Toko faha 13

1 Fagnitelon'izao gne nandalovako taty aminareo. ''Gne fagnisia tobotiky aby da tsy maitsy mitsanga ame porofo ne vavolombelo roy na telo. 2 '' Efa nizaka taminareo izay nanota taloha sy taminareo ambiny aby avakoa raha tame fagnindroiny, sady zakaiko avakoa izany hoe: ''Raha avy koa iaho, da tsy hafiray andreo esana iaho'' 3 Mizaka anareo an'izany iaho satria anareo da mitady porofo fa i Kristy da nizaka am'gn'alalako. Tsy malemy aminareo Izy. 4 Fa da mahery aminareo. Fa Izy da noviny ame fahaleme, nefa velo tame herin'Andriamanitry. Fa atsika koa da malemy ame gne herikn'Andriamanitry aminareo. 5 Diniho gn'ainareo raha tianareo ho hita fa ame finoa anareo. Tsapay gne tegnanareo, tsy mbola azonareo an-tsay me gne momba gne gnainareo fa i Jesosy Kristy da ao aminareo? -Raha ohatry ka tsy nanjary gne fitsapa anareo. 6 Ary iaho matoky fa anareo da hagneky fa atsika da nanjary am'iza fitsapaha izany. 7 Amizao atsika da mivavaky amin'Andriamanitry fa tsy afaky gne agnano raha ratsy anreo. Iaho da tsy mivavaky gne afaky ahita fa atsika da da nanjary ame fitsapaha. Kanefa, iaho da nivavaky gne mba afahanareo magnano an'izay mety nefa atsika da mety ho hita akô gne ts fazaria tame fitapaha. 8 Fa atsika da tsy afaky gne agnano raha mifanohitry ame fahamarina, fa hoan'e fahamarina raiky evao. 9 Fa atsika da mifaly raha malemy na mahery anareo. Fa atsika koa da mivavaky mba ho anitsika feno anareo. 10 Manoratry ity raha ity iaho raha magnalavitry anareo iaho, ka raha miaraky aminareo iaho da tsy votery minday anareo ame favignira ame fampihara gne fahefako- izay nomen'e Tompo ana, mba hananganako anareo sady mba tsy hanimba anareo. 11 Farany ralah, mifalia! miasà ame fameregna ame tokotry ho izy, mahereza, mifagneke gne tsiraikiraiky, miaigna am-piadagna, ary gne Andriamanitry gne fitiava sy gne fiadagna da hiaraky aminareo. 12 Mifagnotsafa anareo ame fagnorofa masy. 13 Gne mpino aby da magnano veloma anareo. [Fagnamaria: Gne dikan'e zaka sasany da magnatambatry gne andigniny faha 13 ame gn'andigniny faha 12 sady magnano gne andigniny faha 14 ho andigniny faha 13.] 14 Lonoky gne fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo, gne fitiavan'Andriamanitry sy gne fiaraha ame Fagna Masy ho aminareo aby.