Toko faha 21

1 Tafarandreo raha ireo Jesosy da niseho tamindreo mpianatry indraiky teo ame ranomasin'i Tiberiasy. Toy izao gne fomba nisehoany: 2 Simona Petera da niaraka tamin'i Tomasy izay angiana hoe Didymo, Natanaela avy any Kana agny Galilia, ireo zanak'i Zebedio, ary mpianatr'i Jesosy roa hafa. 3 Hoy Simona Petera tamindreo hoe:"handea hagnarato aho." ary hoy ireo taminy hoe:"izahay, koa, handeha hiaraky aminao." Ka lasa izy ireo ary na ino na ino indreo nandritry gne al8ina tontolo. 4 Ary, raha efa mangiran-dratsy sahady gne andro, da nijoro teo an-dranomasina Jesosy, fa tsy fatandreo mpianatriny hoe Jesosy io. 5 Ka hoy Jesosy tamindreo hoe:"ry tovolahy, tsy misy hoany anareo sa?" Namaly an'azy indreo hoe:" Tsia." 6 Hoy izy tamindreo hoe:"atsipazo eo ame sisiny ankavanan'gne sambo kidy gne haratonareo, da hahazo anareo." Ka da natsipindreo gne haraton-dreo ary tsy nahavita nampiakatry izany tao nohony hamarozany gne hazandrano. 7 Avy eo hoy ilay mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera hoe:"gne tompo io." Rehefa ren'i Simona Petera fa gne tompo io, da nampiditry gne ambonin'ankajony izy(satria tsy nisiky izy), ka nitrebôky tao agnaty ranomasy. 8 Indreo mpianatra hafa nandea ame sambo kidy (satria indreo tsy lavitry gne tanety, teo ame roan-jato hakiho teo), ary nisito gne harato feno hazandrano. 9 Rehefa tafiakatry an-tanety indreo, da nahita afon'arina tegny ary hazandrano teo amboniny, miaraky ame mofo. 10 Hoy Jesosy tamindreo hoe:"mindesa hazandrano maromaro aminreo vao azonareo teo." 11 Ary niakatry Simona Petera ka nisintona an-tanety gne harato, izay feno hazandrano zakabe; 153. Tena maro be, kanefa tsy tretry gne harato. 12 Hoy Jesosy tamindreo hoe:" avia hihina maraindray."Tsy nisy tamindreo mpianatriny saha nagnotany an'azy hoe:"iha me anao?" Fatan-dreo fa gne tompo io. 13 Nagnotany Jesosy, nangala mofo, ary nagnome izany andreo, toy izany koa gne hazandrano. 14 Fagnitelony amin'io gne niboany Jesosy tamindreo mpianatriny tafarany nitsanganany tame maty. 15 Rehefa avy nihina ilay sakafo maraindray indreo, da hoy Jesosy tamin'i Simona Petera hoe:"Simona zank'i Jaona, tia anaha mihoatry noho ireo anao sa?" Hoy Petera tamin'azy hoe:"eka rô tompo, fatanao fa tia anao aho." Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"fa nagnino ireo ondriko." 16 Nizaka tamin'azy indraiky izy hoe:"Simona zanak'i Jaona, tia anaha anao sa?" Hoy Petera tamin'azy hoe:"eka ro tompo, fatanao fa tia anao aho." Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"karakaray gne ondriko." 17 Nizaka tamin'azy fagnitelony izy hoe:"Simona, zanak'i Jaona, tia anaha anao sa?" Da nalahelo Petera satria Jesosy nagnano intelo tamin'azy hoe:"tia anaha anao sa?" Ka hoy izy tamin'azy hoe:"tompo, anao gne mahafatatry gne raha aby, fatanao fa tia anao aho." Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"fahano gne ondriko." 18 Zakaiko aminao, marina, da marina tokotry, fony mbola tanora anao, da zatry nampiditry irery gne akanjanano ary nandeha tamin'izay tianao, fa rehefa niha-antitry anao no hampisikina anao sy hinday anao amin'izay tianao andehana." 19 Ary Jesosy nizaka izany mba hahafatarana hoe ame karazana fahafatesana toy gne inona no hagnomezan'i Petera voninahitry an'Andriamanitra. Rehefa avy nizaka izany izy, da hoy izy tamin'i Petera hoe:"magnaraha anaha." 20 Nitodika Petera ka nahita ilay mpianatry izay tian'i Jesosy nagnaraky an'azy indreo, ilay raiky izay niakina ampitan'i Jesosy evakoa tao ame fisakafoana ary nagnano hoe:"tompo, iza ilay raiky hamadika anao?" 21 Nahita azy Petera ary hoy izy avy eo tamin'i Jesosy hoe:"tompo, ino no ho ataon'io lelaha io?" 22 Hoy jesosy tamin'azy hoe:"raha tiako hipetraky izy mandra-piaviako, da midika ino izany aminao? Magnara anaha." 23 Ka nipariataky teo amindreo mpirahalaha izany zaka izany, fa tsy ho faty io mpianatra io. Nefa Jesosy tsy nizaka tamin'i Petera fa tsy ho faty ilay mpinatra hafa, fa hoe:"raha tiako hipetraky izy mandra-pihaviako, da midika inona izany aminao?" 24 Izy gne mpianatry izay nijoro vavolombelo momba ireo raha ireo, sy ilay nanoratry ireo raha ireo, ary fatantsika fa marina gne fagnambarany. 25 Misy raha maro hafa koa izay namboarin'i Jesosy. Raha voasoratry tsiraikiraiky aby izany, da heveriko fa na da izao tontolo izao aza tsy ho omby gne boky izay ho soratana.