Toko faha 20

1 Ary tamign'andro raiky, raha nampianatry gne vahoky tao amigne tempoly Jesosy ary nitory gne filazantsara, da nagnato Anazy gne lohanè mpisona sy mpanora-dalàgna niaraky tamign'olombe. 2 Nizaka indreo, nagnano taminazy hoe: "zakay anay hoe amigne fahefa ino gnagnanoanao an'ireo raha ireo? Na koa ia gne nagnomè anao izao fehefa izao? 3 Namaly Izy ary nizaka andreo hoe: "Iaho koa da ametraky fagnotania aminareo. Zakay Enahy gne mikasiky 4 gne batisan'i Jaona. Izà me kô avy tagny an-dagnitry sa avy amign'olombelo?" 5 Niady hevitry indreo, nizaka hoe: "raha hamaly itsika hoe: 'avy agny an-dagnitry' da nizaka Izy hoe: 'da nagnino enareo tsy nino Enazy?' 6 Fa raha mizaka itsika hoe: 'avy amign'olombelo,' da hitora-bato antsika gne vahoky aby, satria indreo da resy lahatry fa i Jaona da mpamonany." 7 Noho izà da namaly indreo fa tsy fantandreo gne neviany. 8 Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Iaho koa tsy nizaka taminareo gne fahefa hagnanoako izao raha aby izao." 9 Nozakainy tamigne vahoky izao fagnohara izao: "misy lelahy raiky nagnambotry tanim-bôloboky, nampagnofainy tamigne mpamboly vôloboky, ary nandeha tagny amigne firenena hafa nandritry gne fotoa nahadigny. 10 Tamigne lera votondro da nandefa mpanompo izy ho agny amigne mpamboly vôloboky, fa tokony hagnome enazy gne voakazon'ilay tanim-bôloboky indreo. Notakapin'ireo mpamboly izy, ary nalefany nody tagnam-polo. 11 Avy eo da nandefa mpanompo hafa koa izy ary da mbola notsapondreo koa, nalàny baraka, ary nalefandreo tagnam-polo. 12 Mbola nandefa fagnitelony izy ary noratraindreo koa izy, ary noroasiny. 13 Noho izà da nizaka gne tompone tanim-boloboky hoe: 'ino gnaniko? Alefako agny gne zanako tiako. Mety mba ho hajaindreo izy." 14 Fa rehefa tsizone mpamboly vôloboky izy, da nifampiresaka indreo, nizaka hoe: 'io gne mpandova. Atsika ho vonointsika izy, mba ho lasantsika gne lova.' 15 Noroahandreo hiala amigne tanim-bôloboky izy ary novonoindreo. Ino ary gn'anigne tomponetanim-bôloboky amindreo? 16 Ho avy izy ary hagnapotiky gne mpamboly vôloboky, ary hagnome gne tanim-bôloboky hoany gn'hafa." Rehefa naharè enizà indreo, da nizaka hoe: "sagnatria amigne Zagnahary!" 17 Fa nagnety andreo Jesosy, nizaka hoe: "ino gne hevitre vosoratra hoe: 'gne vato nandanan'ireo mpagnorigny tragno gne lasa vato vehizoro'? 18 Gne tsiraikiraiky izay milavo amin'io vato io da ho torotoro. Fa ndre ia ndre ia izay hilavoany, da ho potiky." 19 Da nitady hanambotry Enazy tamin'io lera io gne mpanora-dalàgna sy gne mpisorogny, fa fatandreo fa nozakainy io fagnoara io hanohitry andreo. Kanefa nalia gne vahoky indreo. 20 Tam-pandinia Anazy tsara, da nandefa pitsikilo mody ho marigny indreo, mba hahafandreo mahita tsigny amigne vatany, ka hanohitry Anazy amigne fanapaha sy gne fehefane governora. 21 Nagnotany Enazy indreo nizaka hoe: "oh ramosè, fantanay enao fa mizaka sy mampianatra ampahamarigna, fa enao da mampianatry gne fahamarigna momba gne lalàne Zagnahary. 22 Ara-dalàgna ho anay gne mandoha hetra am'i Kaisara, sa tsia?" 23 Fa Jesosy da nahatakatry gne hafetsehandreo, ary nizaka tamindreo hoe: 24 "mampisehoa denaria raiky Aminahy. An'ia io sary sy agnara io aminazy io?" Nizaka indreo hoe: "an'i Kaisara." 25 Hoy Izy tamindreo hoe: "noho izà omeo an'i Kaisara gne rahany Kaisara, ary ane Zagnahary, gne rahane Zagnahary." 26 Tsy nahita tsigny tam'izay nozakainy teo agnatrehany gne vahoky indreo, fa da nikabahia tamigne valin-teniny da nangigny. 27 Rehefa avy taminazy gne sasany tam'ireo Sadoseo, ireo izay nizaka fa tsy misy gne fitsangana amigne maty, 28 nagnontany Enazy indreo, nizaka hoe: "Ramosè eh, Mosesy da nanoratry ho antsika fa raha maty gne rahalahany gne lelahy raiky, ary tsy mana zanaky, da tokony hangala vady gne vadiny gne rahalahany ilay lelahy, ary hagnome zanaky ho anigne rahalany. 29 Nisy mpirahalahy fito ary gne volohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaky, 30 ary gne faharoy da akoizà koa. 31 Nampiakatry anazy gne fahatelo, da akoizà aby indreo fito samby tsy nanan-janaky, ary maty. 32 Tafaran'izà da maty koa ilay viavy. 33 Amigne fitsanga amigne maty, ho vadin'ia ay izy? Fa samby efa nanambady enazy izy fito." 34 Jesosy nizaka tamindreo hoe: "gne zanak'izao tontolo izao da mampaka-bady sy ampiakary. 35 Fa ireo izay hita amizao andro izao fa mendriky gne handray gne fitsangana amigne maty da tsy hampa-bady na hampekary. 36 Tsy ho faty etsanaky indreo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo zanak'Andriamanitry, izay zanaky gne fitsangana amigne maty. 37 Fa gne maty da tsy natsanga, ndre i Mosesy da nampiseho, tamigne toera izay nisy gne voaroy, izay nangiany gne Tompo ho Antriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 38 Ary Izy da tsy Andriamanitry gne maty, fa gne velo, satria gne raha aby da velo ao aminazy." 39 Gne sasany tam'ireo mpanora-dalàgna namaly hoe: "Ramosè eh, namaly tsara Enao." 40 Satria tsy sahy nametraky fagnotania hafa taminazy etsanaky indreo. 41 Jesosy nizaka andreo hoe: "akoignaia gnizakandreo fa Kristy da zanaka lahin'i Davida? 42 Fa Davida tegnany gne nizaka tao amigne bokin'i Salamo hoe: "gne Tompo nizaka tamigne Tompo hoe: 'mipetraha eo an-tagna ankavanako, 43 mandra-pagnanoako gne fahavalonao ho fipetrahanigne tombokao. 44 'Noho izà Davida da nangaiky an'i Kristy hoe: 'Tompo,' da akoignaia gne maha zanak'i Davida Anazy?" 45 Teo agnatrehany gn'olo aby da nizaka tam'ireo mpianatriny Izy hoe: 46 "mitandrema amigne mpanora-dalàgna, izay magniry handeha miaraky amign'akanjo lava, sy tia fiaraba manoka egny an-tsena, sy seza volohany ao agnaty synagoga, ary toera volohany agny amigny fagnasa. 47 Indreo koa da mandany gne tragnon'ireo mpitondra-tegna, ary magnano vavaky tsy misy farany ho fisehosehoa. Gne lelahy akoizà da hahazo fagnameloha zakabe.