Toko faha 17

1 Rehefa avy nizaka ireo zavatry ireo Jesosy da nanandratry gne masony ho amè lanitry Izy ka nizàka hoe: "Ray ô, tonga gne fotoa, mankalazà gne Zanakao mba hankalazan'gne Zanaky Anao_ 2 mitovy gne nagnomezanao Anazy fahefà ambonin'gne nofo rehetry mba hanomezany fiaigna mandrakizay ho an'izay rehetry nomenao Anazy. 3 Izao gne fiaigna mandrakizay : da gne ahafantarandreo Anao, ilay Andriamanitry tokanty sady marina, ary Izy izay niranao, da Jesosy Kristy. 4 Nankalaza Anao iao tetoa an-tany. Efa vitako gne asa izay nomenao Anah ho aniko. 5 Amisia, ry Ray, hankalazao miaraky amè tegnanao Iao amè voninahitry izay nanagnako niaraky taminao talohan'gne nahavitany izao tontolo izao. 6 Nampahafantatry gne agnaranao tamin'gne olo izay nomenao Anah avy amin'izao tontolo izao Iao. Anao raiky, ary nomenao Anah, ary notandremany gne zàkanao. 7 Amisia fantandreo fa gne zavatry rehetra izay nomenao Anah da avy aminao, 8 satria nomeko andreo avakoa gne zàka izay nomenao Anah. Noraisindreo ireo ary fantany marina tokôtry fa avy taminao Iao, ary nino indreo fa Anao gne nagniraky Anah. 9 Mivavaky ho andreo Iao. Tsy ho an'izao tontolo izao Iao fa ho andreo zay nomenao Anah, noho indreo Anao. 10 Gne zavatry rehetra izay Anah da Anao, ary izay Anao da Anah, ary hankalazainy amindreo Iao. 11 Tsy amin'izao tontolo izao esana Iao, fa ireo olo ireo da eto amin'izao tontolo izao, ary magnato anareo Iao. Ray Masina ô, tazomy amè agnaranao izay nomenao Anah indreo mba hitambatry ho raiky, mitovy amè maha raiky Antsika. 12 Raha mbola teo amindreo Iao, da nità andreo tamin'gne agnaranao, izay nomenao Anah. Niaro andreo Iao, ary tsy nisy very na da raiky aza, afa-tsy gne zanaky gne fahaverezà avao, mba ho tanteraky gne Soratra Masina. 13 Ary ho agny aminao Iao, fa mizàka ireo zavatry ireo amin'izao tontolo izao Iao mba hahatanteraky gne hafaliako ao amindreo. 14 Efa nomeko andreo gne zàkanao, ary tsy nitiavin'izao tontolo izao indreo satria tsy avy amin'izao tontolo izao, mitovy aminah tsy an'izao tontolo izao. 15 Iao da tsy mangataky Aminao gne hangalanao andreo amin'izao tontolo izao, fa gne mba hiarovanao andreo amin'ilay ratsy. 16 Indreo da tsy an'izao tontolo izao, mitovy Aminah tsy an'izao tontolo izao. 17 Hamasino amè fahamarignà indreo. Fa gne zàkanao gne fahamarignà. 18 Mitovy gne nagnirahanao Anah ho amin'izao tontolo izao, gne nagnirako andreo ho amin'izao tontolo izao avakoa. 19 Fa nohon'gne fitiavako andreo gne nagnamasinako gne aiko, mba hagnamasinagny gne aindreo amè fahamarignà avakoa. 20 Iao da tsy mivavaky ho andreo fotsiny, fa ho andreo izay hitegno Anah amè alalan'gne zàkandreo koa 21 mba ho raiky avao izy rehetra, mitovy aminao, Ray, ato amiko, ary Iao ao aminao. Mivavaky Iao mba ho ao amintsika avakoa indreo mba hinoan'izao tontolo izao fa nagniraky Anah Anao. 22 Gne voninahitry izay nomenao Anah, da nomeko andreo, mba ho raiky indreo, mitovy am' gne maha raiky antsika. 23 Iao ao amindreo, ary Anao ato amiko - ka ho tena raiky tanteraky tokôtry indreo, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa nagniraky Anah Anao, ary nitia andreo mitovy am'gne nitiavanao Anah. 24 Ray ô, ireo zay nomenao Anah da tiako hiaraky amiko na aia na aia misy Anah, ary hahita gne voninahitro, ilay voninahitry izay nomenao Anah satria nitia Anah Anao talohan'gne nahavitany izao tontolo izao. 25 Ray marina ô, tsy nahafantatry Anao izao tontolo izao, fa Iao mahafantatry Anao; ary indreo mahafantatry fa nagniraky Anah Anao. 26 Nampahafantariko andreo gne agnaranao, ary mbola ho hampafantariko izay mba ho ao amindreo gne fitiava izay nitiavanao Anah, ary Izaho ho ao amindreo."