Toko faha 19

1 Avy teo nindesin'i Pilato Jesosy ka nofihiny. 2 Nitady satroky tsilo indreo miaramila. Naisindreo teo amè lohan'i Jesosy izà ary nampitafy lamba volomparasy Anazy. 3 Nagnato Anazy indreo ary nizàka hoe : "Arahaba, ry mpanjakan'gne Jiosy!" ary nifiky Anazy indreo. 4 Avy eo nijotso indraiky i Pilato ka nizaka tamindreo hoe:"indro entiko aminareo etoa ambadiky izy mba hahafataranareo fa tsy heloka amin'azy aho." 5 Ka niboaky Jesosy, nagnano sarindoa tsilo sy lamba volomparasy. Hoy Pilato tamindreo hoe:"indro ity raha lelaha!" 6 Rehefa hitanygne lohan'gne mpisorona sy gne manamboninahitry Jesosy, da nikoritsaky mafy indreo ka nizaka hoe:"tsapoy izy, tsapoy izy!" Da hoy Pilato tamindreo hoe:"alainareo izy ary tsapoy, fa ihao tsy mahita heloky amin'azy." 7 Namaly an'azy ireo Jiosy hoe:"mana lalana itsika, ary araky gne lalana da tokotry ho faty izy satria mitonon-tegna ho zanak'Andriamanitra." 8 Rehefa ren'i Pilato izany fagnambara izany, da lasa natahatry be izy, 9 ary niditry tao ame lapam-panjakana indraiky izy ka nizaka tame Jiosy hoe:"avy ahia gne fihavianao?" Kanefa tsy namaly gne zakan'i Jesosy. 10 Avy eo Pilato nizaka tamin'azy hoe:"tsy ambara amina anao sa? Tsy fatanao fa mana fahefa agnafaky anao aho, sy fahefa hanampoky anao?" 11 Namaly an'azy Jesosy hoe:"tsy mana fahefa amiko anao raha tsy nomehe anao avy agny ambony izany. Noho izany, izy izay nanolotry anaha taminao da mana heloka bebe kokoa." 12 Tamin'izany valin-jakany izany, da niezaky gne hagnafaky azy Pilato, fa nikoritsaky mafy ireo Jiosy, nagnano hoe:"raha afahanao io lelaha io, da tsy naman'i Kaisara anao. Izay rehetra magnano gne tegany ho mpanjaka da manohitry an'i Kaisara." 13 Rehefa ren'i Pilato ireo zakan-dreo, da nindeseny nijotso Jososy ary nipetraky teo ame seza fitsarana izay zakay hoe "lampivato", fa ame zakany Hebreo hoe"Gabata." 14 Ary avy gne andro fagnomagna gne pasaky, teo ame leraha fa enina teo. Hoy Pilato tamindreo JIosy hoe:"indro, ity gne mpanjakanareo!" 15 Nikoritsaky mafy indreo hoe:"apetray izy,apetray izy; tsapoy izy!"Hoy Pilato tamindreo hoe:"tokony hanampoky gne mpanjakanareo anareo sa?" Namaly indreo lohany gne mpisorona hoe:"tsy mana mpanjaka akoatrin'i Kaisara ihay." 16 Avy eo da natolotr'i Pilato nadreo ho tsapoho Jososy. 17 Avy eo nalaindreo Jesosy, ary nandeha nijotso izy, nizaka gne filôzôfiana, ho agny ame toera zakay hoe "toerana karandoha," izay ame Hebreo zakay "Golgota." 18 Nofatsian-dreo tagny Jesosy, ary nisy lelaha roa hafa niaraky tamin'azy, raikiraiky isaky gne ilany, ary Jesosy teo ategnategnany. 19 Nanoratry famatara evakoa Pilato ary nametaky izany teo ame hazofizalia. Izao gne voasoratry teo: JESOSY AVY AGNY NAZARETA, GNE MPANJAKAN'NY JIOSY. 20 Maro tamindreo jiosy no namaky izany famatara izany satria tsy lavitry gne tanana no misy gne toera namatsia an'i Jesosy. Ilay famatara da nosotany tame Hebreo, Latina,ary Grika. 21 Avy eo hoy indreo lohany mpisorona Jiosy tamin'i Pilato hoe:"aza sorata hoe:'ilay mpanjakan'ny Jiosy,' fa aleo hoe:'ity raiky ity da nizaka hoe:"ihao gne mpajakan'ny Jiosy." 22 Ary namaly pilato hoe:"izay voasoratry da voasoratry." 23 Rehefa nofatsindreo miaramila Jesosy, da nalaindreo gne lambany, ka nitriarin-dreo efatry, da samy mana raiky aby indreo; ary gne ankajo evakoa. Ary tsy misy vitrany gne ankajo, fa tenona raiky avao. 24 Avy eo nifampiresaky indreo hoe:"aleo tsy triarintsika ity, fa koa andeha hilokana ahitaha izay mahazo an'azzy." Nitranga izany mba hahatanteraka gne soratra masina izay milaza hoe:"nifampizarandreo gne lambako ary nolokainy gne fitafiko." Izany no nanindreo miaramila. 25 Ary nitsanga teo akaikin'ny hazafizalian'i Jesosy gne reniny, gne rahavavin-dreniny, Maria vadin'i Klopa, ary Mria magdalena. 26 Rehefa nahita gne reneny sy indreo mpianatra izay tiany nitsanga teo akeky teo Jesosy, da nizaka tame reneny izy hoe:"raviavy, indro, gne zananao laha!" 27 Avy eo hoy izy tame mpianatr hoe:"indro gne reninareo!" ary tamin'izany lera izany da nalain'gne mpianatra ho agny aminy izy. 28 Tfaran'izany, rehefa nahafatatry fa vita gne raha aby ka mba ho tanteraky gne soratra masina, da hoy Jeosy hoe:"mangetahetabaho." 29 Ary nisy tavoara feno divay marikivy nipetraka teo amin'io toerana io, ka nasiandreo divay marikivy gne nisipoijy ka notohizany tame hysopa ary napetapetany tame vavany. 30 Rehefa nisotro ilay vinaingitra Jesosy, da hoy izy hoe:"efa vita." Nahondrikiny gne lohany ary niala gne fahoiny. 31 Satria andron'ny fihomagna tamin'izany, ka mba tsy hijanona eo ame hazofizalia mandritry gne sabotsy (satria gne sabotsy da andro manan-danja manokana) ireo vata-mangatsiaka, da nangataky tamin'i pilato ireo jiosy avy eo, gne mba hanampahana gne tombokindreo ary hanala andreo. 32 Avy eo nagnato ireo miaramila ka nanapaky gne tombotr'ilay lelaha vohaloany sy ilay lelaha faharoa izay voafatsika niaraky tamin'ny Jesosy. 33 Rehefa nagnato an'i Jesosy indreo, da nahita fa efa maty izy, ka tsy nitapahandreo gne tombony. 34 Kanefa, nisy miaramila raiky raiky nitreboky gne lavakôkiny tame lefo, ary avy hatrany da nisy rà sy rano niraraky. 35 Ilay raiky izay nahita izany da nijoro vavolombelo, ary marina gne fagnambarany. Fatany fa marina izay nolazainy mba hinoanareo evakoa. 36 Fa ireo raha ireo no nitranga mba hahatanteraka gne soratra masina hoe:"tsy hisy ho tapaky na dia raiky ame tolany aza." 37 Ary mbola, misy soratra masina hafa mizaka hoe:"indreo da hagnety an'azy izay notsondreo lefo." 38 Tafaran'ireo raha ireo, Josefa avy ao Arimatia, hatrame naha-mpianatr'i Jesosy azy (fa tao ame mangingina nohon'gne fatahora ireo Jiosy), nagnotany an'i Pilato raha afaky maka gne vatan'i Jesosy izy. Nomen'i Pilato alalana izy. Ka avy Josefa ary nangala gne vatany. 39 Avy tagny koa Nikodemosy, izy izay avy voalohany hagnety an'i Jesosy gne arivanignihy. Ary nindahy menaky magnitry sy vahona izy, teo ame zato litatry teo gne fatrany. 40 Ka noraindreo gne vatan'i Jesosy ary namogno izany tame lambam-paty sy raha magnitry, araky gne fomba fandevegnan'gne Jiosy. 41 Ary teo ame toerana namatsia an'azy da nisy saha; ary teo amin'ilay saha da nisy kobory vaovao izay mbola tsy nandevegna olo. 42 Satria andron'gne fiomagnandreo Jiosy tamin'izany ary satria akaiky gne kobory, da nalevindreo tao Jesosy.