56 Nisy mpanompo vavy raiky nahita anazy raha nidoboky tamigne fahazavane gn'afo izy, ary nagnety mahitsy enazy sy nizaka hoe: "ity lelahy ity koa da niary taminazy." 57 Fa petera nandà an'izà, nizaka hoe: "eh raviavy, tsy fantako Izy." 58 Afaky kidikidy da nisy olo hafa nahita anazy, ary nizaka hoe: "Enao koa raiky amindreo." Fa Petera nizaka hoe: "eh ralehilahy, tsy izy iaho." 59 Rehefa afaky adiny raiky teo ho eo da nisy lelahy hafa nagnizingizy sy nizaka hoe: "marigny fa niaraky taminazy koa ity lelahy ity, fa izy da Galiliana." 60 Fa Petera nizaka hoe: "eh ralehilahy, tsy fantako gne raha zakainao." Tampotampoky teo, raha mbola nizaka izy, da nisy akoho nagneno. 61 Nidodoky, gne Tompo nagnety an'i Petera, ary Petera nahatsiaro gne zaka taminazy hoe: "alohanign'agnenoany gn'akoho da andà Enahy intelo enao." 62 Nivoky tagny ivelany Petera ary motagny mafy. 63 Ary ireo lelehy niamby an'i Jesosy da nagnikeky sady nanapoky Anazy. 64 Nisendreo sarogny Izy ary nagnotany Anazy indreo, nizaka hoe: "maminania! Ia gn'olo nanapoky Anao? 65 Nizaka raha hafa maro hanohitry an'i Jesosy indreo, nizaka ratsy Anazy. 66 Raha vô nazava gn'andro, da niara-nivavaky, gne lohane mpisorogny sy gne mpanora-dalàgna. Nindesindreo tagny amigne Synedriona Izy 67 ary nizaka hoe: "raha Enao gne Kristy, da zakay aminay." Fa Izy nizaka tamindreohoe: "raha hozakaiko aminareo, da tsy hino enareo," 68 ary raha hagnotany anareo Iaho da tsy hamaly enareo. 69 Fa manomboky izao, gne Zanak'Olo da hipetraky eo amè tagna akavanane herinè Zagnahary." 70 Izy aby nizaka hoe: "da zanakè Zagnahary zany Enao?" Jesosy nizaka tamindreo hoe: "vôzakanareo fa Iaho gn'Izy." 71 Indreo nizaka hoe: "nagnino gne mbola mila vavolombelo itsika? Fa itsika mihitsy gne naharè avy tamigne vavany."