HEBREO Toko faha 13

1 Ôka hitohy gne fitiava ara-pirahalahia. 2 Kamadigno gne fampiatragnoa gne vahiny. Fa tamin'gne alalan'izany, gne nagnembaren'e sasany fampiatragnoa gn'anjely nefa tsy fantany izany. 3 Tsarovo gne vogadra, akoie niaraky vofehy tamindreo enao. Tsarovy gne izay nampahoria, akoie indreo evakoa enareo amè vata. 4 Ôka ho hajain' gne tsiraikiraiky gne fanambadia. Ô gne fandrian'gne mpanambady mba hadio, fa Andriamanitra da hitsara gne mpangala-badin'olo sy gne mpijanganjanga. 5 Avelay gne fitondran-tegnanareo ho afaky amin'ny gne fitiavam-bola. Mifalia amignè rahà izay anagnanareo, satria Andrimanitra tegnany da nizaka hoe: "Iaho da tsy hiala enareo mihitsy,na hahafoy enareo koa." 6 Aleo isika ho faly mba ho sahy hizaka hoe: " Gne Tompo gne Mpamonjiko; ka tsy hataotry iaho. Ino gne azon' gnolo amboary aminahy? 7 Hevero gne mpitariky enereo, gne izay nizaka gne Zakan'Andriamanitra taminareo, ary hevero gne vokatrè fihetsikindreo. Aleo mitovy ame finoandreo. 8 Jesosy Kristy da tsy miova omaly, sy androany, ary mandrakizay. 9 Ka magneky hindesy amegnè karaza fampianara hafahafa. Fa tsara raha tokony hamafisy amè fahasoava gne fo, fa tsy amè hany izay tsy magnampy gne izay mandeha miaraky amindreo. 10 Isika da mana alitara izay tsy anagnandreo izay manompo gne tabernakely fahefa hihina. 11 Fa gne ràn'gne biby novony an'ny sorona ho an'gnota da nentin'gne mpisoronsbe tao amè toera masina, nandritr'izany gne vatandreo da noroa tagny ambadiky gne toby. 12 Noho izany Jeosy evakoa da nijaly tagny ambadikiky gne vavahadin'gne tanà, mba hagnamasy gne vahoaky amin'gnalalan'e ràny manoka. 13 Andeha isika noho iany ho angy Aminazy agny ambadikin'e toby, hinday gne fahafaham-baraka. 14 Fa tsy mana tanà mahadigny isika ety. Ndre izany, mandigny gne raiky izay ho avy isika. 15 Amè gnalalany, ary, da atsika isika hanolotry gne fanati-pidera ho an'Andrimanitra malaky, fidera vokatry gne molotry izay magneky gnagnarany. 16 Aleo tsy adignoitsika gne magnano tsara sy magnampy gne tsiraikiraiky, fa amè fanatitry akoizany gne tena mahafaly an'Andrimanitra. 17 Magnaraha sy magneke gne mpitariky enareo, fa izy gne mahita gne fagnambaranareo, akoignè izay hagnano tatitry. Magnaraha mba hagnanoizay am-pifalia gne mpinday enareo, fa tsy amin-akamoa, izay lasa tsy misy dikany ho anareo. 18 Mivavaha ho anay, fa iay da nino fa mana feon'e fieritrereta madio ary magniry hiaigny am-pahamarigna gne rahà agnaby. 19 Manosiky enareo zakaba iaho mba hagnano izany, ka mba hiverigny malaky aminareo iaho. 20 Ary gn'Andriamanitra gne fiadana, izay nananga tamè maty gne mpiandry ondry zakabe, e Tompontsika Jesosy, tamè gnalalan'e ràn'ny fagnekè mandrakizay, 21 da hagnatsara enareo amè gn'asa tsara angaby mba hagnamboara e sitrapony. Izy gne hiasa ao anatintsika izay tena isaora eo agnatrehany, amè gn'alalan'i Jesosy Kristy, izay home gne voninahitry mandrakizay. Ameno. 22 Ary mankahery enareo iaho, ry rahalahy, mba hinday e zakan'e fampahereza izay nosoratako fohy ho anareo. 23 Fantaro fa efa nahafa Timoty rahalahintsika, izay hiaraky aminahy agnety enareo raha avy aloha izy. 24 Amboaro veloma gne mpitariky enareo agnaby sy gne mpino agnaby. 25 Indreo izay avy agny Italia da magnano veloma enareo. Ho aminareo agnaby gne fahasoava.