Toko faha 20

1 Ary vao marainan'ny andro voalohan'gne erinandro, raha mbola maizina iny, da nandea ame kobory Maria Magdalenina ary nahita ilay vato efa nikisaky lavitry ilay kobory izy. 2 Noho izany da nihazakazaky izy ary nagnato an'i Simona Petera sy ilay mpianatry hafa izay tian'i Jesosy, ary hoy izy tamindreo hoe:"nalaindreo tao ame kobory gne tompo, ary tsy fatatray izay nametrandreo an'azy." 3 Avy eo nandeha nivoaka Petera sy ilay mpianatry hafa, ary nandeha ame kobory indreo. 4 Samy niazakazaky indreo, ary nosongonan'ilay mpianatry hafa malaky Petera ary da izy no tonga voalohany zakany ame kobory. 5 Avy eo niondriky izy, ary nagnety ilay lambam-paty nipetraky teo, fa mbola nitsofoky tao agnatiny izy. 6 Avy tafarany eo Simona Petera ary niditry tao an-kobory. Hitany nipetraky teo ilay lambam-paty 7 sy ilay lamba natao tegny ame lohany. Tsy niara-nipetraky tamin'ilay lambam-paty anefa ilay izy fa nivalona ho azy teo ame toerany. 8 Avy eo ilay mpianatry raiky hafa, ilay avy voalohany teo ame kobory, niditry tao agnatiny koa, ary nahita sy nino izy. 9 Fa hatramin'io fotoana io indreo da tsy mbola nahafatatry gne soratry masina evao izy da tsy maintsy hitsanga ame maty. 10 Ka da nipody tagny andragno indraiky indreo mpianatry. 11 Fa Maria da nipatsaky nitomagny teo ambadikiny gne kobory. Raha izy nitomagny igny, da niondriky tao amin'ilay kobory. 12 Nahita anjely roa mitafy lamba fotsy nipetraky izy, gne raiky teo an-doha, ary gne raiky teo an-tongotry teo amin'ilay toera nametrahany gne vatan'i Jesosy. 13 Hoy indreo tamin'azy hoe:"ravihavy,nagnino anao no mitomagnihy?" Hoy izy tamindreo hoe:"satria nindesindreo gne tompo, ary tsy fatatry izay nametrahandreo an'azy." 14 Rehefa avy nizaka izany izy, da nitodiky ary naita an'i jesosy nitsang teo, fa tsy fatany anefa heo Jesosy io. 15 Hoy Jesosy tamin'azy hoe:" raviavy, nagnino anao no mitomagny? Fa iza gne hitenao?" Neveriny fa gne mpiamby anefa izy, ka hoy izy tamin'azy hoe:"tompoko, raha anao gne nangala an'azy, da zakay aminah gne nagnapetrahanao an'azy, fa ho alaiko agny izy." 16 Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"Maria." nitodiky izy, ary nizaka taminy tame zaka Hebreo hoe:"rabôny" (izay midika hoe:"mpampianatry.") 17 Hoy Jesosy tamin'azy hoe:"ka mikasiky anaha, fa tsy mbola niakatry agny ame Ray ao, fa mandeana agny amindreo rahalaiko ary zakay andreo fa hiakatry agny ame Raiko sy Rainareo ahao, ary gne Andriamanitriko sy Andriamanitrinareo." 18 Nandea Maria Magdalenina ary nizaka ireo mpianatry hoe:"nahita gne tompo aho," ary ireo raha ireo no nozakainy taminy. 19 Ary ariva tamin'izay, tamin'io andro io, andro voalohany herignandro, ary ireo varavarangara izay nisy indreo mpianatry, da nihidy nohon'ny fatahorana andreo jiosy, nagnato jesosy ary nitsanga teo afovoandreo ka nizaka azy ireo hoe:"fiadagna ho anareo." 20 Rehefa avy nizaka izany izy, da nasehony azy ireo gne tagnany sy gne lanivoany. Faly indreo mpianatry rehefa nahita gne tompo. 21 Avy eo Jesosy nizaka andreo hoe:" fiadagna ho anareo, mitovy gne napitsiry Ray anaha, no ampitsiriako anaredo koa." 22 Rehefa avy nizaka izany Jesosy, da nitsoka gne fofon'aina tamindreo ary nizakandreo hoe:"raiso gne fanahy masina. 23 Na helokiza na helok'iza avelanareo, da ho voavela indreo; ary na an'iza na an'iza tsy avelanareo, da tsy voavela indreo." 24 Tomasy, raiky tamindreo roa ambiny folo, zakay hoe Didymo, da tsy niaraky tamindreo rehefa avy Jesosy. 25 Indreo mpianatriny hafa avy eo nizaka tamin'azy hoe:"hoitanay gne tompo." Hoy izy tamindreo hoe:"raha tsy hitako egny ame tanany gne loakindreo fatsika, ary mametraky gne rambitagnako ao agnatinilay lôkindreo fatsika aho, ary mametraky gne tagnako eo ame lanivoany, da tsy hino aho." 26 Valo andro taty hafara da tao indraiky indreo mpianatriny, ary niaraky tamindreo Tomasy. Nagnato an'i Jesosy raha nihidy gne varangara, ary nipatsaky niaraky teo amindreo, ary nizaka hoe:"fiadagna ho anareo." 27 Avy eo nizaka an'i Tomasy izy hoe:"magnatogna ety miaraka ame tagnanao ary apetraho eto ame lanivoako izany. Aza kidy finoana, fa minoa." 28 Tomasy namaly ary nizaka hoe:"tompoko sy Andriamanitriko." 29 Hoy Jesosy tamin'azy hoe:" satria nahita anaha anao, da nino. Sambatry indreo izay tsy nahita, nefa mino." 30 Amizao Jesosy da nagnano famatara maro hafa teo anatrehany mpianatriny, famatara izay tsy voasoratry tao agnatin'ny ity boky ity, 31 fa ireo da voasoratry mba hafanareo mino fa jesosy no kristy, ilay zanak'Andriamanitra, ary rehefa mino azy anareo, da hahazo gne fiaina ame agnarany.