Toko faha 18

1 Tafaran'gne nizàkan'i Jesosy ireo zàka ireo, da nijoso niaraky tamindreo mpianatriny Izy ho ery ampita ery amè lohasan-drika an'i Kidrona, izay nisy loviky nidirany sy ireo mpianatriny. 2 Ary Jodasy, Izay hamadiky an'i Jesosy, nahafantatry gne fandehanany avakoa, satria nandeha matetiky tany Jesosy sy indreo mpianany. 3 Avy eo Jodasy, nitariky ireo tariky miaramila sy indreo mpiandry raharaha sasany avy amindreo lohan'gne mpisorona sy Fariseo, nandeha tany niaraky tamin'gne fanilo, fanala ary fitaovam-piadiana. 4 Avy eo Jesosy, izay efa nahafantatry gne zavatry rehetra hitranga Aminy, nandroso teo aloha ary nagnontany andreo hoe : "Ia gne tadiavinareo?" 5 Namaly Anazy indreo hoe : "Jesosy avy agny Nazareta." Ary hoy Jesosy tamindreo hoe : "Iao gne Izy." Jodasy, izay namadiky Anazy, da nitsangana niaraky tamindreo miaramila avakoa. 6 Ka rehefa nizàka tamindreo Izy hoe: "Iao gne Izy", da nihemotry indreo ka lavo tamin'gne tany. 7 Avy eo koa da nagnontany andreo Izy hoe : "Ia gne tadiavinareo?" Ary nizàka indraiky indreo hoe : "Jesosy avy agny Nazareta." 8 Jesosy namaly hoe : "Nizàka anareo Iao fa Iao gne Izy. Noho izà raha mitady Anah anareo, da avelao itoa handeha." 9 Izà da mba hahatanteraky gne zàka nozàkainy hoe : "Amindreo izay nomenao Anah, tsy nasiko very ndre da raiky avao aza." 10 Avy eo Simona Petera, izay nanà sabatry, nagnazotso anazy ka namira gne mpanompo gne mpisoronabe ary nampihala gne tadigniny akavagna. Ary Malko gne anaran'ilay mpanompo. 11 Hoy Jesosy tamin'i Petera hoe : "Apodio ao amè tragnony gne sabatrao. Tsy tokotry hisotro gne kapoaky izay nomen'gne Ray Anah Iao?" 12 Noho izà ireo tarika miaramila sy gne kapiteny, ary indreo mpiandry raharahandreo Jiosy, da nisambotry an'i Jesosy ary namatotry Anazy. 13 Nindesindreo tagny amin'i Anasy Izy aloha, satria izy da rafozan-dahin'i Kaiafa, Izay mpisoronabe tamin'io Tao io. 14 Ary Kaiafa da ilay nagnome hevitry indreo Jiosy fa tsara tokôtry raha misy olo raiky maty ho an'gne vahoaky. 15 Nagnaraky an'i Jesosy Simona Petera, ary nambôtry akô izà avakoa gne mpianatry raiky hafa. Ary fantatr'ilay mpisoronabe izà mpianatry izà, ary niditry niaraky tamin'i Jesosy tao amè kianjan'gne mpisoronabe izy; 16 fa Petera da nijoro tao ivelan'gne vavahady. Noho izà ilay mpianatry hafa, izay fantatry gne mpisoronabe, da nijoso ka niresaky tamin'ilay mpanompo viavy izay mpiamby vavahady ary ninday an'i Petera hiditry. 17 Avy eo ilay mpanompo viavy, mpiamby vavahady, nizàka tamin'i Petera hoe: "Anao tsy raiky amin'gne mpianatr'io lelà io?" Hoy izy hoe : "Tsy izy iao." 18 Ary nitsanga teo indreo mpanompo sy indreo mpianandry raharaha, ary namelo hafo namindroany indreo, satria nanara gn'andro; ka nagnafana gne aindreo. Petera koa niaraky tamindreo, nitsanga teo ary nagnafana gne ainy. 19 Nagnontany an'i Jesosy momba ireo mpianany sy gne fampianarany gne mpisoronabe. 20 Jesosy namaly anazy hoe: " Nizàka ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Iao. Nampianatry mandrakariva tao amè synagoga sy tao amè fengona Iao izay nifampintaonan'gne Jiosy rehetra. Tsy nisy nozàkaiko tamin'gne takona. 21 Nagnino anao gne magnontany Anah? Agnontanio andreo izay naheno Anah momba izay nozàkaiko. Hiteo, ireo olo ireo da mahafantatry izay nozàkaiko." 22 Rehefa avy nizàka izà Jesosy, da nisy raiky tamindreo mpiandry raharaha nitsanga teo namango raratefaky fotsiny an'i Jesosy ary nizàka hoe: "Izà gne fomba hamalianao gne mpisoronabe?" 23 Jesosy namaly anazy hoe: "Raha nizàka zavatry diso Iao, mijoro vavolombelo amin'izà diso izà, fa raha marina, nagnino anao gne mamango Anah?" 24 Avy eo Anasy nandefa Anazy mifehy nandeha amin'i Kaiafa ilay mpisoronabe. 25 Ary nitsanga Petera ka nagnafana gne ainy. Avy eo hoy ireo olo taminy hoe: "Anao koa tsy raiky amindreo mpianany?" Nandà izà izy ary nizàka hoe: "Tsy izy iao." 26 Raiky tamindreo mpanompon'gne mpisoronabe, izay havan'ilay lehilahy izay notapain'i Petera gne sofiny, nizàka hoe: "Tsy hitako nindray taminy tao amè loviky anao?" 27 Avy eo Petera nandà indraiky, ary avy hatrany da nagneno gne akoho. 28 Avy eo nindesindreo avy tao amin'i Kaiafa ho agny agnaty rova Jesosy. Mbola mandraigny be gne andro tamin'izà, ary indreo da tsy niditry tao agnaty rova mba tsy ho voaloto fa efa hihina gne Paska. 29 Ka nijotso teo amindreo Pilato ka nizàka hoe: "Ino gne zàka indesinareo manohitry ity lehilahy ity?" 30 Namaly indreo ary nizàka taminy hoe: "Raha tsy mpagnano ratsy io lehilahy io, da tsy ho natolotray anao." 31 Noho izà Pilato nizàka tamindreo hoe: "Hindesinareo Izy, ary tsaray araky gne lalànareo." Hoy indreo Jiosy taminy hoe: "Tsy ara-dalàgny ho anay gne manolotry olo ho faty." 32 Nagnambara izà indreo mba hahatanteraky gne zàkan'i Jesosy izay nozàkainy mba hagnambara hoe karazagne fahafatesana akongaia gne hafatesany. 33 Avy eo niditry tao agnaty rova indraiky Pilato ka nangaiky an'i Jesosy ary nizàka taminy hoe: "Anao gne mpanjakan'gne Jiosy?" 34 Jesosy namaly hoe: "Magnontany avy amè tegnanao anao, sa nisy hafa nizàka anao momba Anah?" 35 Pilato namaly hoe: "Tsy Jiosy iao, sa tsy izà?" Gne vahoakanao sy ireo lohan'gne mpisorona gne nanolotry anao tamiko. Ino gne nataonao?" 36 Jesosy namaly hoe: "Gne fanjakako da tsy avy etoa amin'izao tontolo izao. Fa raha mba ao anatin'izao tontolo izao gne fanjakako, da hiady ireo mpanompoko mba tsy hanolora Anah amindreo Jiosy. Fa amisia gne fanjakako da tsy avy amitiegny." 37 Avy eo Pilato nizàka taminy hoe: "Mpanjaka izà Anao?" Jesosy namaly hoe: "Vozàkanao fa mpanjaka Iao. Fa ho amin'izà tanjogny izà gne nahaterako, ary ho amin'izà antony izà gne niaviko etoa amin'izao tontolo izao, mba hijoroko vavolombelo amè fahamarigna da miteno gne feoko." 38 Pilato nizàka taminy hoe: "Ino gne atao hoe marina?" Rehefa avy nizáka izà izy, da nijoso indraiky ary nizàka tamindreo Jiosy hoe: "Tsy mahita heloky amin'ity lehilahy ity iao. 39 Fa anareo mana fomba izay hagnafahako olo raiky ho aminareo amè Paska. Noho izà tianareo gne hangalako aminareo gne mpanjakan'gne Jiosy?" 40 Avy eo indreo nizàka mafy indraiky ary nizàka hoe: "Tsy io lehilahy io, fa Barabasy." Ary Barabasy da mpangalatry.