Toko faha 21

1 Jesosy nitodiky da nahita ireo lelahy mana-karena izay nandatsaky gne fanatitry ndreo tao amigne fandatsahan-drakitry. 2 Nahita pivatotry mahantra raiky nandrotsaky farantsa roy tao Izy. 3 Ka hoy Izy hoe: "zakaiko marigny aminareo, ity pivatotry mahantra ity da nandatsaky maro noho izy aby. 4 Ireo rehetra ireo da nagnome rakitry araky gne habenè hareny. Fa ity pivatotry ity, tamigne fahatrany, da nandatsaky gne fivelomany aby." 5 Raha nisy maro niresakay gne momba gne tempoly, fa voravaky vato tsara endriky sy rakitry izà, da hoy Izy hoe: 6 "fa gn'am'ireo raha itanareo ireo, mbola ho avy gn'andro izay tsy hisy na vato raiky hijanogny amigne hafa ka tsy ho ravay." 7 Da nagnotany Anazy indreo, nagnano hoe: "eh ramosè, ovia io raha io hitranga? 8 Jesosy namaly hoe: "mitandrema mba tsy ho vofitaky enareo. Fa maro gne hoavy amign'agnarako, hagnano hoe: 'Iaho gn'izy,' efa akeky gne fotoa.' Ka magnaraky endreo. 9 Rehefa mahare ady sy fikomia da kamalia enareo, da ka mihorohoro, fa io raha io da tsy maintsy hitranga aloha, fa gne farany da tsy hitranga eo no eo." 10 Ary hoy Izy tamindreo hoe: "gne firenena da hitsanga hanohitry firenena, ary fanjakà hanohitry fanjakà. Hisy horohoron-tany zakabe, ary mosary sy areti-mandavo agny amigne toera samihafa. 11 Hisy tranga mampalia ary famatara zakabe avy agny an-dagnitry. 12 Fa alohan'ireo raha aby ireo, da hisambotry anareo indreo ary hagnenjiky anareo, hanolotry anareo ao amigne synagoga sy gne figadrà, inday anareo eo alohanigne mpanjaka sy gne mpandidy nohonign'agnarako. 13 Izà da hagnome fahafaha ho amigne fijoroanareo vavolombelo. 14 Noho izà da manapà hevitry ao am-ponareo mba tsy hagnoma gne fiarovanareo alohanigne fotoa, 15 fa Iaho hagnome teny sy fahendrè anareo, izay tsy afaka toherina sy ho lavin'ireo mpanohitry enareo. 16 Fa enareo koa da ho atolotry gne ray aman-dreny, gne rahala, gne hava sy gne nama, ary indreo da hamono ho faty gne sasany aminareo. 17 Ho halanigne tsiraikiraiky noho ny gn'agnarako enareo. 18 Fa tsy hisy ho very ndre da vim-bolo raiky eo amigne lohanareo aza. 19 Amigne faharetanareo gne hamonjenareo gne fagnahinareo. 20 Rehefa hitanareo vodidine miaramila Jerosalema, da fataro fa efa akeky gne faharavany. 21 Da oka ireo agny Jodia handotsitry agny amigne tendrombohitry, ary oka ireo agny amigne tegnetegnene tanà hiala, ary ary kavela hiditry ao gnagny ambanivohitry. 22 Fa ireo gn'androne valifaty, mba ho tanteraka gne raha efa vosoratry. 23 Loza ho an'ireo minday vahoky sy ho an'ireo mampinono amin'izà andro iza! Fa hisy fohoria zakabe eo amigne tany, ary hatezera an'io vahoky io. 24 Ho lavony gn'antsy lava lela indreo ary hindesy ho babo agny amigne firenena aby, ary Jerosalema da ho vohosihosin'ireo Jentilisa, mandrapa-tanteraky gn'andronè Jentilisa. 25 Hisy famantara egny amigne masoandro, egny amigne vola, sy egny amigne kinta, ary an-tany etoa. Ho tratrinigne fahoria ireo firenena, hiasaloha nohony gn'eron-dranomasy sy gn'onja. 26 Hisy lelahy himianigne lia sy gne fendrasa ireo raha izay ho avy an-tany etoa. Fa ho voahozongozogny gne herinigne lagnitry. 27 Avy eo da ho hitandreo gne Zanak'Olo avy egny amigne rahogny miaraka amigne hery sy voninahitry zakabe. 28 Fa rehefa manomboky mitranga ireo raha ireo, da mitsangàna ary hasandrato gne lohanareo, satria efa akeky gne fagnafaha anareo." 29 Nagnano fagnohara tamindreo Jesosy hoe: "iteo gne hazon'aviavy sy gehazo aby. 30 Rehefa magnasarogny ireo, da ho itanareo fa efa akeky gne lohatao. 31 Akoizà koa, rehefa hitanareo mitranga ireo raha ireo, da fantatrareo fa efa akeky gne fanjakan'Andriamanitry. 32 Zakaiko aminareo, marigny dato, ity taranaky ity da tsy ho faty mandra-pibodany gne raha io. 33 Gne lagnitry sy gne tany da ho rava, fa gne tegnako da tsy ho rava mandrakizay. 34 Fa mitandrema amigne tegnanareo, mba tsy vesarinigne vokatry gne fisotroa sy gne fahamamoa gne fonareo, sy gne fisalasalanè fiaina, ka avy eo da hihidy tampoky aminareo akoigne fandriky izà andro izà. 35 Fa izà da ho ho avy amigne tsiraikiraiky izay miegny magnera-tany. 37 Nandritry gn'andro da nampianatry tamigne tempoly Izy, ary tamign'ariva da nandeha nijotso teo amigne tendrombohitr'Oliva. 38 Gne vahoky aby da avy vo magneno akoho mba hiteno Anazy tamigne tempoly.