Toko faha 19

1 Niditry Jesosy ary nandalo an'i Jeriko. 2 Igny, nisy lelahy izay nangia hoe Zakaiosy teo. Izy da lehibene mpamory hetra sady nanan-karena. 3 Niezaky gne hahita izy hoe ia Jesosy, kanefa tsy afaky nahita tao agnatine vahoky, satria foho izy. 4 Da niazakazaky alohany gn'olo izy ary nagnaniky azon'aviavy raiky mba hahitany Anazy, satria handalo amizà lala izà Jesosy. 5 Raha avy teo amigne toera Jesosy, da niandra Izy nizaka hoe: "eh Zakaiosy, midigna malaky, fa androany da tsy maintsy hizano ao an-dragnonao Iaho." 6 Da nidigny nalaky izy ary nandray Enazy tamigne fitiava. 7 Rehefa hahitan enizà gne maro, da nitaraigny aby, nizaka hoe: "niditry hamangy lelahy izay mpanota Izy." 8 Nitsanga Zakaiosy da nizaka tamigne Tompo hoe: "iteo, Tompo, gn'asasaky gne fanagnako da omeko hoane mahantra, ary raha nisy raha nagnabakako gn'olo, da honerako amboniny gn'efatry." 9 Jesosy nizaka taminazy hoe: "androany gne famojena vo avy amin'ity tokatragno ity, satria izy da zanak'i Abrahama. 10 Fa gne Zanak'Olo da tonga mba hitady sy hamonjy gn'olo izay very." 11 Raha naha izà raha izà indreo, da nanohy nizaka Izy ary nagnano fagnohara raiky, satria teo takeky en'i Jerosalema Izy, ary indreo nieritreritry fa hiboda teo noho eo gne fanjakan'Andriamanitry. 12 Noho izà Izy da nizaka hoe: "nisy tandapa raiky nandeha tagny an-tany lavitry mba hahazo fanjaka hoany gne tegnany ary hipody avy eo. 13 Nangaiky folo lahy tamigne mpanompony izy, ary nagnomè farantsa folo andreo, ary nizaka tamindreo hoe: 'magnanoa raharaham-barotry mandra-piveregnako." 14 Kanefa gne vahoky nalaigny enazy ary nandefa solontegna nagnaraky anazy, nizaka hoe: 'tsy ilainay gne hanjakan'io lelahy io aminay eto.' 15 Ary rehefa nipody koa izy, avy nandray gne fanjaka, da nandidy gne mpanompony izay nomeny vola mba ho aminazy izy, mba hahafantarany gne tombony azondreo tamigne fagnanoa raharaham-barotry. 16 Avy talohany teo gne volohany, nizako hoe: 'Tompo, gne farantsanao da nahazo farantsa folo mihotry.' 17 Nizaka anazy gne tandapa hoe: 'tsara izà, ry mpanompo tsara. Noho enao natoky tamigne kidy da kidy, da hana mpahefa amigne tanà folo enao.' 18 Avy gne faharoy, nizaka hoe: 'gne farantsanao Tompo,da nahavita farantsa dimy.' 19 Ary nizaka taminazy gne tandapa hoe: 'hiandraikitry tanà dimy enao.' 20 Avy koa gne raiky hoe: 'Tompo, ity gne farantsanao, nopiako tao agnaty lamba, 21 fa nalia anao iaho, satria lelahy masigny enao. Da mangala gne napetrakao, ary mihila gne ysy nafafiny.' 22 Nizaka taminazy gne tandapa hoe: 'amigne zakanao manoka gnitsarako anao, enao ry mpanompo ratsy fagnahy. Fantanao fa iaho da lelahy maseky, mangala gne raha tsy napetrakao, ary mihila gne tsy nafafiko. 23 Da nagnino tsy napetrakao tagny amigne mpiompy vola gne volako, ka rehefa nipody iaho da ho nandray izà niaraky tamigne zanany?' 24 Gne tandapa nizaka tamin'ireo izay nitsanga takeky teo hoe: 'alay aminazy gne farantsa, ary omeo gne mana gne farantsa folo.' 25 Ary hoy indreo taminazy hoe: "Tompo, mana farantsa folo izy.' 26 Iaho mizaka aminareo, fa gne mana da homè mihotry, fa gne tsy mana, ndre gnanagnany aza da ho alay. 27 Fa gne fahavaloko, ireo izay tsy nagniry enahy hanjaka eo amindreo, indeso aty indreo ary vonoy aloako etoa."' 28 Rehefa avy nizaka an'ireo raha ireo izy, da nandeha aloha, niakatry ho agny Jerosalema. 29 Ary rehefa avy teo akeken'i Betifaga sy Betania Izy, tamigne tendrombohitry angia hoe Oliva, da nagniraky gne roy tamigne mpianatriny Izy, 30 nizaka hoe: "mandehana agny amigne tanà magnaraky. Rehefa miditry enareo, da hahita zanak'apondra raiky mbola tsy mipitian'olo mihitsy. Vahao izà da indeso aty aminahy. 31 Raha misy magnotany anareo hoe: 'Nagnino no vahanareo io? da zakay hoe: 'misy ilànigne Tompo enazy.' 32 Gne nirahiny da nandeha ary nahita gne zanak'Apondra arakigne nozakain'i Jesosy tamindreo. 33 Raha tamigne famahà gne zanak'Apondra indreo, da hoy gne tompony tamindreo hoe: "nagnino no vahanareo gne zanak'Apondra?" 34 Nizaka indreo hoe: "misy ilànè Tompo enazy." 35 Nindesindreo tagny amin'i Jesosy izà, ary napetrakindreo teo amboniny zanak'Apondra gne lambany ary nametraka an'i Jesosy teo amboniny. 36 Raha nandeha igny Izy, da novelarindreo tamigne lala gne lambandreo. 37 Ary rehefa nagnakeky gne toera fidigna amigne Tendrombohitr'Oliva Izy, da nanomboky nifaly gne mpianatriny maro be ary nidera anè Zagnahary tamigne feo mafy nohonign'asa zakabe izay itandreo aby, 38 nizaka hoe: "deray aza gne mpanjaka izay avy amign'agnaranè Tompo! Fiadana agny an-dagnitry ary gne voninahitry agny amign'ambony indrindra!" 39 Gne Fariseo sasany tamigne vahoky da nizaka taminazy hoe: "eh! ramosè, zakay mafy gne mpianatrao." 40 Namaly Jesosy ary nizaka hoe: "zakaiko aminareo, fa raha mangigny ireo, da hitoreo gne vato." 41 Rehefa nagnato gne tanà Jesosy, da nitomagny enazy, 42 nizaka hoe: "raha mba fantatrao mantsy am'zao andro izao, eka enao, gne raha izay miday fiadana ho anao! Nefa am'zaofotoa izao da mifiny amigne masonao. 43 Fa ho avy aminao ireo andro, izay hanangananè fahavalonao tovon-tany magnodidy anao, ary hagnodidy anao, ary hanery anao amigne lafiny rehetra. 44 Indreo da handavo anao amigne tany miaraky amigne zanakao. Tsy hagnambela ndre da vato raiky mifapipitiky aza indreo. 45 Niditry tamigne tempoly Jesosy ary nonomboky nandroky gne nivarotry, 46 nizaka tamindreo hoe: "efa vosoratry hoe: 'gne tragnoko da nany tragno fivavaha,' fa enareo kosa da nagnano enizà ho toera vivezivezehanè jiolahy. 47 Da nampinatry isan'andro tao an-tempoly Jesosy. Gne mpitariky gne mpisorogny sy gne mpanora-dalàgna ary ireo mpitariky gne vahoaky da nitady hamono anazy, 48 fa tsy nahita fomba hagnanoa enizà indreo, satria nazoto niteno Enazy gne vahoky aby.