Toko faha 14

1 Ary indraiky sabata zay, laha niditry tame tragnone raiky tame mpitariky gne Fariseo hihina mofo Izy da nagnara-maso Enazy akeky indreo. 2 Igny, teo alohany nisy lelah raiky izay nampijaline gn’edema. 3 I Jesosy nagnontany endreo manam-pahaiza mikasiky gne lalàgnane Jiosy sy gne Fariseo hoe: «mety me gne magnasitra ame gnandro sabata sa tsy mety? ». 4 Fa indreo da nangy aby. Noho izà da noresin’i Jesosy izy, ary da notsaboiny, da nalefany handeha. 5 Hoy izy tamindreo se: «ia aminareo managn’anaky lelah na aomby latsaky ame lavadrano ame gnandro sabata gne tsy hisonto gnanazy malaky? » 6 Indreo da tsy nisy nahavita nagnome valiny amin’izà raha za. 7 Rehefa tsikaritr’i Jesosy gne fomba fisafidianandreo izay nasay nitoeram-boninahitry, nagnano fagnohara Izy, nizaka tamindreo hoe: 8 «rehafa asay ame fampekaram-bady enareo, ka mipetraky am’gne toerane gn’olo mana-kaza, satria mety ambola misy olo mana-kaza nasay amboninareo. 9 Laha avy gn’olo nagnasa anareo, da hizaka anareo izy hoe: «omeo en’ity olo-kafa ty gne toeranao», ary da baraka sady egnamaso gne hindesinao hifindra ary hamonjy gne toera ambany indrindra. 10 Fa laha asay enareo, mandihana ary mipetraha ame toera ambany indrindra, amizay laha sendra mandala eo gn’olo nagnasa anao, da mety hizaka anao izy hoe: «E nama, mekara am’gn’ambonimbony nda». Ary avy eo da home voninahatry enareo eo agnatrehane mpiray latabatry aminareo. 11 Fa gne sasany izay magnambony tegna da hahetry, ary izy izay manetri-tegna da hapekary». 12 I Jesosy evakoa da nizaka tame lelah izay nagnasa Anazy hoe: «laha magnome sakafo na fagnasa enao, da ka magnasa gne namanao nag ne rahalahanao na gn’olo akeky enao na gne mpanakaria magnodidy enao, ame mety hagnasany enao koa ho takalon’iza, ary da vavaly enao. 13 Fa laha magnasa olo enao, asay gne sahira, gne kilemay, gne mandringa, ary gne zamba, 14 da ho sambatry enao satria tsy afaky hamaly enao indreo. Fa enao da ho voavaly am’gne fitsanganane marina». 15 Laha naharè eniza raha za gne raiky tame mpiray latabatry tam’i Jesosy, da nizaka taminazy izy hoe: «sambatry izay hihina gne mofo ao ame fanjakan’Andriamanitry! » 16 Fa i Jesosy nizaka taminazy hoe: «nisy lelah raiky nikarakara sakafo zakabe ary nagnasa olo maro. 17 Laha vakarakara gne sakafo, da nagniraky gne mpanompony izy hizaka am’gne nasay hoe: «mandrosoa, fa gne sakafo da efa vonogny». 18 Indreo aby da nitovy hevitry ary nanomboky nagnano fela-tsigny. Gne voalohany nizaka taminazy hoe: «nividy saha ia, ka tokony hijotso ia ary agnety eniza. Miala tsigny ia». 19 Nisy raiky hafa koa nizaka hoe: «nividy aomby folo ia, ary andeha hamantatry eniza heky. Miala tsigny ia». 20 Avy teo da nisy lelah raiky hafa koa nizaka hoe: «vao avy napiaka-bao ia, ary noho iza da tsy afaky gne hoavy ia». 21 Da avy gne mpanompo ary nizaka tame tompon’iza raha za. Avy teo gne tompon-tragno da vignitry ka nizaka tam’gne mpanompony hoe: «mandihana malaky am’gn’arabe sy sapagnan-dala atanà etoa ary indeso aty gne sahira, gne mandringa, gne jamba, ary gne kilemay». 22 Nizaka iza mpanompo za hoe: «Tompo, efa vita izay nobekoinao, fa mbola misy toera koa». 23 Hoy gne tompony tame mpanompony hoe: «mandihana am’gn’arabe sy sisim-boly ary tereo indreo hoavy, amzay hofeno gne tragnoko. 24 Fa zakaiko aminareo, tsy hisy hagnandra gne sakafo gne lelah nasay»». 25 Ary vahôky maro gne nandeha niray taminazy, ary nitodiky Izy ary nizaka andreo hoe: 26 «laha misy aminareo magnato Enah ary tsy malaigny en’iabany, en’iendriny, gne vadiny, gne zanany, gne rahalahany sy gne rahavaviny, ary na gne fianany koa, da tsy afaky gne ho mpianatriko izy. 27 N’iza n’iza tsy minday gn’hazofijaliany ary magnaraky Enah da tsy afaky ho mpianatriko. 28 Fa ia aminareo, gne magniry gne hangala tilikambo, gne tsy mipetraky aloha ary mikôty gne fandania raha mana izay hilay hamita eniza izy? 29 Raha tsy iza, rehefa nagnisy gne fototry izy nefa tsy hahavita eniza anefa, da hanomboky hagnome tsigny endreo aby gne mahita, 30 magnano hoe: «io lelah io gne nanomboky nananga kanefa tsy nahavita eniza». 31 Na koa mpanjaka ino, laha handeha hifanohitry am’gne mpanjaka hafa am’gne ady, gne tsy hidoboky aloha ary hangala hevitry raha miray am’gne lelah ariva raiky da afaky hiady am’gne mpanjaka hafa izay avy nanohitry enazy miaraky ame lelah roy aly? 32 Raha tsy iza , raha mbola lavitry gne tafiky hafa, da mandefa antoko izy ary mangataky fepetry ho ame fihavana. 33 Ka noho iza, n’iza n’iza aminareo tsy mahafoy enizay hananany aby da tsy afaky ho mpianatriko izy. 34 Tsara gne sira, fa laha very gne tsirone sira, akoingaia gne hahamasy enazy koa? 35 Tsy misy ilane tany azy na da gne zezike tany aza, Aria fotsiny iza. Gne mana-sofy ho enti-miteno, aok’izy hiteno».